51Olona mafy hatoka, mpikomy sady mpanetsin-tadîny ianareo! Toherinareo lalandava ny Fanahy Masina; dia ny razanareo navela mihitsy ianareo. 52Iza moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo? Novonoiny hatramin’ireo mpanambara ny hahatongavan’ilay Marina aza: ary ankehitriny dia ianareo mihitsy no nanjary mpamadika sy mpamono ilay Marina. 53Nandray ny lalànan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny anjely ianareo, kanefa tsy nitandrina azy.
54Nony nandre izany teny izany ry zareo tao amin’ny Fitsarana ambony, dia nisafoaka mafy ary nihidy vazana tamin’i Stefàna. 55Feno Fanahy Masina kosa i Stefàna ka nibanjina ny lanitra, nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy i Jesoa teo ankavanan’Andriamanitra, 56ary niteny hoe:
–Indro hitako izao ny lanitra misokatra sy ilay Zanak’olona mijoro eo ankavanan’Andriamanitra.
57Dia nihoraka ireo tao amin’ny Fitsarana ambony sady vao mainka nanentsin-tadîny. Ary indray niantoraka teny amin’i Stefàna izy rehetra, 58ka nitarika azy tany ivelan’ny tanàna sy nitora-bato azy. Ary ny vavolombelona dia nametra-damba teo an-tongotr’izay tovolahy antsoina hoe Saoly izay. 59Raha nitora-bato azy ny olona, i Stefàna kosa niantso ny Tompo nanao hoe:
–Ry Jesoa Tompo ô, raiso ny fanahiko!
60Dia nandohalika izy ka niteny mafy hoe:
–Tompo ô, aza tananao hahadiso azy ireo izao heloka izao!
Avy nilaza izany izy, dia nodimandry.
1Ary i Saoly nankasitraka ny namonoana an’i Stefàna.