dimanche 10 mars 2013
Alahady 10 Martsa 2013 - I Jao 1 : 5 - 10
5 Izao no hafatra renay tamin'i Jesoa Kristy, ka mba ambaranay aminareo: Andriamanitra dia fahazavana, ary tsy mba misy haizina akory ao aminy. 6 Raha milaza ho manam-piombonana amin'Andriamanitra isika, nefa miaina ao amin'ny haizina, dia mandainga sady tsy manatanteraka ny hafatra marim-pototra. 7 Andriamanitra dia ao amin'ny mazava: ka raha miaina ao amin'ny fahazavana tahaka Azy isika, dia misy fiombonana amintsika samy isika; ary ny ran'i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny karazam-pahotana rehetra. 8 Raha milaza ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena, ary tsy ao anatintsika ny hafatra marim-pototra. 9 Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mitana ny toky nomeny Andriamanitra sady miantra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika ho afaka amin'ny ratsy isan-karazany. 10 Raha milaza ho tsy nanota isika, dia mampandainga an'Andriamanitra sady tsy ao anatintsika ny teniny.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...