mercredi 31 décembre 2014
Alarobia 31 Desambra - Sal 14 : 12 - 17
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Salamo nataon'i Davida.
Adala izay miteny anakampo hoe:
«Tsy misy Andriamanitra!»
Maneho toetra lo sy maharikoriko ireo
sady tsy mba misy manao ny tsara.
2Avy eny an-danitra eny ny TOMPO
no miondrika hijery ny olombelona,
hizaha sao mba misy olon-kendry
izay mitady Azy tokoa.
3Fa izy rehetra no mania
ka samy tsy valahara avokoa;
tsy mba misy manao ny tsara,
na dia iray akory aza!
4Hoy kosa ny TOMPO hoe:
«Tena tsy mahalala mihitsy
ny mpanao ratsy rehetra
fa fitsentsefana ny vahoakako
no ataony foto-pivelomana,
sady Izaho tsy antsoiny akory!»
5Indreo fa matahotra dia matahotra ireny,
satria ny mpivavaka iandanian'Andriamanitra.
6«Nataonareo tsinontsinona ny fikasan'ny ory,
kanefa ny TOMPO ange no fialofany.»
7Hivoaka avy ao Tsiôna* anie
ny famonjena an'i Israely!
Ka hifaly sy hiravo ny taranak'i Jakôba,
dia ny vahoaka Israely tsivakivolo,
rehefa hambinin'ny TOMPO indray izy.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1 Nataon'i Davida, fony izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka , dia noroahiny ka lasa nandeha. ALEFA 2 Hisaotra ny TOMP...