lundi 12 avril 2021

Alatsinainy 12 Aprily 2021 - Lio 24 : 13 - 24

 13Iny andro alahady iny ihany, dia nisy mpianatra roa lahy nankany amin’ny tanàna kely atao hoe Emaosy, tokony ho 11 kilaometatra avy ao Jerosalema. 14Ary teny an-dalana izy roa lahy dia niresaka ireny zava-nitranga rehetra ireny. 15Raha mbola niresaka sy niady hevitra iny izy roa lahy, dia intỳ i Jesoa nanatona niara-dalana taminy; 16saingy voasakana tsy hahafantatra Azy ny mason’ireto mpianatra. 17Dia hoy i Jesoa taminy:

–Inona izao iadianareo hevitra etỳ an-dalana izao?

Dia niato kely izy roa lahy sady maloka endrika erỳ. 18Ary namaly Azy ny anankiray atao hoe Kleôpasy ka nanao hoe:

–Ianao irery ve no vahiny mandalo eto Jerosalema tsy mahalala ny zava-nitranga tao, tato ho ato?

19Dia hoy i Jesoa taminy:

–Zavatra inona moa izany?

Ka novalian’izy roa lahy hoe:

–Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, Izay mpaminany mahery tamin’ny asany sy tamin’ny teniny teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka manontolo; 20kanjo natolotry ny lohandoha-mpisorona sy ny manampahefana eto amintsika mba hohelohina ho faty ary nasainy nohomboana tamin’ny hazofijaliana. 21Nanantena izahay fa Izy no Ilay hanavotra an’i Israely, ary tsy izany ihany fa androany izao no andro fahatelo hatramin’ny nitrangan’izany. 22Nisy ihany anefa vehivavy sasany namanay nahasanganehana anay fatratra: tany amin’ny fasana vao maraina be ry zareo, 23saingy tsy nahita ny vatan’i Jesoa, ary niverina nitantara taminay fa nisehoan’ny anjely anankiroa, ka ireo anjely, hono, nilaza fa velona Izy. 24Dia nisy tamin’ny lehilahy namanay mba nankany amin’ny fasana ka nahita araka ny filazan’ireo vehivavy, fa Izy tsy hitany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12