14Ry havako, inona moa no soa azon’ny olona milaza azy ho manam-pinoana, raha tsy miseho amin’ny asa izany? Mahavonjy azy ve izany finoana izany? 15Raha tàhiny misy havana iray finoana tsy manan-kitafy sady tsy ampy sakafo, 16dia inona moa no soa azonareo milaza aminy hoe: «Veloma finaritra, manaova mafana tsara, manaova voky tsara», raha tsy mba omenareo azy izay ilain’ny tenany? 17Toy izany kosa àry ny finoana: raha misy tsy miseho amin’ny asa, dia maty mihitsy.
18Nefa raha misy manao hoe: «Ny anao finoana, fa ny ahy asa», dia hovaliako hoe: «Asehoy ahy izay finoanao tsy ombàn’asa, fa hasehoko anao amin’ny asa kosa ny finoako.» 19Inoanao ve fa misy Andriamanitra tokana? Tsara ny ataonao. Mba mino izany koa anefa ireo demony ka mangovitra. 20Ry adala, tianao ve ny hahafantatra fa tsy vanona ny finoana tsy ombàn’asa? 21Ahoana moa no nahazoan’i Abrahama razantsika ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra? Noho ny asa nataon’i Abrahama, fony izy nanolotra an’i Itsehàka zanany lahy teo ambonin’ny alitara. 22Hitanao fa indray mientana ny azy ny finoana sy ny asa; ary tonga lavorary ny finoan’i Abrahama noho ny asa nombàny azy. 23Koa tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: ‹Nino an’Andriamanitra i Abrahama, ka nankatoavan’Andriamanitra azy ho marina izany; ary dia nantsoin’Andriamanitra hoe sakaizany izy». 24Hitanareo àry fa nahazo ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra ny olona, noho ny asa fa tsy noho ny finoana fotsiny ihany.
25Toy izay koa i Rahaba vehivavy janga: nahazo ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra izy noho ny asa nataony, fony izy nampiantrano ireo iraka israelita ary nampandeha azy tamin’ny lalan-kafa. 26Eny, maty ny vatantena raha tsy misy fofonaina, ary maty toy izany koa ny finoana raha tsy ombàn’asa.