mardi 24 décembre 2019
Talata 24 Desambra 2019 - Mal 2 : 5 - 8
5Ny fanekempihavanako taminy dia ahazoany fiainana sy fiadanana. Nomeko azy izany mba hanajany Ahy; ka dia nanaja Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Marina ny fampianarana nomeny ary tsy nisy fitaka teo amin’ny molony. Tamim-pahatoniana sy tamim-pahitsiana no niarahany tamiko ka nandreseny lahatra olona marobe hiala amin’ny faharatsiana. 7Fa andraikitry ny mpisorona ny mampianatra ny olona hahalala Ahy Andriamanitra TOMPOn’izao rehetra izao; ny mpisorona no anontaniana ny fitsipika tokony hampiharina, satria mpitondrateniko izy. 8Fa ankehitriny efa nivily lalana ianareo mpisorona, ka nahasolafaka olona maro tamin’ny fampianaranareo. Noravanareo noho izany koa ny fanekempihavanako taminareo, hoy Izaho Tompon’izao rehetra izao.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...