dimanche 11 avril 2021

Alahady 11 Aprily 2021 - Rot 4 : 1 - 12

 1Dia niakatra ho eo am-bavahadin’ny tanàna toerana fandaminan-draharaha i Bôhaza, ka nipetraka teo. Ary indro nandalo ilay havana mahavotra voalazan’i Bôhaza, ka nantsoiny hoe:

–Avia kely ianao, ranona, mipetraha eto.

Dia nanatona izy, ary nipetraka. 2Dia naka folo lahy tamin’ny loholona tao an-tanàna i Bôhaza, ka nanao hoe:

–Mipetraha eto ianareo.

Ary rehefa nipetraka ireo, 3dia hoy i Bôhaza tamin’ilay havana mahavotra:

–Vidio ny saha izay an’i Elimelèka izay havantsika fa amidin’i Nahômỳ izao izy tafaverina avy tany amin’ny faritr’i Môaba izao. 4Tapa-kevitra aho manko fa hampandre anao mba hampividy anao azy eo anatrehan’ireo olona manatrika eto sy ireo loholona. Koa raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tsy hanavotra ianao, dia ambarao ahy ho fantatro, satria tsy misy afa-tsy ianao no tokony hanavotra ary izaho no manarakaraka anao.

Ary hoy ny navaliny hoe:

–Izaho no hanavotra!

5Dia hoy kosa i Bôhaza:

–Amin’ny andro ividiananao ny saha eo an-tanan’i Nahômỳ, dia halainao ho vady koa i Rota vehivavy môabita mba hamelo-maso ny anaran’ny maty eo amin’ny lovany.

6Fa novalian’ilay havana mahavotra hoe:

–Tsy afaka hanavotra ho an’ny tenako aho raha izany, sao manimba ny anjara lovako. Avoty ho anao izay tokony havotako fa tsy afaka hanavotra aho.

7Fa taloha, tany Israely, raha misy manavotra lova na mifanakalo fananana, dia esorin’ny olona ny kapany ka omeny ny namany, mba hanamafy ny faharaiketan’ny raharaha. Tany Israely dia izany no antoka fa raikitra ny raharaha. 8Ka ilay havana mahavotra, raha niteny tamin’i Bôhaza hoe «Vidio ho anao izany», dia nanaisotra ny kapany sy nanome azy an’i Bôhaza. 9Tamin’izany dia hoy i Bôhaza tamin’ny loholona sy ny vahoaka rehetra:

–Ianareo no vavolombelona manatri-maso androany fa efa novidiko teo an-tanan’i Nahômỳ izay rehetra an’i Elimelèka sy izay rehetra an’i Kiliôna sy i Mahalôna; 10miaraka amin’izany koa i Rota, vehivavy môabita, dia efa noraisiko ho vadiko mba hamelo-maso ny anaran’ny maty ao amin’ny lovany, ka tsy ho tapaka ny anaran’ny maty eo amin’ny mpiara-monina sy eo am-bavahadin’ny tanàna toerana fandaminan-draharaha.

11Dia hoy ireo vahoaka rehetra izay teo am-bavahady sy loholona hoe:

–Eny, vavolombelona manatri-maso izahay. Hotahin’ny TOMPO anie ity vehivavy izay hankao an-tranonao, ka ho tahaka an-dRahely sy i Lea fa izy roa vavy no niavian’ny vahoaka Israely; hataony manan-karena eo amin’ny Efratîta anie ianao, ary halaza eran’i Betlehema anie ny anaranao! 12Enga anie ny tokantranonao ho tahaka ny an’i Peretsa, izay naterak’i Tamara reniny tamin’i Joda, ka ho betsaka ny taranaka izay homen’ny TOMPO anao amin’ity vehivavy tanora ity!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12