4-5Izao no hafatra nampitain'ny TOMPO tamin'i Jeremià ho an'i Israely ary koa ho an'i Joda; eny, izao no lazain'ny TOMPO:
«Kiakiaka mahatsiravina no re,
horohoro tsy misy mampitony.
6Anontanio ka jereo
raha misy lehilahy mihetsi-jaza.
Ahoana àry Aho no mahita
ny lehilahy rehetra mitan-kibo
toy ny vehivavy mihetsi-jaza,
ka hatsatra sy mivaloharika avokoa?
7Loza ity! fa andro mampahatahotra,
andro tsy misy toa azy;
vanim-potoana mahory
ho an'ny taranak'i Jakôba!
Nefa ho afaka amin'izany ihany izy.»
8«Rehefa tonga izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn'izao rehetra izao, dia hopotehiko ny zioga* mitambesatra eny am-bozony ary hotapahiko ny fatorany. Tsy hanompo ny vahiny intsony izy, 9fa hanompo Ahy TOMPO Andriamaniny sy hanompo an'i Davida izay hatsangako ho mpanjakany indray.»
10«Koa aza matahotra ianareo,
ry taranak'i Jakôba mpanompoko,
hoy ny teny hentitry ny TOMPO;
aza kivy ianao, ry firenena Israely,
fa indro Aho hamonjy anao
avy any amin'ny faritany lavitra any;
indro Aho hamonjy ireo taranakareo
avy any amin'ny tany izay nahababo azy.
Hiverina ianareo, ry taranak'i Jakôba,
ka hiadana sy handry feizay
fa tsy hisy hanaitaitra intsony.
11Fa miaraka aminareo Aho,
mba hamonjy anareo;
teny hentitry avy amiko TOMPO izany.
Hofongorako ny firenen-kafa rehetra
izay nanelezako anareo;
ianareo kosa tsy mba hofongorako,
na dia tsy maintsy faiziko
araka ny hitsiny ihany aza
fa tsy havelako ho afa-maina.»