vendredi 5 mars 2021

Zoma 05 Martsa 2021 - Asa 9 : 20 - 31

 Niara-nitoetra mandritra ny andro vitsivitsy tamin’ny mpianatra tany Damasy i Saoly. 20Tsy nangataka andro i Saoly fa nitoriteny tao amin’ny sinagôga, nanambara fa i Jesoa no ilay Zanak’Andriamanitra. 21Dia talanjona ny olona rehetra nandre azy ka nanontany hoe:

–Tsy ity lehilahy ity indrindra ve no mpanenjika lozan-tany an’ireo niantso ny anaran’i Jesoa tany Jerosalema? Ary ny anton-diany atỳ, moa ve tsy ny hamatotra ny olona toy izany sy hitondra azy mankany amin’ny lohandoha-mpisorona?

22Vao mainka feno hery ny toritenin’i Saoly: nasehony marimarina fa i Jesoa no Mesia, hany ka resy lahatra ny Jiosy mponina tao Damasy.

23Rehefa afaka andro maromaro, dia niara-nioko hamono an’i Saoly ny Jiosy; 24saingy nampahafantarina an’i Saoly mialoha izany fiokoana izany. Nambenan-dry zareo Jiosy andro aman’alina ny vavahadin’ny tanàna mba hamonoana an’i Saoly. 25Kanjo nalain’ny mpianatra i Saoly indray alina, dia nataony tao anaty sobika, ary nampidininy tany ivelan’ny manda.

26Vao tonga tany Jerosalema i Saoly, dia nitady hikambana tamin’ny mpianatra; saingy natahotra azy izy rehetra satria tsy afaka nino azy ho isan’ny mpianatra. 27Nalain’i Barnabà kosa i Saoly ka nentiny teo amin’ny apôstôly; dia teo anatrehan’ny apôstôly no nitantaran’i Barnabà ny fomba nahitan’i Saoly ny Tompo teny an-dalana sy ny teny nataon’ny Tompo taminy ary koa ny fahasahian’i Saoly nitoriteny tamin’ny anaran’i Jesoa tany Damasy. 28Izay vao afa-nifanerasera tamin’ny mpianatra tao Jerosalema i Saoly sady tena sahy nitoriteny tamin’ny anaran’ny Tompo. 29Niresahan’i Saoly sy nifanakalozany hevitra koa ireo Jiosy miteny grika; kanjo notadiavin’ireo hovonoina izy. 30Nony fantatr’ireo havana iray finoana izany, dia nateriny tany Kesaria i Saoly ary nampodîny nankany Tarsa.

31Nandry feizay ny Fiangonana manerana an’i Jodea sy i Galilea ary i Samaria manontolo: nandroso tsara, nizotra tamin’ny fanoavana ny Tompo, ary nihamaro noho ny fampaherezan’ny Fanahy Masina.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12