mardi 30 décembre 2014
Talata 30 Desambra 2014 - Jer 31 : 15 - 20
15Izao no lazain'ny TOMPO:
Nisy fitarainana heno tao Ramà,
dia fitomaniana sy fidradradradrana mafy.
I Rahely no mitomany ny zanany;
ka tsy mety nampiononina izy
satria tsy eo intsony ny zanany.»
16Kanefa izao no lazain'ny TOMPO azy:
«Atsaharo ny fitarainanao
ary fafao ny ranomasonao
fa hovaliako soa ny fisasaranao,
hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.
Satria ireny zanakao ireny
dia hiverina avy any an-tanin'ny fahavalony.
17Koa misy fanantenana ho an'ny taranakao,
hoy ny teny hentitra ambarako,
hiverina ao an-tanindrazany ny zanakao.
18Reko tsara mihitsy ny olon'i Efraîma
nitaraina hoe: ‹TOMPO ô, nofaizinao izahay
ary dia manaiky hofaizinao
tahaka ny ombilahy tanora tsy tena folaka.
Nefa ampodio aminao izahay
mba hiverenanay tokoa aminao,
satria Ianao, TOMPO ô, no Andriamanitray.
19Eny, niodina taminao izahay
nefa anenenanay kosa izany.
Nampahafantarinao anay ny fahadisoanay,
ka mandondon-tratra izahay ankehitriny.
Menatra sady mangaihay ny tenanay;
manala baràka anay ny fahatanoranay
ka hozakainay ny vokany.›
20I Efraîma no zanakalahy mamiko,
hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO,
zanaka malalako indrindra izy.
Isaky ny manameloka azy Aho,
dia mahatsiaro azy hatrany
ka manjary mangoraka azy
ary dia mamindrafo aminy tokoa.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1 Nataon'i Davida, fony izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka , dia noroahiny ka lasa nandeha. ALEFA 2 Hisaotra ny TOMP...