1Nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nohatonin’ny mpianany. 2Dia niteny i Jesoa ka nampianatra azy rehetra hoe:
Ny hasambarana azo antoka
(Jereo Lk 6.20-23)
3–Sambatra izay miaiky ao am-po ho mahantra,
fa azy ny Fanjakàn’ny lanitra!
4Sambatra izay mitomany,
fa izy no hampiononin’Andriamanitra!
5Sambatra izay malemy fanahy,
fa izy no handova ny tany
nampanantenain’Andriamanitra!
6Sambatra izay maniry mafy hanao ny marina
nosoritan’Andriamanitra,
fa izy no homen’Andriamanitra fahafaham-po!
7Sambatra izay mamindra fo,
fa izy no hamindran’Andriamanitra fo!
8Sambatra izay mahitsy fo,
fa izy no hahita an’Andriamanitra!
9Sambatra izay mpampihavana,
fa izy no hantsoin’Andriamanitra hoe zanany!
10Sambatra izay enjehina noho izy manao ny marina
nosoritan’Andriamanitra,
fa azy ny Fanjakàn’ny lanitra!
11Sambatra ianareo raha tevatevain’ny olona sy enjehiny ary ampangaina lainga amin’ny ratsy isan-karazany noho ny maha mpianatro anareo. 12Mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoa miandry anareo any an-danitra, satria toy izany no nanenjehany ireo mpaminanin’Andriamanitra talohanareo!