10Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO Andriamaniny i Asà ka nanao hoe:
–TOMPO ô, tsy misy afa-tsy Ianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian’ny matanjaka izy; ka vonjeo izahay, ry TOMPO Andriamanitray ô, fa Ianao no iankinanay ary ny anaranao no irosoanay hiady amin’ity tafika goavana ity. TOMPO ô, Ianao no Andriamanitray, ka aza avela hisy olombelona haharesy Anao.
11Dia noresen’ny TOMPO teo anoloan’i Asà sy ny miaramila jodeanina ireo Etiôpianina ka nandositra 12ary nenjehin’i Asà sy ny tafiny hatrany Gerara. Ary nahafatesana be tokoa ny Etiôpianina sady tsy nisy afa-nitsoaka akory aza, satria montsana teo anoloan’ny TOMPO sy ny tafika nombany. Babo betsaka no azon’ny Jodeanina tamin’izay. 13Nasian’ny tafik’i Asà koa ny tanàna rehetra manodidina an’i Gerara, satria nataon’ny TOMPO voagejan’ny horohoro ireo; dia norobain’ny tafik’i Asà avokoa ny tanàna, ka nahazoany babo betsaka. 14Nasiany koa ny vala fitobian’ny biby fiompy, ka namaboany ondry aman’osy marobe sy rameva. Avy eo dia niverina ho any Jerosalema i Asà sy ny tafiny.