1Ho toy ny afo mampirehitra kitay rantsan-kazo
na mampangotraka rano anie Ianao;
ka ho fantatry ny fahavalonao ny lazanao
ary hangovitra eo anatrehanao ny firenen-kafa,
2rehefa nanao zava-mahatahotra
izay tsy nampoizinay akory Ianao.
Eny, hidina tokoa Ianao, Tompo ô,
ka hihorohoro eo anatrehanao ny tendrombohitra.
3Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola henon’ny olona
na ren’ny sofiny na hitan’ny masony
izay Andriamanitra hafa noho Ianao
nahavita izany tamin’izay matoky Azy.
4Mitsena izay mifaly hanao ny marina Ianao,
dia izay mihevitra hanaraka ny lalanao;
koa raha tezitra Ianao, dia satria nanota izahay.
Nefa ho voavonjy ihany izahay,
rehefa ho voakosokao tanteraka ny otanay.
5Samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra,
ary tahaka ny lamba mihosin-dra
ny asa soa rehetra mba vitanay.
Paohin’ny helokay izahay rehetra
toy ny ravin-kazo maina paohin’ny tadio.
6Tsy nisy niantso ny anaranao intsony
na nahatsiaro hifikitra aminao,
satria nandà ny hijery anay Ianao
ary namela anay handevozin’ny helokay.
7Na dia izany aza anefa, TOMPO ô, Ianao no Rainay;
tanimanga izahay, fa Ianao no mpanefy
ary asan’ny tananao izahay rehetra.
8TOMPO ô, aza vinitra loatra aminay
ary aza tsarovana hatrany ny helokay;
mba tsinjovy re izahay vahoakanao rehetra.
9Tonga aolo ireo tanànanao masina,
tonga taniefitra i Tsiôna
ary tonga lao i Jerosalema.
10Ny tempoly masina sady mamirapiratra
izay nanaovan’ny razanay hira fiderana Anao
dia kilan’ny afo,
ary ny zava-drehetra maminay indrindra
dia rava avokoa.
11Eo anoloan’ireo fahavoazana rehetra ireo,
dia tsy hiraika aminay ve Ianao, TOMPO ô?
Mbola hangina ihany ve Ianao
ka hampahory anay mafy loatra?