1Mbola nanohy ny teniny ihany i Jôba ka nanao hoe:
2Velona Andriamanitra Izay tsy manome rariny ahy,
velona ilay Tsitoha Izay mameno ahy fahoriana mangidy
ka manao izao fianianana izao aho:
3raha mbola misy koa aina kely ato amiko
ary eo am-bavoroko ny fofonain’Andriamanitra,
4dia tsy hiteny fitaka ny molotro
ary tsy hilaza lainga ny lelako.
5Sanatria amiko ny hihevitra
fa manana ny marina ianareo!
Hizingiziniko mandra-pahafatiko kosa
fa tsy manan-tsiny ny tenako.
6Hazoniko mafy ny fahamarinako
ka tsy havelako hiala:
Mandry ny eritreritro
ka tsy misy hampahamenatra ahy akory
na dia ny amin’ny androko iray monja aza.
7Ny anjaran’ny ratsy fanahy anie
no ho an’ny fahavaloko!
Ary ny anjaran’ny olon-dratsy kosa
no ho an’ny mpifanandrina amiko!
8Fa hanantena inona ireo tsy mivavaka,
raha esorin’Andriamanitra ny ainy?
9Hihaino ny fitarainany ve Andriamanitra
raha sendra zoim-pahoriana izy?
10Raha mba nahita fahafinaretana
teo anilan’ilay Tsitoha izy,
dia ho niantso an’Andriamanitra mandrakariva.