5Jereo fa mahery Andriamanitra
kanefa tsy mba manambany olona;
eny, mahery tokoa Izy
ka hentitra amin’ny fanapahan-keviny.
6Tsy mamela ny olon-dratsy ho ela velona Izy
fa manome rariny kosa ny mahantra.
7Miahy ny olo-marina mandrakariva Izy
ka manandratra voninahitra azy
sy mampaharitra azy eo amin’ny fitondrana
toy ny mpanjaka eo amin’ny sezafiandrianany.
8Fa raha olo-marina no voagadra rojo vy
sady voagejam-pahoriana,
9dia ny asany no ambaran’Andriamanitra azy:
manota ireo, satria niavonavona.
10Dia manokatra sofina azy Andriamanitra
mba hihaino ny fananarany
ka mandidy azy hiala amin’ny ratsy.
11Raha mety mihaino an’Andriamanitra izy,
dia amin’ny fahasambarana sy ny hamamiana
no handaniany ny androny sy ny taonany.
12Fa raha tsy mety mihaino kosa izy,
dia ho faty hiharan-tsabatra
noho izy tsy manam-pahalalana akory.
13Fa ny ratsy fanahy dia tezitra aminy
ka tsy mahataraina na dia gadrainy aza.
14Koa dia maty tanora sy ratsy fiafara ireo
toy ny olona iharan’ny fahafaham-baràka.
15Fa ny fahorian’ny ory kosa
no entin’Andriamanitra mamonjy azy,
ary ny loza mianjady aminy no entiny mampianatra azy.