lundi 17 février 2014
Alatsinainy 17 Febroary 2014 - Lio 6 : 46 - 49
46–Ahoana no iantsoanareo Ahy hoe: «Tompo ô! Tompo ô!» nefa tsy tanterahinareo akory izay lazaiko? 47Izay rehetra manatona Ahy ka mihaino ny teniko sady manatanteraka, dia hasehoko anareo ny mety hampitahana azy: 48tahaka
ny olona manorin-trano ka nihady lalina ary nandatsaka ny fototra
am-batolampy; nony tondraka ny rano, dia notonafan'ny riaka ilay trano
nefa tsy nihontsona noho izy tsara orina. 49Fa
izay mihaino ihany kosa nefa tsy manatanteraka, dia tahaka ny olona
manorin-trano amin'izao tsy misy fototra; raha vao notonafan'ny riaka
ilay trano, dia nirodana avy hatrany ka rava tanteraka.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...