18Ary nisy manampahefana jiosy nanontany an’i Jesoa hoe:
–Ry Mpampianatra tapitra ohatra ô, inona no tokony hataoko hananako anjara amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay?
19Dia hoy i Jesoa taminy:
–Nahoana Aho no ataonao hoe tapitra ohatra? Tsy misy tapitra ohatra afa-tsy Andriamanitra irery ihany. 20Fantatrao ny didy hoe: «Aza maka vadin’olona; aza mamono olona; aza mangalatra; aza manao vavolombelona tsy marina; hajao ny rainao sy ny reninao!»
21Dia hoy ilay manampahefana hoe:
–Izany rehetra izany dia efa voatandriko hatramin’ny fahatanorako!
22Nandre izany i Jesoa ka nanao taminy hoe:
–Zavatra iray no mbola tsy ampy aminao: amidio avokoa ny fanananao rehetra ka zarao amin’ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia avia hiaraka amiko!
23Vao nandre izany kosa ralehilahy, dia nanjary nalahelo erỳ, satria tena mpanankarena izy. 24Ary nahita azy nalahelo toy izany i Jesoa ka nanao hoe:
–Sarotra mihitsy amin’ny mpanankarena ny miditra ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra. 25Eny, moramora kokoa ny idiran’ny rameva amin’ny vodifanjaikely noho ny idiran’ny mpanankarena ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.
26Dia hoy ny olona nandre izany:
–Koa iza àry no mety ho voavonjy?
27Fa novalian’i Jesoa hoe:
–Ny tsy vitan’olombelona, vitan’Andriamanitra.
28Hoy kosa i Petera:
–Jereo ange! Izahay dia efa nahafoy izay mba anay ka niaraka taminao!
29Dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:
–Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona nahafoy trano na vady na mpiray tampo na ray aman-dreny na zanaka noho ny Fanjakàn’Andriamanitra 30ka tsy hahazo be lavitra amin’izao etỳ izao, ary ny fiaina-maharitra mandrakizay amin’ny andro ho avy.