mercredi 31 décembre 2014
Alarobia 31 Desambra - Sal 14 : 12 - 17
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Salamo nataon'i Davida.
Adala izay miteny anakampo hoe:
«Tsy misy Andriamanitra!»
Maneho toetra lo sy maharikoriko ireo
sady tsy mba misy manao ny tsara.
2Avy eny an-danitra eny ny TOMPO
no miondrika hijery ny olombelona,
hizaha sao mba misy olon-kendry
izay mitady Azy tokoa.
3Fa izy rehetra no mania
ka samy tsy valahara avokoa;
tsy mba misy manao ny tsara,
na dia iray akory aza!
4Hoy kosa ny TOMPO hoe:
«Tena tsy mahalala mihitsy
ny mpanao ratsy rehetra
fa fitsentsefana ny vahoakako
no ataony foto-pivelomana,
sady Izaho tsy antsoiny akory!»
5Indreo fa matahotra dia matahotra ireny,
satria ny mpivavaka iandanian'Andriamanitra.
6«Nataonareo tsinontsinona ny fikasan'ny ory,
kanefa ny TOMPO ange no fialofany.»
7Hivoaka avy ao Tsiôna* anie
ny famonjena an'i Israely!
Ka hifaly sy hiravo ny taranak'i Jakôba,
dia ny vahoaka Israely tsivakivolo,
rehefa hambinin'ny TOMPO indray izy.
mardi 30 décembre 2014
Talata 30 Desambra 2014 - Jer 31 : 15 - 20
15Izao no lazain'ny TOMPO:
Nisy fitarainana heno tao Ramà,
dia fitomaniana sy fidradradradrana mafy.
I Rahely no mitomany ny zanany;
ka tsy mety nampiononina izy
satria tsy eo intsony ny zanany.»
16Kanefa izao no lazain'ny TOMPO azy:
«Atsaharo ny fitarainanao
ary fafao ny ranomasonao
fa hovaliako soa ny fisasaranao,
hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.
Satria ireny zanakao ireny
dia hiverina avy any an-tanin'ny fahavalony.
17Koa misy fanantenana ho an'ny taranakao,
hoy ny teny hentitra ambarako,
hiverina ao an-tanindrazany ny zanakao.
18Reko tsara mihitsy ny olon'i Efraîma
nitaraina hoe: ‹TOMPO ô, nofaizinao izahay
ary dia manaiky hofaizinao
tahaka ny ombilahy tanora tsy tena folaka.
Nefa ampodio aminao izahay
mba hiverenanay tokoa aminao,
satria Ianao, TOMPO ô, no Andriamanitray.
19Eny, niodina taminao izahay
nefa anenenanay kosa izany.
Nampahafantarinao anay ny fahadisoanay,
ka mandondon-tratra izahay ankehitriny.
Menatra sady mangaihay ny tenanay;
manala baràka anay ny fahatanoranay
ka hozakainay ny vokany.›
20I Efraîma no zanakalahy mamiko,
hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO,
zanaka malalako indrindra izy.
Isaky ny manameloka azy Aho,
dia mahatsiaro azy hatrany
ka manjary mangoraka azy
ary dia mamindrafo aminy tokoa.
lundi 29 décembre 2014
Alatsinainy 29 Desambra 2014 - Mat 2 : 13 - 18
13Rehefa lasa nody ireo olon-kendry, dia nisehoan'anjelin*'ny Tompo tamin'ny nofy i Jôsefa ka nilazany hoe:
–Mifohaza ianao, ka ento mandositra any Ejipta ny zazakely sy ny reniny; ary mitoera any ambara-pilazako aminao indray. Fa efa hotadiavin'i Herôda* ny zazakely mba hamonoany azy.
14Dia nifoha i Jôsefa ka nitondra ny zazakely sy ny reniny nankany Ejipta dieny mbola alina. 15Ary nitoetra tany i Jôsefa telo mianaka ambara-pahafatin'i Herôda; koa tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany* hoe:«Avy any Ejipta no niantsoako ny zanako!»
16Tamin'izay dia tsinjon'i Herôda* fa voafitak'ireo olon-kendry izy ka tena vinitra. Ary naniraka olona izy hamono tsy an-kanavaka ny zazalahikely tao Betlehema sy ny manodidina rehetra, hatramin'ny roa taona no ho midina, araka ilay fotoana nofotopotoriny tsara tamin'ireo olon-kendry. 17Tamin'izay no tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'i Jeremià mpaminany* hoe:
18«Injay nisy fitomaniana sy dradradradra tsy anerany heno tao Ramà:
I Rahely no nitomany ny zanany,
ka tsy nety nampiononina satria tsy eo intsony ireny!»
dimanche 28 décembre 2014
Alahady 28 Desambra 2014 - Rom 8 : 18 - 25
18Heveriko fa tsy mendrika hohàrina amin'ny voninahitra izay haseho ao amintsika ny fijaliana amin'izao andro izao. 19Fa tsindrian-daona erỳ ny zavaboaary miandry ny hanehoan'Andriamanitra an'ireo zanany*. 20Fa tonga nanaiky ho zavatra tsinontsinona ny zavaboaary, tsy araka ny nahiny anefa, fa noho ilay nampanaiky azy toy izany. Saingy eo ny fanantenana: 21Fa ny zavaboaary koa aza dia hoafahana tsy ho andevon'ny fahasimbana indray andro any ka handray anjara amin'ny fahafahana be voninahitra hananan'ireo zanak'Andriamanitra. 22Saingy fantatsika fa mandraka ankehitriny, ny zavaboaary manontolo dia miara-misento sy mijaly toy ny vehivavy mihetsi-jaza. 23Ary tsy ny zavaboaary ihany; fa isika koa, izay manana ny Fanahy Masina ho santatry ny fanomezan'Andriamanitra, dia misento ao anatintsika ao, miandry ny hanaovan'Andriamanitra antsika ho zanany ka hanavotany tanteraka ny tenantsika. 24Eny, efa voavonjy isika saingy mbola amin'ny fanantenana; ny mahita izay nantenaina dia tsy manantena intsony; satria iza no mbola hanantena izay zavatra efa hitany? 25Fa raha manantena ny tsy hitantsika isika, dia miandry amim-paharetana.
samedi 27 décembre 2014
Sabotsy 27 Desambra 2014 - Sal 18 : 1 - 6
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Hira nataon'i Davida mpanompon'ny TOMPO. Notononiny hanomezam-boninahitra ny TOMPO ireto teny ireto fony izy nafahany tamin'ny fahavalony rehetra, indrindra tamin'i Saoly.
2TOMPO ô, tiako Ianao
fa Ianao no heriko!
3Ny TOMPO no harambato
fierena azo antoka ho ahy.
Izy no Andriamanitro
sy vatolampy ialofako,
ampinga fiarovana
sy mpamonjy mahery ho ahy.
4Hoderaina anie ny TOMPO! Fa niantso Azy aho,
dia voavonjy ho afaka amin'ny fahavaloko.
5Toy ny fatotra mangeja ahy ny fahafatesana
sady nampitahotra ahy toa riaka mandrava;
6toy ny fatotra ahodidina ahy ny fonenan'ny maty,
toa harato amandrihana ahy ny fahafatesana.
vendredi 26 décembre 2014
Zoma 26 Desambra 2014 - Heb 1 : 1 - 6
1Efa imbetsaka ary tamin'ny fomba samihafa no nitenenan'Andriamanitra fahiny tamin'ny razantsika tamin'ny alalan'ireo mpaminany*; 2fa amin'izao andro farany izao kosa dia tamin'ny alalan'ny Zanany* no nitenenany tamintsika. Io Zanany io no naharian'Andriamanitra izao tontolo izao*, ary notendreny koa ho mpandova ny zavatra rehetra. 3Taratra mamirapiratry ny voninahitr'Andriamanitra sady famantarana velona izay tena toetra amam-pomban'Andriamanitra Izy; ary ny teniny manan-kery no ihazonany ny zavatra rehetra. Nony avy nanadio ny olona ho afaka amin'ny fahotany Izy, dia nipetraka any amin'ny avo indrindra eo ankavanan'ilay Andriamanitra lehibe.
4Tonga ambony lavitra noho ny anjely ny Zanaka*, satria nandova anarana tsara noho ny an'ireo. 5Fa tsy nisy na oviana na oviana anjely nilazan'Andriamanitra hoe:
«Zanako Ianao,
Ray niteraka Anao Aho manomboka anio!»
Ary koa hoe:
«Izaho ho Rainy,
ary Izy ho Zanako!»
6Rehefa nampiditra ny Zanany lahimatoa ho eto amin'izao tontolo izao* Andriamanitra, dia niteny hoe:
«Aoka ny anjelin'Andriamanitra rehetra
hiankohoka eo anatrehany!»
4Tonga ambony lavitra noho ny anjely ny Zanaka*, satria nandova anarana tsara noho ny an'ireo. 5Fa tsy nisy na oviana na oviana anjely nilazan'Andriamanitra hoe:
«Zanako Ianao,
Ray niteraka Anao Aho manomboka anio!»
Ary koa hoe:
«Izaho ho Rainy,
ary Izy ho Zanako!»
6Rehefa nampiditra ny Zanany lahimatoa ho eto amin'izao tontolo izao* Andriamanitra, dia niteny hoe:
«Aoka ny anjelin'Andriamanitra rehetra
hiankohoka eo anatrehany!»
jeudi 25 décembre 2014
Alakamisy 25 desambra 2014 - Isa 11 : 10 - 16
10Amin'izany andro izany ny solofon'i Jisay
dia hatsangana ho fanevan'ny firenena rehetra;
ka hitady azy ny firenen-kafa,
ary hanjary be voninahitra ny fonenany.
11Amin'izany andro izany ny Tompo
dia haninjitra ny tanany indray
mba hanavotra izay sisa velona amin'ny vahoakany,
dia izay sisa velona avy any Asiria,
avy any Ejipta ambany sy ambony ary avy any Etiôpia,
avy any Helama sy Babilônia ary avy any Hamata
na avy amin'ireo tany amoron-dranomasina.
12Hanangana faneva ny Tompo
mba hahafantaran'ny hafa firenena
fa hamory ireo sesitany tamin'i Israely Izy
ary hanangona ireo niely patrana tamin'i Joda
avy any amin'ny vazan-tany efatra.
13Hitsahatra ny fialonan'i Efraîma
ary ho foana ny fankahalàn'i Joda:
i Efraîma tsy hialona an'i Joda intsony
ary i Joda tsy hankahala an'i Efraîma intsony.
14Dia hiara-kirohotra hiankandrefana
eny amin'ny havoan'ny Filistinina izy roa tonta
ary handeha hiantsinanana
handroba ny foko any an-taniefitra,
ka hanitatra ny fahefàny amin'i Edôma sy i Môaba
ary hametraka ny Hamônita ho eo ambany fifehezany.
15Handritra ny helo-dranomasin'i Ejipta ny TOMPO;
haninji-tanana handrahona ny ony Eofrata Izy,
ka ny rivo-mahery avy aminy no hizaràny azy
hisampantsampana ho sakeli-drano fito
izay ho azo diavin-tongotra tsy miala kapa.
16Hisy lalana ho an'ny sisa velona amin'ny vahoakany,
dia izay sisa velona avy any Asiria,
tahaka izay niseho fahiny tamin'i Israely
fony izy niakatra avy tany Ejipta.
dia hatsangana ho fanevan'ny firenena rehetra;
ka hitady azy ny firenen-kafa,
ary hanjary be voninahitra ny fonenany.
11Amin'izany andro izany ny Tompo
dia haninjitra ny tanany indray
mba hanavotra izay sisa velona amin'ny vahoakany,
dia izay sisa velona avy any Asiria,
avy any Ejipta ambany sy ambony ary avy any Etiôpia,
avy any Helama sy Babilônia ary avy any Hamata
na avy amin'ireo tany amoron-dranomasina.
12Hanangana faneva ny Tompo
mba hahafantaran'ny hafa firenena
fa hamory ireo sesitany tamin'i Israely Izy
ary hanangona ireo niely patrana tamin'i Joda
avy any amin'ny vazan-tany efatra.
13Hitsahatra ny fialonan'i Efraîma
ary ho foana ny fankahalàn'i Joda:
i Efraîma tsy hialona an'i Joda intsony
ary i Joda tsy hankahala an'i Efraîma intsony.
14Dia hiara-kirohotra hiankandrefana
eny amin'ny havoan'ny Filistinina izy roa tonta
ary handeha hiantsinanana
handroba ny foko any an-taniefitra,
ka hanitatra ny fahefàny amin'i Edôma sy i Môaba
ary hametraka ny Hamônita ho eo ambany fifehezany.
15Handritra ny helo-dranomasin'i Ejipta ny TOMPO;
haninji-tanana handrahona ny ony Eofrata Izy,
ka ny rivo-mahery avy aminy no hizaràny azy
hisampantsampana ho sakeli-drano fito
izay ho azo diavin-tongotra tsy miala kapa.
16Hisy lalana ho an'ny sisa velona amin'ny vahoakany,
dia izay sisa velona avy any Asiria,
tahaka izay niseho fahiny tamin'i Israely
fony izy niakatra avy tany Ejipta.
Inscription à :
Articles (Atom)
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...