10Natopin'ny
Israelita ny masony ka indreny ny Ejiptianina tamy manenjika azy, ary
ny Farao dia efa mby akaiky. Raiki-tahotra loatra ny Israelita ka
niantsoantso ny TOMPO 11sady niteny tamin'i Mosesy hoe:
–Moa tsy nisy fasana ve tany Ejipta no nentinao ho faty atỳ an-taniefitra izahay? Izao ve no namoahanao anay hiala tany Ejipta? 12Moa
tsy izao zavatra izao ve no efa nilazanay taminao tany Ejipta hoe:
«Avelao hilamina izahay hanompo ny Ejiptianina. Fa aleonay manompo ny
Ejiptianina toy izay ho faty any an-taniefitra».
13Fa namaly azy i Mosesy hoe:
–Aza
matahotra ianareo! Mahandrasa, fa ho hitanareo anio ny famonjena
hataon'ny TOMPO aminareo! Satria ny Ejiptianina izay hitanareo androany
dia tsy ho hitanareo intsony na oviana na oviana. 14Ny TOMPO no hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina fotsiny.