17Fotoana vitsy taorian'izany, dia narary ny zanak'ilay vehivavy mpitondratena nampiantrano ny mpaminany. Mafy loatra anefa ny aretiny ka niafara tamin'ny fahafatesany izany.
18Dia hoy ravehivavy tamin'i Elià:
–Ry olon'Andriamanitra, nahoana no nanao izao tamiko ianao? Moa hampahatsiaro ny fahotako sy hahafaty ny zanako lahy ve no nahatongavanao tatỳ amiko?
19Hoy kosa i Elià namaly azy:
–Omeo ahy ny zanakao.
Dia nalainy teny an-tsandrin-dravehivavy izy ka nentiny tany an'efitra ambony izay nitoerany ary nampandriny teo am-parafarany.
20Dia nivavaka tamin'ny TOMPO izy ka nanao hoe:
–Ry TOMPO Andriamanitro ô, ity mpitondratena ity mba nampiantrano ahy, koa sitrakao ve ny hampahory azy amin'ny fahafatesan-janany?
21Dia niampatra intelo teo amin'ny zaza izy sady nitalaho mafy tamin'ny TOMPO hoe:
–Ry TOMPO Andriamanitro ô, mitalaho aminao aho mba hamelomanao indray ity zaza ity.
22Nohenoin'ny TOMPO ny vavak'i Elià, dia niverina taminy indray ny ain'ny zaza ka velona soa aman-tsara izy.
23Dia noraisin'i Elià ny zaza ka nentiny nidina ho ao amin'ny efitra ambany ary natolony an-dreniny sady nataony hoe:
–Indro fa velona ny zanakao!
24Ary hoy ravehivavy tamin'i Elià:
–Fantatro izao fa olon'Andriamanitra tokoa ianao ary miteny amin'ny alalanao marina ny TOMPO.