1Izao no fanambaràna farany nataon’i Davida:
Teny hentitr’i Davida, zanakalahin’i Jisay,
dia teny hentitry ny lehilahy
izay voafidin’ilay Andriamanitr’i Jakôba
mba ho voasandratra ho mpanjaka
sady voahasohason’ireo hiran’i Israely:
2Ny Fanahin’ny TOMPO no mampiteny ahy
sy mametraka ao am-bavako ny teniny.
3Ny Andriamanitr’i Israely sady mpiaro azy
no efa niteny ka nanao tamiko hoe:
«Ny mpanjaka izay mifehy ny olona amim-pahamarinana
sy mitondra azy amim-panajana an’Andriamanitra
4dia toy ny fahazavan’ny maraina
raha miposaka ny masoandro
amin’iny maraina tsy misy rahona iny.
Ny tarany mafana mandimby ny orana
no mampaniry ny ahitra amin’ny tany.»
5Toy izany indrindra ny fianakaviako
eo anoloan’Andriamanitra;
fa fanekempihavanana maharitra mandrakizay
no nataon’Andriamanitra tamiko,
dia fanekempihavanana mirindra
sy voatandro amin’ny lafiny rehetra.
Ny fandresena sy ny zava-tsoa azoko
dia Izy no ipoiran’ireny rehetra ireny.
6Fa ny olom-poana rehetra kosa
dia tahaka ny tsilo fanary
ka tsy mba fandrain-tanana.
7Izay te hikasika azy
dia tsy maintsy mirongo
faraingo vy na zaran-defona;
ary ireny tsilo ireny dia dorana amin’ny afo
eo amin’ny toerana itobiany eo ihany.