«Tamin'ny fotoana mety,
dia namaly ny antsonao Aho;
ary tamin'ny androm-pamonjena,
dia tonga namonjy anao Aho.»
Indro ankehitriny no fotoana mety amin'Andriamanitra; indro ankehitriny no androm-pamonjena.
3Mba
tsy hahazoan'ny olona manakiana ny fanompoana sahaninay, dia tsy
avelanay hisy zavatra mahasolafaka ny olona, na amin'inona na
amin'inona. 4Fa
ahariharinay kosa amin'ny zavatra rehetra fa mpanompon'Andriamanitra
izahay, ka dia zakainay amim-pandeferana tokoa ny fahoriana sy ny
fahaterena ary ny tebiteby: 5nokapohina izahay, nahiboka am-ponja, nianjadian-korontana, nampanaovina asa mafy, niari-tory ary nifady hanina. 6Ahariharinay
fa mpanompon'Andriamanitra izahay amin'ny fahadiovan'ny toetranay,
amin'ny fahalalànay, amin'ny faharetanay, amin'ny hamoram-ponay, amin'ny
Fanahy Masina manentana anay, amin'ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy
asehonay, 7amin'ny
fitorianay ny marina ary amin'ny hery omen'Andriamanitra anay. Izay
rariny no fiadiana ampiasainay hanafihana sy hiarovan-tena, 8na
omem-boninahitra izahay na alàm-baràka, na ratsy laza izahay na tsara
laza. Atao ho mpamitaka izahay nefa mpanambara ny marina, 9atao ho tsy fantatra nefa fantatra tsara, atao ho efa maty nefa dia izao velona izao. Faizina izahay, nefa tsy vonoina ho faty; 10na
dia ampalahelovina aza izahay, dia faly mandrakariva; toa mahantra
izahay nefa mampanan-karena olona maro; toa tsy manana na inona na
inona, nefa manana ny zavatra rehetra.