mercredi 5 septembre 2012
Alarobia 05 Septambra 2012 - Isa 58 : 6 - 8
6. Tsia, fa ny fifadian-kanina tiako dia izao: ny mamaha ny olona voafatotra tsy an-drariny, ny manaisotra ny zioga mitambesatra aminy, ny manafaka ireo ampahorina ka manapatapaka izay zioga rehetra mangeja azy. 7. Ny hizaranao ny haninao ho an'ny noana sy hampiantrano anao ireo mahantra mirenireny, ny hampitafinao izay hitanao fa miboridana ka tsy hampihirimbelona anao eo anatrehan'ny namanao. 8. Amin'izay dia hiposaka toy ny maraina ny fahazavanao ary ho tonga haingana ny fahasitrananao. Ny fanafahana anao no hialoha lalana anao, ary ny TOMPO mihitsy no ho vodilalanao .
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...