jeudi 15 avril 2021

Alakamisy 15 Aprily 2021 - Oba 17 - 21

 17Ho ao an-tendrombohitra Tsiôna kosa ireo sisa tavela,

ka hanjary masina indray io toerana io;

ary ho lasan’ny taranak’i Jakôba

ny tanin’ireo naka ny taniny.

18Ny taranak’i Jakôba ho toy ny afo,

ny taranak’i Jôsefa ho toy ny lelafo;

ny taranak’i Hesao kosa ho toy ny mololo

ka harehitr’ireo sy holevoniny,

ary tsy mba hisy sisa tavela amin’ny taranak’i Hesao.

Izaho TOMPO no efa niteny!»

19Ny mponin’i Joda, faritra atsimo, no hahalasa ny tendrombohitr’i Hesao; ny mponin’i Joda, faritr’i Sefelà, no hahalasa ny tanin’ny Filistinina sady hahalasa ny tanin’i Efraîma, izany hoe ny tanin’i Samaria; ary ny taranak’i Benjamîna no hahalasa an’i Gilehàda.

20Ny babo tamin’ny Israelita, izay tafika marobe, no hahalasa ny tanin’ireo Kanahanita hatrany Tsarefàta. Ny babo tamin’ny mponin’i Jerosalema, izay any Sefaràda, no hahalasa ny tanàna any Negèba; 21rehefa afaka amin’ny fahababoana ireo, dia hiakatra ho ao an-tendrombohitra Tsiôna mba hifehy ny tendrombohitr’i Hesao.

Amin’izay ny TOMPO mihitsy no ho mpanjaka.

mercredi 14 avril 2021

Alarobia 14 Aprily 2021 - Efe 5 : 1 - 2

 1Koa manafaha an’Andriamanitra ianareo, satria zanaka lalainy. 2Ny fitiavana no aoka hanenika ny fitondrantenanareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy antsika sy nanolorany tena tamin’Andriamanitra toy ny fanatitra sy sorona manitra mamerovero ho fanasoavana antsika.

mardi 13 avril 2021

Talata 13 May 2021 - Sal 71 : 20 - 24

 20Fahoriana be sady mafy

no navelanao hihatra tamiko;

kanefa hovelombelominao indray aho,

ary hampiakarinao indray ho afaka

amin’ny fasana mampihitsoka.

21Dia mbola hampionona indray Ianao

ary hamerina amiko ny voninahitro.

22Izaho kosa hidera Anao amim-baliha

noho ny toetranao mahatoky, ry Andriamanitro ô,

sy hiredona salamo arahin-dokanga

ho Anao, ry ilay Masin’i Israely.

23Eny, hihorakoraka hihoby ho Anao aho

sady hankalaza Anao amin-java-maneno,

satria efa notsimbininao ny aiko.

24Isan’andro no hitanisako ny fahamarinanao,

satria efa menatra sy mangaihay

ireo olona nitady hanisy ratsy ahy.

lundi 12 avril 2021

Alatsinainy 12 Aprily 2021 - Lio 24 : 13 - 24

 13Iny andro alahady iny ihany, dia nisy mpianatra roa lahy nankany amin’ny tanàna kely atao hoe Emaosy, tokony ho 11 kilaometatra avy ao Jerosalema. 14Ary teny an-dalana izy roa lahy dia niresaka ireny zava-nitranga rehetra ireny. 15Raha mbola niresaka sy niady hevitra iny izy roa lahy, dia intỳ i Jesoa nanatona niara-dalana taminy; 16saingy voasakana tsy hahafantatra Azy ny mason’ireto mpianatra. 17Dia hoy i Jesoa taminy:

–Inona izao iadianareo hevitra etỳ an-dalana izao?

Dia niato kely izy roa lahy sady maloka endrika erỳ. 18Ary namaly Azy ny anankiray atao hoe Kleôpasy ka nanao hoe:

–Ianao irery ve no vahiny mandalo eto Jerosalema tsy mahalala ny zava-nitranga tao, tato ho ato?

19Dia hoy i Jesoa taminy:

–Zavatra inona moa izany?

Ka novalian’izy roa lahy hoe:

–Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, Izay mpaminany mahery tamin’ny asany sy tamin’ny teniny teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka manontolo; 20kanjo natolotry ny lohandoha-mpisorona sy ny manampahefana eto amintsika mba hohelohina ho faty ary nasainy nohomboana tamin’ny hazofijaliana. 21Nanantena izahay fa Izy no Ilay hanavotra an’i Israely, ary tsy izany ihany fa androany izao no andro fahatelo hatramin’ny nitrangan’izany. 22Nisy ihany anefa vehivavy sasany namanay nahasanganehana anay fatratra: tany amin’ny fasana vao maraina be ry zareo, 23saingy tsy nahita ny vatan’i Jesoa, ary niverina nitantara taminay fa nisehoan’ny anjely anankiroa, ka ireo anjely, hono, nilaza fa velona Izy. 24Dia nisy tamin’ny lehilahy namanay mba nankany amin’ny fasana ka nahita araka ny filazan’ireo vehivavy, fa Izy tsy hitany.

dimanche 11 avril 2021

Alahady 11 Aprily 2021 - Rot 4 : 1 - 12

 1Dia niakatra ho eo am-bavahadin’ny tanàna toerana fandaminan-draharaha i Bôhaza, ka nipetraka teo. Ary indro nandalo ilay havana mahavotra voalazan’i Bôhaza, ka nantsoiny hoe:

–Avia kely ianao, ranona, mipetraha eto.

Dia nanatona izy, ary nipetraka. 2Dia naka folo lahy tamin’ny loholona tao an-tanàna i Bôhaza, ka nanao hoe:

–Mipetraha eto ianareo.

Ary rehefa nipetraka ireo, 3dia hoy i Bôhaza tamin’ilay havana mahavotra:

–Vidio ny saha izay an’i Elimelèka izay havantsika fa amidin’i Nahômỳ izao izy tafaverina avy tany amin’ny faritr’i Môaba izao. 4Tapa-kevitra aho manko fa hampandre anao mba hampividy anao azy eo anatrehan’ireo olona manatrika eto sy ireo loholona. Koa raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tsy hanavotra ianao, dia ambarao ahy ho fantatro, satria tsy misy afa-tsy ianao no tokony hanavotra ary izaho no manarakaraka anao.

Ary hoy ny navaliny hoe:

–Izaho no hanavotra!

5Dia hoy kosa i Bôhaza:

–Amin’ny andro ividiananao ny saha eo an-tanan’i Nahômỳ, dia halainao ho vady koa i Rota vehivavy môabita mba hamelo-maso ny anaran’ny maty eo amin’ny lovany.

6Fa novalian’ilay havana mahavotra hoe:

–Tsy afaka hanavotra ho an’ny tenako aho raha izany, sao manimba ny anjara lovako. Avoty ho anao izay tokony havotako fa tsy afaka hanavotra aho.

7Fa taloha, tany Israely, raha misy manavotra lova na mifanakalo fananana, dia esorin’ny olona ny kapany ka omeny ny namany, mba hanamafy ny faharaiketan’ny raharaha. Tany Israely dia izany no antoka fa raikitra ny raharaha. 8Ka ilay havana mahavotra, raha niteny tamin’i Bôhaza hoe «Vidio ho anao izany», dia nanaisotra ny kapany sy nanome azy an’i Bôhaza. 9Tamin’izany dia hoy i Bôhaza tamin’ny loholona sy ny vahoaka rehetra:

–Ianareo no vavolombelona manatri-maso androany fa efa novidiko teo an-tanan’i Nahômỳ izay rehetra an’i Elimelèka sy izay rehetra an’i Kiliôna sy i Mahalôna; 10miaraka amin’izany koa i Rota, vehivavy môabita, dia efa noraisiko ho vadiko mba hamelo-maso ny anaran’ny maty ao amin’ny lovany, ka tsy ho tapaka ny anaran’ny maty eo amin’ny mpiara-monina sy eo am-bavahadin’ny tanàna toerana fandaminan-draharaha.

11Dia hoy ireo vahoaka rehetra izay teo am-bavahady sy loholona hoe:

–Eny, vavolombelona manatri-maso izahay. Hotahin’ny TOMPO anie ity vehivavy izay hankao an-tranonao, ka ho tahaka an-dRahely sy i Lea fa izy roa vavy no niavian’ny vahoaka Israely; hataony manan-karena eo amin’ny Efratîta anie ianao, ary halaza eran’i Betlehema anie ny anaranao! 12Enga anie ny tokantranonao ho tahaka ny an’i Peretsa, izay naterak’i Tamara reniny tamin’i Joda, ka ho betsaka ny taranaka izay homen’ny TOMPO anao amin’ity vehivavy tanora ity!

vendredi 9 avril 2021

Zoma 09 Aprily 2021 - Deo 32 : 40 - 43

 40Manangan-tanana amin’ny lanitra Aho,

ka mianiana hoe: ‹Velona mandrakizay Aho,

41ka horanitiko hanelatselatra ny sabatro,

harangarangan’ny tanako ny famaizana,

dia hovaliako ny mpandrafy Ahy

ary hampanodiaviko ny mpankahala Ahy ny ataony.

42Hataoko vonton-dra ny zana-tsipîkako,

dia ny ran’ireo voavono sy voababo;

hotrebotrebonin’ny sabatro ny nofo

mbamin’ny loha lavavolon’ny fahavalo›!»

43Ry hafa firenena, hobio ilay vahoakan’Andriamanitra!

Fa valian’ny TOMPO ny nahafatesan’ny mpanompony;

eny, valiany tokoa ireo mpandrafy Azy,

ary avotany kosa ny taniny mbamin’ny vahoakany.

jeudi 8 avril 2021

Sabotsy 10 Aprily 2021 - Rom 21 : 23 - 26

 21Ankehitriny kosa dia efa nahariharin’Andriamanitra ny fomba anekeny antsika ho marina; ary tsy avy amin’ny lalàna velively izany. Ny lalànan’i Mosesy mbamin’ireo bokin’ny mpaminany rahateo dia efa mijoro ho vavolombelona manambara 22fa ny finoana niainan’i Jesoa Kristy no haneken’Andriamanitra ny olombelona ho marina; ary mankamin’ny mpino rehetra izany, satria tsy misy fanavakavahana intsony. 23Eny, nanota ny olon-drehetra ka tsy eo afovoan’izy ireo intsony ilay Andriamanitra be voninahitra. 24Kanefa, noho ny fahasoavan’Andriamanitra, dia nekeny maimaimpoana ho marina izy ireo tamin’ny alalan’ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesoa. 25Fa notendren’Andriamanitra ho sorom-panonerana ho an’ireo manam-pinoana i Kristy Jesoa Izay nahafoy ny rany: izany no maneho ny fomba aneken’Andriamanitra ny olombelona ho marina! Ireo heloka vitan’ny olombelona fahiny dia noleferin’Andriamanitra 26ary tsy nosazîny, satria tiana haseho ankehitriny ny fomba aneken’Andriamanitra ny olombelona ho marina. Hita amin’izany fa marina tokoa Andriamanitra sady mahatonga ho marina izay entanin’ny finoana niainan’i Jesoa!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12