18Dia nantsoin-dry zareo i Petera sy i Jôhany, ka norarany tsy hiteny na hampianatra amin’ny anaran’i Jesoa intsony.
19Saingy hoy izy roa lahy taminy:
–Tsarao raha rariny eo imason’Andriamanitra ny manaiky anareo toy izay manaiky an’Andriamanitra; 20raha izahay, tsy azonay atao ny tsy hiteny momba izay efa hitanay sy renay.
21Norahonan’ireto manampahefana indray i Petera sy i Jôhany vao nalefany. Tsy nahita izay hampiharana sazy ry zareo satria ny vahoaka efa samy nanome voninahitra an’Andriamanitra noho ny zava-nitranga teo. 22Fa mihoatra ny efapolo taona ralehilahy nanaovana izany famantarana nahasitrana azy izany.
23Vantany vao afaka izy roa lahy, dia namonjy ireo namany ka nitantara izay rehetra voalazan’ny lohandoha-mpisorona sy ny loholona.
24Nony nandre izany ireo mpino, dia indray nientana nanandratra tonom-bavaka tamin’Andriamanitra hoe:
–Tompo ô, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra eo aminy; 25ary tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina no nampitenenanao an’i Davida razanay sady mpanomponao hoe:
«Nahoana no mihotakotaka ny firenena?
Nahoana no mioko foana ny vahoaka?
26Nivonon-kiady ny mpanjakan’ny tany,
ary nivondrona ny manampahefana
mba hanohitra ny Tompo sy ilay Mesiany.»
27Marina tokoa fa i Herôda sy i Pônty Pilato, niaraka tamin’ny olona hafa firenena sy ny vahoaka israelita, dia nivondrona teto amin’ity tanàna ity mba hanohitra an’i Jesoa Mpanomponao masina, Izay natokanao ho Mesia. 28Notanterahin’izy ireo izay efa notendrenao rahateo tamin’ny herinao sy ny fikasanao. 29Tompo ô, hitanao ankehitriny ny fandrahonany, koa omeo anay mpanomponao ny hery hitoriana ny teninao amim-pahasahiana tokoa; 30ahinjiro ny tananao hahasitrana ary hahatontosa famantarana sy zava-mahagaga amin’ny anaran’i Jesoa ilay Mpanomponao masina.
31Rehefa avy nivavaka ireo mpino, dia nihovitrovitra ny trano niangonany ary feno Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamim-pahasahiana.