jeudi 23 janvier 2014
Alakamisy 23 Janoary 2014 - Efe 2 : 8 - 10
8Eny, fahasoavan'Andriamanitra no namonjena anareo, tamin'ny alalan'ny finoana! Ary tsy avy aminareo izany famonjena izany, fa fanomezan'Andriamanitra; 9tsy vokatry ny ezaka vita, fandrao hisy hirehareha. 10Fa asan'Andriamanitra isika; Izy no nahary antsika ho tafaray amin'i Kristy Jesoa, mba hanao asa tsara izay voaoman'Andriamanitra rahateo hotontosaintsika amin'ny fiainantsika.
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...