lundi 29 décembre 2014
Alatsinainy 29 Desambra 2014 - Mat 2 : 13 - 18
13Rehefa lasa nody ireo olon-kendry, dia nisehoan'anjelin*'ny Tompo tamin'ny nofy i Jôsefa ka nilazany hoe:
–Mifohaza ianao, ka ento mandositra any Ejipta ny zazakely sy ny reniny; ary mitoera any ambara-pilazako aminao indray. Fa efa hotadiavin'i Herôda* ny zazakely mba hamonoany azy.
14Dia nifoha i Jôsefa ka nitondra ny zazakely sy ny reniny nankany Ejipta dieny mbola alina. 15Ary nitoetra tany i Jôsefa telo mianaka ambara-pahafatin'i Herôda; koa tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany* hoe:«Avy any Ejipta no niantsoako ny zanako!»
16Tamin'izay dia tsinjon'i Herôda* fa voafitak'ireo olon-kendry izy ka tena vinitra. Ary naniraka olona izy hamono tsy an-kanavaka ny zazalahikely tao Betlehema sy ny manodidina rehetra, hatramin'ny roa taona no ho midina, araka ilay fotoana nofotopotoriny tsara tamin'ireo olon-kendry. 17Tamin'izay no tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'i Jeremià mpaminany* hoe:
18«Injay nisy fitomaniana sy dradradradra tsy anerany heno tao Ramà:
I Rahely no nitomany ny zanany,
ka tsy nety nampiononina satria tsy eo intsony ireny!»
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1 Nataon'i Davida, fony izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka , dia noroahiny ka lasa nandeha. ALEFA 2 Hisaotra ny TOMP...