16Tsy àry nanaiky ny Vaovao Mahafaly avokoa anefa ny olona rehetra, fa hoy i Isaià hoe: «Tompo ô, iza no nino ny hafatra nambaranay?» 17Koa ny finoana dia vokatry ny hafatra ambara; ary ny hafatra ambara dia ny teny momba an'i Kristy. 18Kanefa manontany aho hoe: Sao tsy nandre ny hafatra ny olona? Nandre tokoa izy rehetra, fa izao no tenin'ny Soratra Masina:
«Lasa nanerana ny tany tontolo ny feon'ireo mpitory,
ary nipaka hatrany amin'ny faran'ny tany ny teniny!»
19Dia mbola nanontany aho hoe: Sao tsy azon'ny vahoaka Israely* ny filazana? Valin'izany, dia i Mosesy aloha no milaza hoe:
«Hataoko velom-pialonana an'izay tsy firenena ianareo,
hoy Andriamanitra;
ary hataoko mirehi-pahatezerana amin'izay firenena tsy manan-tsaina!»
20Fa i Isaià aza dia sahy milaza hoe:
«Nanaiky ho hitan'izay tsy nitady Ahy Aho,
hoy Andriamanitra,
ary niseho niharihary tamin'izay tsy nanontany Ahy.»
21Ny amin'i Israely kosa dia hoy i Isaià hoe:
«Tontolo andro no nanolorako tanana
izay vahoaka sady tsy manaiky no mikomy.»