2Dia hoy ny TOMPO tamin'i Gidehôna:
–Maro
loatra ny tafika miaraka aminao ka tsy hatolotro eo an-tanany ny
Midianita, fandrao hirehareha amiko ny Israelita ka hanao hoe: «Ny
herinay ihany no namonjy anay». 3Koa izao ankehitriny izao dia ambarao eo anatrehan'ny io tafika io hoe: «Aoka izay rehetra mangovitra noho ny tahotra mba hody any an-tranony!»
Dia nanaovan'i Gidehôna fifantenana ny tafiny; ka andiany roapolo tamin'ireo no niverina nody fa andiany folo sisa nijanona.
4Nefa hoy indray ny TOMPO tamin'i Gidehôna:
–Mbola
marobe ihany io tafika io, koa ampidino ho eo amoron-drano izy fa eo no
hifantenako ho anao. Holazaiko aminao tsirairay izay tokony handeha
hiaraka aminao sy izay tsy tokony handeha.
5Dia nampidinin'i Gidehôna hankeo amoron-drano ny tafiny; ary hoy ny TOMPO taminy:
–Izay rehetra milelaka ny rano amin'ny lelany toy ny fanaon'ny alika, dia avaho amin'ireo rehetra mandohalika hisotro kosa.
6Dia
nisy telonjato ny lehilahy nandraoka rano tamin'ny tanany ho amin'ny
vavany ka nilelaka azy, fa ny sisa rehetra kosa nandohalika hisotro. 7Ary hoy ny TOMPO tamin'i Gidehôna:
–Ireo
telonjato lahy izay nilelaka rano ireo no hamonjeko ny Israelita ka
hanolorako ny Midianita eo an-tananao. Ary ny amin'ireo sisa kosa dia
aoka samy hody any amin'ny fonenany avy izy!
8Koa
telonjato lahy ihany no notazonin'i Gidehôna hiaraka aminy fa ny
Israelita hafa rehetra nalefany hody any amin'ny fonenany avy; saingy
notazonina kosa ny vatsy sy ny trompetran'ireo nandeha.
Ny tobin'ny Midianita dia terỳ ambany kokoa tao amin'ny lemaka.