vendredi 27 décembre 2019
Zoma 27 Desambra 2019 - Efe 2 : 14 - 18
14Satria i Kristy mihitsy no nampihavana antsika roa tonta, ka nahatonga ny Jiosy sy ny hafa firenena ho iray; fa tamin’ny nanoloran’i Kristy ny tenany, dia narodany ny rindrina izay nampisaraka antsika sy nahatonga antsika hifankahala. 15Nofoanan’i Kristy ny lalàna jiosy mbamin’ny didy amam-pitsipiny mba hampiraisany antsika roa tonta amin’ny tenany ka hanaovany antsika ho olom-baovao tokana: toy izany no ahavitan’i Kristy fampihavanana. 16Ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana dia nanafoana ny fifankahalana, ka nanambatra antsika roa tonta ho tena iray ihany sady nampihavana antsika tamin’Andriamanitra. 17Izany no nahatongavan’i Kristy nitory Vaovao Mahafaly fampihavanana taminareo hafa firenena izay lavitra an’Andriamanitra sy taminay Jiosy izay akaiky Azy. 18Koa dia amin’ny alalan’i Kristy no ahazoantsika roa tonta manatona an’Andriamanitra Ray noho ny asan’ny Fanahy Masina iray ihany.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...