33Ny Midianita rehetra mbamin’ny Hamalekita ary ny mpifindrafindra lasy avy any atsinanana dia nivondrona ka niampita an’i Jôrdàna ary nanorina ny tobiny tao amin’ny lemak’i Jizrehela. 34Fa notsindrian’ny Fanahin’ny TOMPO i Gidehôna, dia nitsoka trompetra mba hiantso ny vatan-dehilahy tao amin’ny tarika abihezerita hanaraka azy. 35Nandefa iraka tany amin’ny faritany manasita manontolo koa izy mba hiantso ny vatan-dehilahy any hanaraka azy. Mbola nandefa iraka tany amin’ny foko aserita sy i zebolonita ary naftalita koa izy ka tonga nanaraka azy ny vatan-dehilahy tamin’ireny.
36Dia hoy i Gidehôna tamin’Andriamanitra:
–Raha sitrakao tokoa ny hamonjy ny Israelita amin’ny alalan’ny tanako araka izay efa voalazanao, 37dia indro havelatro eo am-pamoloana ny volon’ondry; ka raha ny volon’ondry ihany no lenan’ny ando, fa ny tany manodidina azy kosa ho maina avokoa, dia ho fantatro fa ny tanako tokoa no hamonjenao an’i Israely, araka izay efa nambaranao.
38Dia tanteraka tokoa araka izany; fa raha nifoha maraina i Gidehôna ny ampitso ka nofiazany ny volon’ondry, dia nisy ranon’ando tokony hahafeno kaopy iray. 39Ary hoy indray izy tamin’Andriamanitra:
–Aoka mba tsy hirehi-pahatezerana amiko Ianao raha mbola angatahiko zavatra indray mandeha! Te hahazo porofo farany ny amin’ny volon’ondry aho: ka amin’ity indray mandeha ity dia aoka ny volon’ondry ihany no ho maina, fa ny tany manodidina azy kosa ho lenan’ny ando avokoa.
40Tamin’iny alina iny ihany dia notanterahin’Andriamanitra izany ka ny volon’ondry ihany no maina fa ny tany nanodidina azy kosa dia lenan’ny ando avokoa.