jeudi 28 mars 2013

Alakamisy 28 Martsa 2013 - Mat 26 : 36 - 46


36 Tamin'izay i Jesoa mbamin'ireo mpianany dia tonga tao amin'ny saha anankiray atao hoe Getsemane; ka hoy i Jesoa tamin'ny mpianany: Mipetraha eto ianareo, fa mbola hankeroa hivavaka Aho!
37 Nentin'i Jesoa niaraka taminy kosa i Petera mbamin'izy roa lahy zanak'i Zebedeo. Dia nanomboka nozoim-pahoriana sy feno tebiteby fatratra i Jesoa, 38 ary dia niteny tamin'izy telo lahy hoe: Ory dia ory ny fanahiko, ka hila hahafaty Ahy. Mijanona eto ianareo ary miaraha miari-tory amiko! 39 Dia nandroso kely i Jesoa, ary niankohoka tamin'ny tany ka nivavaka hoe: Raiko o, raha azo atao, esory lavitra Ahy izao fijaliana izao; kanefa tsy hoe araka izay sitrapoko, fa araka izay sitraponao! 40 Dia niverina nankeo amin'ny mpianany telo lahy i Jesoa ary nahita azy natory; ka hoy Izy tamin'i Petera: Hay tsy nahari-tory miaraka amiko adiny iray akory ianareo? 41 Miareta tory ary mivavaha mba tsy ho azon'ny fakampanahy. Marisika ihany ny fanahin'ny olona, fa ny nofo no malemy! 42 Dia nihataka fanindroany i Jesoa ary nivavaka hoe: Raiko o, raha tsy azo esorina izao fijaliana izao fa tsy maintsy hiaretako, dia aoka ny sitraponao no hatao! 43 Nony niverina nankeo amin'izy telo lahy indray i Jesoa, dia mbola nahita azy natory; fa efa navesatra ny masony. 44 Dia nandao azy telo lahy i Jesoa ary nihataka indray; dia nivavaka fanintelony ka ny teniny teo ihany no nataony. 45 Ary niverina Izy nankeo amin'ny mpianany telo lahy, ka nanao taminy hoe: Mbola matory sy miala sasatra ihany ve ianareo? Indro efa akaiky ny fotoanandro, ary efa hatolotra eo am-pelatanan'ny mpanota ny Zanak'olona! 46 Mitsangana, andao isika handeha! Indro efa akaiky ilay hanolotra Ahy!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12