41Tsy hoe voninahitra avy amin'olombelona no tadiaviko; 42saingy fantatro ianareo, fa tsy manana ny fitiavana an'Andriamanitra ao anatinareo. 43Raha
Izaho dia tamin'ny anaran'ny Raiko no nahatongavako, nefa tsy
raisinareo; raha misy hafa ka tamin'ny anaran'ny tenany no
nahatongavany, dia horaisinareo. 44Aminareo
samy ianareo no itadiavanareo voninahitra fa ny voninahitra avy
amin'Andriamanitra Tokana tsy tadiavinareo, ka hataonareo ahoana no
fino? 45Aza heverinareo fa Izaho no hiampanga anareo eo anatrehan'ny Ray; ao ny hiampanga anareo, dia i Mosesy izay nitokianareo! 46Eny, raha mba mino an'i Mosesy ianareo, dia ho nino Ahy koa, satria nanoratra nanambara Ahy izy. 47Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ireo teniko?
dimanche 9 février 2014
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...