jeudi 27 février 2014
Alakamisy 27 Febroary 2014 - Eze 36 : 22 - 30
22Koa
ambarao amin'ny Israelita fa izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY:
Izay hataoko, ry Israelita, dia tsy noho ny aminareo no hanaovako azy,
fa mba hanajana ny anarako masina izay nozimbazimbainareo tany amin'ny
firenena izay nalehanareo. 23Nefa
na dia nanimbazimba Ahy teo imason'ireny aza ianareo, dia hasehoko azy
kosa fa Andriamanitra lehibe sy masina Aho, ary ianareo no hampiasaiko
hanehoako izany. Amin'izay dia hoeken'ireo fa Izaho no TOMPO; teny
hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany. 24«Fa
halaiko avy any amin'ny firenen-kafa ianareo ary hangoniko avy any
amin'ny tany rehetra any, dia haveriko ao an-tanindrazanareo. 25Hofafazako
rano madio ianareo, dia hadio; eny, hodioviko ho afaka amin'ny
fahalotoanareo rehetra sy ny fanompoan-tsampinareo rehetra ianareo. 26Homeko
fo vaovao ianareo ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo. Hoesoriko
aminareo ny fo tsy miraika toy ny vato ka hosoloiko fo mora anarina. 27Ny
Fanahiko mihitsy no hapetrako ao anatinareo, ka hataoko manaraka ny
lalànako ianareo, ary hitandrina sy hanatanteraka ny fitsipiko. 28Dia honenanareo ny tany izay nomeko ny razanareo; ka ho vahoakako ianareo ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo. 29Hovonjeko
ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo. Tsy handefasako mosary
intsony ianareo fa hampaniriako sady hataoko vokatra be ny varinareo. 30Hataoko
vokatra koa ny hazo fihinam-boa sy ny voly eny an-tsaha, ka tsy ho
voalatsan'ny hafa firenena amin'ny mosary intsony ianareo.
-
1Miderà ny TOMPO, ry firenena rehetra; Mihobia Azy, ry vahoaka rehetra117.1 Voatsiahy ao amin’ny Rm 15.11 ity and ity.. 2Fa lehibe tokoa ny...
-
7Dia hoy i Natàna tamin’i Davida: –Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Izaho no nanosotra anao h...