dimanche 7 mars 2021

Alahady 07 Martsa 2021 - Gen 22 : 11 - 20

 11Fa niantso azy avy any an-danitra ny anjelin’ny TOMPO ka nanao hoe:

–Abrahama ô! Abrahama ô!

Hoy kosa ny navalin’i Abrahama azy:

–Inty aho.

12Dia hoy indray ilay anjely:

–Aza maninji-tanana amin’io zazalahy io ianao ary aza manao aminy na inona na inona akory, satria fantatro ankehitriny fa manaja Ahy ianao; ka, na dia ny zanaka lahitokanao aza, dia tsy narovanao tamiko.

13Dia nanopy maso i Abrahama ka nahatazana ondrilahy iray voasarangotry ny kirihitr’ala ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondrilahy, ka nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho solon’ny zanany lahy. 14Dia nataon’i Abrahama hoe «Ny TOMPO no hahita» ny anaran’izany toerana izany ary mbola fiteny ankehitriny ny hoe: «Any an-tendrombohitra ny TOMPO no hahita.»

15Ary ny anjelin’ny TOMPO niantso an’i Abrahama fanindroany avy tany an-danitra 16ka nanao taminy hoe:

–Izao no lazain’ny TOMPO noho ianao nanao izany zavatra izany, ka tsy niaro ny zanakao lahitokanao tamiko, dia ny tenako no ianianako 17fa hitahy anao tokoa Aho ka hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny an-danitra na ny fasika eny amoron-dranomasina. Ary ny taranakao dia haka ny tanànan’ireo fahavalony. 18Amin’ny alalan’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany, satria ianao nihaino ny feoko.

19Dia niverina nankeny amin’ny zatovony i Abrahama. Niainga izy rehetra ka niaraka nankany Beera-Seba; dia teo no niorim-ponenana i Abrahama.

20Taorian’izany, dia ren’i Abrahama fa tera-dahy maro tamin’i Nahôra rahalahiny koa i Milkà:

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12