Affichage des articles dont le libellé est Miasà amin'ny fahatahoranana an'Andriamanitra. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Miasà amin'ny fahatahoranana an'Andriamanitra. Afficher tous les articles

mercredi 30 septembre 2020

Alarobia 30 Septambra 2020 - Oha 9 : 7 - 12

 7Izay mananatra ny mpaniratsira dia hahazo fanarabiana;

ary izay manaraka ny olon-dratsy dia ho afa-baràka.

8Aza mananatra ny mpaniratsira, fandrao hankahalainy ianao;

fa ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.

9Manomeza ho an’ny hendry, dia hihahendry izy;

ampianaro ny olo-marina, dia hitombo traikefa izy.

10Ny fanajana ny TOMPO no loharanom-pahendrena9.10 Jereo 1.7 sy nta..

Ny fahalalana Ilay Masina no tena fahaiza-manavaka.

11Eny, izaho Fahendrena no mahamaro ny andronao

sy mampahalava ny taona hiainanao9.11 Jereo 3.18 sy nta..

12Raha hendry ianao, dia tombontsoa ho anao izany.

Fa raha miavonavona kosa ianao,

dia ianao ihany no hilanja ny vokany.

mardi 29 septembre 2020

Talata 29 Septambra 2020 - Oha 16 : 1 - 7

 1Fikasana no an’ny olombelona 

fa an’ny TOMPO kosa ny teny farany.

2Ny olona mihevitra ny ataony ho mety avokoa;

fa ny TOMPO no mitsara ny toe-panahy manesika azy.

3Ankino amin’ny TOMPO ny asanao,

dia ho tanteraka izay kasainao.

4Samy misy antony avokoa

ny zava-drehetra nataon’ny TOMPO;

ka na dia ny ratsy fanahy aza

dia nataony ho amin’ny androm-pamaizana.

5Halan’ny TOMPO ny olona miavona;

azo antoka fa hofaiziny ireny.

6Manafa-keloka ny fitiavana sy ny toetra mahatoky;

ary ny fanajana ny TOMPO no ialana amin’ny ratsy.

7Rehefa sitraky ny TOMPO ny fitondrantenan’ny olona,

na dia ny fahavalony aza ampihavaniny aminy.

lundi 28 septembre 2020

Alatsinainy 28 Septambra 2020 - Efe 5 : 8 - 21

 8Tao amin’ny haizina ianareo fahiny, fa ao amin’ny fahazavana kosa ankehitriny5.8 Ampit Is 60.1-3., noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Koa manaova fitondrantena tahaka ny olona ao amin’ny fahazavana, 9satria ny fahazavana5.9 ny fahazavana: misy stf sasany ahitana hoe ny Fanahy Masina (ampit Gal 5.22). dia mamokatra ny soa sy ny rariny ary ny hitsiny isan-karazany. 10Miezaha mamantatra izay ankasitrahin’ny Tompo. 11Aza miombona amin’ny asa tsy mahavoka-tsoa ataon’ireo olona ao anatin’ny haizina5.11 Ampit Rm 13.12., fa aleo aseho ny tena toetr’ireny asa ireny; 12(satria mahamenatra na dia ny hilaza izay ataon-dry zareo ao amin’ny miafina aza). 13Fa rehefa asehon’ny fahazavana kosa ny tena toetry ny zavatra rehetra, dia hiharihary avokoa; 14eny, izay rehetra miharihary dia tonga mazava. Izany no ilazana hoe:

«Mifohaza ianao izay matory,ary mitsangàna ho velona avy any amin’ny maty,dia hampahazava anao i Kristy5.14 Mifohaza...i Kristy: tsy fantatra izay loharanon’io rijan-teny io, kanefa mety ho andinin-kira kristianina..»

15Koa tandremo tsara ny fitondrantenanareo. Aza manao toy ny olona tsy misaina, fa aoka ho tahaka izay misaina. 16Hararaoty ny fotoana azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao andro izao. 17Aza miadaladala, fa mba fantaro izay sitraky ny Tompo hataonareo.

18Aza mimamo divay ianareo, satria fanaranam-po amin’ny ratsy no vokatr’izany; fa aoka ho feno ny Fanahy Masina. 19Manaova salamo sy hira ary antsa asesiky ny Fanahy Masina; antsa sy salamo no kaloy amin’ny fo tokoa ho an’ny Tompo5.19 Ampit Sal 33.1-3.. 20Misaora an’Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny olona rehetra5.20 noho ny olona rehetra: dkt hafa noho ny zavatra rehetra. amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.

21Aoka hifanoa ianareo noho ny fanajanareo an’i Kristy.

samedi 26 septembre 2020

Sabotsy 26 Septambra 2020 - Jer 32 : 36 - 41

 36Ankehitriny anefa, na eo aza izany, Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely dia mbola manan-teny momba ity tanàna ity izay voalazanao sy voalazan’ny hafa hoe natolotra teo an-tanan’i Nebokadnetsara tamin’ny alalan’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana32.36 Jereo 14.12 sy nta.. 37Indro ny mponin’ity tanàna ity fa hangoniko avy any amin’ny tany samihafa izay nanelezako azy tamin-katezerana sy fahasosorana ary fahavinirana lehibe, ka hamponeniko indray amin’ity toerana ity ary hataoko miaina am-pilaminana eo. 38Dia ho vahoakako indray izy, ary Izaho ho Andriamaniny. 39Hataoko iray fo sy iray hevitra izy mba hanaja Ahy hatrany hatrany, hahasoa azy sy ny taranany mandimby azy. 40Hanao fanekempihavanana mandrakizay aminy Aho ka tsy hampitsahatra ny fanasoavako azy, ary hataoko ao am-pony ny fanajana Ahy mba tsy hialany amiko intsony. 41Hahafaly Ahy ny hanasoa azy, ka amin’ny foko sy fanahiko manontolo no hampiorenako azy tanteraka amin’ity tany ity.

vendredi 25 septembre 2020

Zoma 25 Septambra 2020 - I Tim 1 : 5 - 11

 5Ny kendren’izany fandrarana izany dia ny mba hamohafoha ny fitiavana avy amin’ny fo mahitsy sy fieritreretana tsara ary finoana tsy mihatsaravelatsihy. 6Misy sasantsasany efa nivaona tamin’izany, ka very lalana ary niafara any amin’ny taria poaka àty. 7Te ho mpampianatra momba ny lalànan’Andriamanitra ry zareo kanefa tsy fantany velively ny zavatra lazainy sy itompoany.

8Fantatsika fa tsara ny lalàna, raha ampiasaina amin’izay antony marina. 9Tokony hotsarovana fa ny lalàna dia tsy natao ho an’ny manao ny marina, fa ho an’ny mpandika lalàna sy ny maditra: dia ny olon-dratsy sy ny mpanota, ny olona mpaniratsira an’Andriamanitra sy mpanimbazimba fivavahana, ny mpamono ray sy mpamono reny, ny mpamono olona, 10ny mpijangajanga, ny mpifampila samy lehilahy, ny mpivarotra olona, ny mpandainga sy mpianian-tsy to, ary izay manao zavatra mifanohitra amin’ny fampianarana tsy misy tomika. 11Izany fampianarana izany dia mifanaraka amin’ny Vaovao Mahafaly izay nankinina tamiko, Vaovao Mahafaly isehoan’ny voninahitr’ilay Andriamanitra loharanom-pahasambarana1.11 Isehoan’ny... loharanom-pahasambarana na avy amin’ilay Andriamanitra be voninahitra sady loharanom-pahasambarana..

jeudi 24 septembre 2020

Alakamisy 24 Septambra 2020 - Mal 2 : 1 - 9

 1-2«Izao no fampitandremana ataon’ny TOMPOn’izao rehetra izao aminareo, ry mpisorona:

–Raha tsy mihaino Ahy sy tsy miezaka ny hanome voninahitra ny anarako amin’ny fonareo ianareo, dia halefako hamely anareo ny ozona. Fa hovako ho ozona ny fitahiana nampanantenaiko anareo; eny, hataoko izany satria tsy tamin’ny fonareo marina no nandraisanareo ny didiko. 3Efa mandrahona sahady ny taranakareo Aho; ianareo kosa hamafazako tain-droroha eny an-tavanareo, dia ny tain-drorohan’ireo biby nataonareo sorona tamin’ny andro fety; ary hoesorina miaraka aminy koa ianareo. 4Dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no efa nampitandrina anareo mba haharetan’ny fanekempihavanako amin’ny levita2.4 Ny fanekempihavanana tamin’ny levita dia tsy voalaza mazava na aiza na aiza ao amin’ny Testamenta Taloha na Fanekempihavanana Taloha. Ny mifanaraka amin’izany dia izao: ny taranak’i Levỳ irery ihany no afaka manao ny asan’ny mpisorona.. 5Ny fanekempihavanako taminy dia ahazoany fiainana sy fiadanana. Nomeko azy izany mba hanajany Ahy; ka dia nanaja Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Marina ny fampianarana nomeny ary tsy nisy fitaka teo amin’ny molony. Tamim-pahatoniana sy tamim-pahitsiana no niarahany tamiko ka nandreseny lahatra olona marobe hiala amin’ny faharatsiana. 7Fa andraikitry ny mpisorona ny mampianatra ny olona hahalala Ahy Andriamanitra TOMPOn’izao rehetra izao; ny mpisorona no anontaniana ny fitsipika tokony hampiharina2.7 Jereo Hag 2.11 sy nta., satria mpitondrateniko izy. 8Fa ankehitriny efa nivily lalana ianareo mpisorona, ka nahasolafaka olona maro tamin’ny fampianaranareo. Noravanareo noho izany koa ny fanekempihavanako taminareo, hoy Izaho Tompon’izao rehetra izao. 9Koa dia hampirisihiko ny vahoakan’i Israely rehetra haniratsira sy hanao tsinontsinona anareo, satria tsy nitandrina ny sori-dalako ianareo sady nizaha tavan’olona tamin’izay fanapahan-kevitrareo».

mercredi 23 septembre 2020

Alarobia 23 Septambra 2020 - Mpito 8 : 9 - 13

 9Efa voajeriko tsara avokoa izay rehetra miseho eto ambonin’ny tany; misy fotoana izay anjakazakan’ny olona amin’ny namany, ka ampahorìny azy. 10Hitako ny nandevenana olon-dratsy. Ireo olona ireo dia mpandeha ao an-Toeramasina; kanefa nohadinoina tao Jerosalema ny fitondrantenany. Zava-poana koa izany. 11Fa tsy tanterahina eo no ho eo akory ny famaliana ny ratsy atao; dia izany no ikirizan’ny olona hanao ratsy. 12Mety ho mpanao ratsy an-jatony ny mpanota iray, kanefa dia ela velona ihany. Fantatro kosa ny hoe: «Izay manaja an’Andriamanitra ihany no ho sambatra, dia ireo manaja Azy tokoa. 13Ny olon-dratsy kosa dia tsy ho sambatra. Hiserana toy ny aloka izy ary ho faty tanora satria tsy nanaja an’Andriamanitra8.13 And 12 sy 13: jereo Oha 10.27 sy nta..»

mardi 22 septembre 2020

Talata 22 Septambra 2020 - Oha 15 : 29 - 33

29Ny TOMPO manalavitra ny olon-dratsy,
fa mihaino kosa ny vavaky ny olo-marina.
30Ny endrika sariaka maharavo ny fo
ary ny vaovao mahafaly mamelombelona ny aina.
31Izay manongilan-tsofina hihaino anatra mahavonjy
no hiara-monina amin’ny olon-kendry.
32Izay mandà anatra manamavo ny tenany,
fa izay mihaino tsikera mahazo fahalalana.
33Ny fanajana ny TOMPO dia fananaram-pahendrena15.33 Jereo 1.7 sy nta.;
ary tokony hanetry tena alohan’ny hisondro-boninahitra.

lundi 21 septembre 2020

Alatsinainy 21 Septambra 2020 - Deo 10 : 12 - 22

 12Ary ankehitriny, ry Israelita, inona moa no andrandrain’ny TOMPO Andriamanitrareo aminareo, afa-tsy ny hanajanareo AZY sy ny hizoranareo amin’ny lalana rehetra soritany ary ny hitiavanareo sy hanompoanareo AZY amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo. 13Andrandrain’ny TOMPO aminareo ny hitandremanareo ny didy aman-dalàny, izay ampitaiko aminareo anio mba hahasambatra anareo. 14Indro fa an’ny TOMPO Andriamanitrareo ny lanitra midadasika ary ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy. 15Kanefa ny razambenareo ihany no niraiketan’ny TOMPO hotiavina ka nifidianany anareo taranany mihoatra noho ny firenena hafa rehetra, araka izao hitanareo anio izao. 16Noho izany, aoka ny fonareo ho voatokana tanteraka ho an’ny TOMPO10.16 Ny RM dia manambara izany hevitra izany araka ny fomba fiteny hoe forao ny fonareo. Ny famorana manko ho famantarana fa voatokana ho an’ny Tompo, anisan’ny vahoakany tokoa ny olona anankiray., fa aza mafy hatoka intsony ianareo. 17Ilay TOMPO Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, tsy mba mizaha tavan’olona10.17 Tompon’ny tompo: jereo 1Tim 6.15; Apôk 17.14; 19.16. –tsy mba mizaha tavan’olona: izany hoe tsy mba miangatra; jereo Asa 10.34; Rm 2.11; Ef 6.9. na mandray kolikoly; 18manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana. 19Koa tiavo ny vahiny eo aminareo, fa efa mba vahiny tany Ejipta ianareo.

20Ilay TOMPO Andriamanitrareo no hohajainareo, Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo, ary ny anarany no hianiananareo. 21Izy no fidèranareo, Izy no Andriamanitrareo, dia Ilay nanao ho anareo ireny zavatra lehibe sy mahatahotra efa hitan’ny masonareo ireny10.21 Ny ambara eto dia ny zava-mahagaga nataon’ny Tompo tamin’ny nialan’ny vahoakany tany Ejipta, jereo Eks 7–12.. 22Olona fitopolo ny razambenareo no nidina tany Ejipta; ankehitriny kosa efa nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo maro tahaka ny kintana eny ana habakabaka ianareo10.22 fitopolo: jereo Gen 46.27; Eks 1.5 sy nta; Asa 7.14. –maro tahaka...ianareo: 22.17; Heb 11.12..

dimanche 20 septembre 2020

Alahady 20 Septambra 2020 - Mat 18 : 21 - 35

 21Tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa i Petera ka nanontany Azy hoe:

–Tompo ô, impiry moa aho no tokony hamela ny havana iray finoana raha diso amiko izy? Hatramin’ny impito ve?

22Dia hoy i Jesoa taminy:

–Tsy hatramin’ny impito ihany no lazaiko aminao fa hatramin’ny impitopolo impito18.22 impitopolo impito: dkt hafa im-77.!

23Koa amin’izany, ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny amin’ny mpanjaka anankiray izay te hampamoaka ireo mpanompony momba ny kaontim-bolany. 24Raha vao natomboka ny fampamoahana, dia nentina teo anatrehan’ny mpanjaka ity mpanompo izay nananany trosa denàry enimpolo tapitrisa. 25Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain’ny tompony hamidy ho andevo ny tenan’ilay mpanompo mbamin’ny vady aman-janany ary hamidy koa ny fananany rehetra, mba handoavana ny trosa. 26Dia niantoraka sy niankohoka teo anoloan’ny mpanjaka ilay mpanompo sady nanao hoe: «Mba omeo andro re aho fa haloako avokoa ny anao!» 27Onena azy kosa ilay tompony ka namoy ny trosa taminy ary nandefa azy.

28Vao tafavoaka anefa ilay mpanompo, dia tojo ity mpanompo namany izay nananany trosa denàry zato. Noraisin’ilay mpampitrosa teo am-bozona izy, ka nokendainy sady nataony hoe: «Aloavy izay trosako aminao.» 29Dia niantoraka teo anoloan’ilay mpampitrosa izy sady nifona taminy nanao hoe: «Mba omeo andro re aho, fa haloako ny anao!» 30Tsy nety anefa ilay mpampitrosa fa lasa nampanao azy am-ponja mandra-pandoany ny trosa. 31Nalahelo mafy ireo mpanompo namany nony nahita ny zava-nitranga, ka lasa nitantara izany rehetra izany tamin’ny tompony. 32Dia nampanalain’ny tompony tamin’izay ilay mpanompo nananany trosa be ka noteneniny hoe: «Mpanompo ratsy fanahy ianao! Efa nafoiko avokoa ny trosako taminao, noho ianao nifona tamiko. 33Ka moa tsy tokony mba hamindranao fo koa ve ilay mpanompo namanao tahaka ny namindrako fo taminao?» 34Dia tezitra ny tompony ka nanolotra an’ilay mpanompo ratsy fanahy mba hatao am-ponja sy hampijalîna mandra-pandoany ny trosany manontolo.

35Dia nofaranan’i Jesoa hoe:

–Ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny havanareo amin’ny fonareo tokoa ianareo.

samedi 19 septembre 2020

Asabotsy 19 Septambra 2020 - Asa 9 : 26 - 31

 26Vao tonga tany Jerosalema i Saoly, dia nitady hikambana tamin’ny mpianatra; saingy natahotra azy izy rehetra satria tsy afaka nino azy ho isan’ny mpianatra. 27Nalain’i Barnabà kosa i Saoly ka nentiny teo amin’ny apôstôly; dia teo anatrehan’ny apôstôly no nitantaran’i Barnabà ny fomba nahitan’i Saoly ny Tompo teny an-dalana sy ny teny nataon’ny Tompo taminy ary koa ny fahasahian’i Saoly nitoriteny tamin’ny anaran’i Jesoa tany Damasy. 28Izay vao afa-nifanerasera tamin’ny mpianatra tao Jerosalema i Saoly sady tena sahy nitoriteny tamin’ny anaran’ny Tompo. 29Niresahan’i Saoly sy nifanakalozany hevitra koa ireo Jiosy miteny grika; kanjo notadiavin’ireo hovonoina izy. 30Nony fantatr’ireo havana iray finoana izany, dia nateriny tany Kesaria i Saoly ary nampodîny nankany Tarsa.

31Nandry feizay ny Fiangonana manerana an’i Jodea sy i Galilea ary i Samaria manontolo: nandroso tsara, nizotra tamin’ny fanoavana ny Tompo, ary nihamaro noho ny fampaherezan’ny Fanahy Masina.

vendredi 18 septembre 2020

Zoma 18 Septambra 2020 - Eks 18 : 17 - 23

 17Dia hoy indray ny rafozany:

–Tsy tsara ny fomba anaovanao ny raharaha! 18Samy ho reraka mihitsy na ianao na ireto olona tonga atỳ aminao. Mavesatra loatra aminao izao andraikitra izao ka tsy ho vitanao samirery! 19Henoy àry ny torohevitro aminao, ka homba anao anie Andriamanitra: Ny anjaranao dia ny misolotena ny vahoaka amin’Andriamanitra, ka mitondra eo anatrehan’Andriamanitra ny raharaha mampifanolana. 20Ianao koa no hampianatra azy ny fitsipik’Andriamanitra sy ny lalànany, ka hampahalala azy ny lalana tokony hizorany sy ny asa tokony hataony. 21Fa ny amin’ny sisa, dia mifidiana lehilahy be herimpo ao amin’ny vahoaka, dia lehilahy fatra-panaja an’Andriamanitra, tia fahamarinana sady tsy mandray tsolotra; ka tendreo ireo ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo. 22Ireo no hitsara ny vahoaka isan’andro, ka ny raharaha lehibe no hoentiny any aminao, fa ny raharaha madinika dia halaminy ihany. Amin’izay dia hihamaivana ny andraikitrao fa miara-mitondra aminao ireo. 23Raha ataonao izany zavatra izany, ka izay no andidian’Andriamanitra anao, dia tsy ho reraka ianao; ary ny olona koa dia ho afaka mody any aminy vita fihavanana18.23 ho afaka mody... fihavanana na ho tonga amim-piadanana any amin’izay haleha..

jeudi 17 septembre 2020

Alakamisy 17 Septambra 2020 - Heb 12 : 25 - 29

 25Mitandrema àry! Aza manentsin-tadîny amin’izay miteny aminareo. Fa raha tsy afa-nandositra ireo nanentsin-tadîny tamin’ilay nilaza hafatr’Andriamanitra taminy teto an-tany12.25 Ampit Eks 20.22., mainka fa isika raha miala amin’Ilay miteny amintsika avy any an-danitra. 26Ny feony dia nanozongozona ny tany fahizay; ankehitriny kosa dia mbola mampanantena antsika Izy manao he: «Hohozongozoniko indray mandeha koa, tsy ny tany ihany, fa ny habakabaka koa12.26 Hag 2.6, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta..» 27Ny hoe «indray mandeha koa» dia manambara fa hohozongozonina sady hovana ny zavaboaary, mba haharetan’izay zavatra tsy azo hozongozonina.

28Aoka àry isika hahay misaotra an’Andriamanitra noho isika mandray Fanjakana tsy azo hozongozonina. Izany fahaiza-misaotra Azy izany dia aoka hasehontsika amin’ny fanompoana sitrak’Andriamanitra, fanompoana ombàm-panajana sy fahatahorana; 29fa ilay Andriamanitsika dia afo mandevona12.29 Jereo Fifan 4.24..

mercredi 16 septembre 2020

Alarobia 16 Septambra 2020 - Tit 1 : 5 - 9

5Navelako tany Kreta ianao mba handaminanao izay mbola tokony halamina ary mba hanendrenao loholom-piangonana isan-tanàna, araka ny fepetra nomeko anao: 6ny loholona dia tokony ho lehilahy tsy manan-tsiny, tsy mampirafy1.6 tsy mampirafy: dkt hafa indray mandeha monja no manambady (tsy misolosolo vady, tsy manambady fanindroany).; ary ny zanany dia tokony ho mpino, tsy azo ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy na ho maditra. 7Eny, ny mpitondra Fiangonana dia mpandraharaha ny asan’Andriamanitra, ka tokony ho olona tsy manan-tsiny, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpidoroka, tsy mahery vaika, tsy maloto fila harena; 8tokony hahay mandray vahiny, hankamamy ny toetra tsara, hahafehy tena, ho tia rariny, ho masina, hahonon-tena; 9ary tokony hitana mafy ny hafatra azo antoka mifanaraka amin’ny foto-pampianarana. Amin’izay, ny mpitondra Fiangonana dia ho afaka hampirisika momba ny fampianarana tsy misy tomika sady handresy lahatra ireo mpanohitra izany1.9 And 6-9: ampit 1Tim 3.2-7..

mardi 15 septembre 2020

Talata 15 Septambra 2020 - I Pet 1 : 13 - 20

 13Noho izany, dia aoka ho vonombonona lalandava ny fanahinareo; mahonòna tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy. 14Aoka ho fatra-panaiky an’Andriamanitra ianareo, ka aza manaraka ny filàndratsinareo fahiny, fony ianareo mbola tao anatin’ny tsy fahalalana. 15Fa masina ilay Andriamanitra niantso anareo; noho izany, aoka ho masina tahaka Azy koa ianareo amin’ny lafim-pitondrantena rehetra, 16satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Aoka ho masina ianareo satria masina Aho1.16 Lev 19.2..»

17Ilay Andriamanitra, tsy mizaha tavan’olona fa mitsara ny tsirairay araka ny asany avy, dia antsoinareo hoe Ray; koa manàna fitondrantena feno fanajana Azy ianareo mandritra ny andro ivahinianareo etỳ an-tany. 18Fantatrareo fa ny nanavotana anareo, ho afaka tamin’ny fitondrantena tsy mahasoa nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba tahaka ny volafotsy na ny volamena; 19ny nanavotana anareo dia ny ra sarobidy nafoin’i Kristy, toy ny ran-janakondry tsy misy kilema ary tsy misy pentina. 20I Kristy dia efa voatendrin’Andriamanitra rahateo talohan’ny nahariana izao tontolo izao, saingy tamin’izao andro farany izao vao naseho noho ny aminareo;

lundi 14 septembre 2020

Alatsinainy 14 Septambra 2020 - Efe 6 : 1 - 9

 1Ianareo zanaka, mpanaraka ny Tompo ianareo6.1 Misy stf sasany tsy ahitana hoe mpanaraka ny Tompo ianareo. ka maneke ny ray aman-dreninareo, fa rariny izany. 2«Hajao ny rainao sy ny reninao»; izany no didy voalohany miampy ny fampanantenana hoe: 3«mba hahita soa sy ho ela velona eto ambonin’ny tany ianao6.3 And 2-3: Eks 20.12; Fifan 5.16..»

4Ary ianareo, ray aman-dreny, aza manao izay hampahatezitra ny zanakareo. Fa tezao amin’ny fanabeazana sy fifehezana araka ny Tompo izy.

5Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo ara-nofo amin-tahotra sy fanajana ary amin’ny fahatsorampo toy ny anekenareo an’i Kristy. 6Tsy hoe raha eo imason’ny tomponareo ara-nofo ihany no manaiky, toy ny mila sitraka amin’ny olona; fa tontosao amin’ny fo tokoa ny sitrapon’Andriamanitra, toy ny ataon’ny mpanompon’i Kristy. 7Ataovy amin’ny fo mirana ny asa fanompoanareo, tahaka ny atao amin’ny Tompo fa tsy amin’ny olona; 8satria fantatrareo fa ny olona tsirairay, na mpanompo na tsy mpanompo, dia samy hovalian’ny Tompo, amin’izay soa nataony avy.

9Ary ianareo tompo, manaova toy izany koa amin’ny mpanomponareo, ka atsaharo ny fandrahonana; satria fantatrareo fa na ianareo, na ny mpanomponareo, dia samy an’ilay Tompo Izay monina ao an-danitra sady tsy mba mizaha tavan’olona5.9 Ampit Fifan 10.17..

dimanche 13 septembre 2020

Alahady 13 Septambra 2020 - Gen 42 : 18 - 21

 18Ary tamin’ny andro fahatelo dia hoy i Jôsefa taminy:

–Izao no ataovy, dia ho velona ianareo, satria izaho koa mba manaja an’Andriamanitra. 19Raha olo-marina tokoa ianareo, dia aoka ny anankiray aminareo hijanona ao an-tranomaizina nitazonana anareo; fa ianareo sisa kosa mandehana mitondra ny vary ho any amin’ny fianakavianareo mosarena. 20Avy eo dia ento aty amiko ny zandrinareo faralahy, amin’izay dia ho voaporofo fa marina ny teninareo ka tsy ho faty ianareo.

Dia nanaiky izany izy, 21nefa nifampiresaka hoe:

–Tena meloka tokoa isika noho ny amin’ny rahalahintsika izay hitantsika ny fahoriam-panahiny tamin’ny fiangaviany antsika, nefa tsy mba nohenointsika; ary izao dia manody antsika izany.

samedi 12 septembre 2020

Sabotsy 12 Septambra 2020 - Jak 5 : 16 - 20

 16Koa mieke heloka ianareo samy ianareo, ary mifampivavaha mba hahasitrana anareo; fa mahery fiasa tokoa ny fivavaky ny olo-marina. 17Olona tahaka antsika izao ihany i Elià; fa nivavaka mafy izy mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny tany, dia tsy nilatsaka ny ranonorana telo taona sy tapany; 18ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany (5.18 And 17-18: jereo 1 Mp 17.1; 18.1; 18.42-45.).

19Ry havako, raha sendra misy aminareo miala amin’ny marina, ka misy mamerina azy, 20dia izao no tsarovy: izay namerin-dalana ny mpanota hiala amin’ny fahadisoany, dia namonjy ny fanahin’izany mpanota izany tsy ho faty sady mikosoka ny fahotana maro miavosa5.20 ny fanahin’...tsy ho faty: dkt hafa ny fanahin’ny tenany tsy ho faty. –sady...miavosa (fahotana ivalozan’ny andaniny sy ny ankilany): (ampit Ohab 10.12; 1 Pt 4.8.).

vendredi 11 septembre 2020

Zoma 11 Septambra 2020 - Fil 2 : 12 - 18

 12Koa amin’izany, ry hava-malalako, efa nanaiky ahy mandrakariva ianareo fony aho teo aminareo, fa vao mainka tokony hanaiky ahy bebe kokoa ianareo ankehitriny amin’izao tsy maha eo ahy izao. Miasà amin-tahotra sy hovitra hahatomombana ny famonjena anareo; 13satria miasa ao anatinareo hatrany Andriamanitra hahatonga anareo hikasa sy hahatanteraka izay mifanaraka amin’ny safidim-pony.

14Amin’izay rehetra atao, dia aza asiana fimonomononana sy fisalasalana, 15mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia ho zanak’Andriamanitra tsy misy kilema eo afovoan’ny olo-meloka sady maditra2.15 Mampahatsiaro ny Fifan 32.5 araka ny dkt grika tranainy Septoazinta.. Eo afovoan’ireo olona ireo, dia tokony hamirapiratra toy ny kintana eny an’habakabaka ianareo, 16ka hanolotra azy ireo ny teny manome fiainana. Raha izany no ataonareo, dia hanan-kireharehana momba anareo aho amin’ny andro hiavian’i Kristy, satria hiharihary fa tsy foana tsy akory ny ezaka nataoko sy ny zavatra nisasarako.

17Mety halatsa-dra ho sorona araraka aho ka hampombaina ilay sorona atolotrareo an’Andriamanitra, dia ny finoanareo2.17 Ampit 2Tim 4.6.. Raha izany tokoa, dia faly aho ary mampiombona anareo rehetra amin’ny hafaliako; 18aoka hifaly amin’izany koa ianareo, ary hampiombona ahy amin’ny hafalianareo.

jeudi 10 septembre 2020

Alakamisy 10 Septambra 2020 - Mar 6 : 45 - 52

 45Vetivety foana taorian’izay, dia noteren’i Jesoa hiondrana an-tsambokely ny mpianany ary nasainy hiampita mialoha hankeny Betsaidà; fa Izy mbola handefa ny vahoaka hody. 46Ary rehefa avy nanao veloma ny vahoaka i Jesoa, dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka. 47Efa maizina ny andro no teo ampovoan’ny farihy ny sambokely, ary i Jesoa irery sisa teny an-tanety; 48hitany fa sahirana mafy ny mpianatra nivoy ny sambokely, satria notohain’ny rivotra ry zareo. Ary tokony ho tamin’ny maraina efa naneno akoho, dia lasa nanatona ny mpianany i Jesoa, nandeha teny ambony farihy ka efa hihoatra azy6.48 hihoatra azy: dkt hafa hanatratra azy, hanakaiky azy.. 49Nahatazana an’i Jesoa nandeha teny ambony rano ireo mpianatra ary nihevitra Azy ho matoatoa, ka niantsoantso mafy. 50Samy nahatazana an’i Jesoa izy rehetra ka raiki-tahotra. Avy hatrany dia niteny taminy anefa i Jesoa ka nanao hoe:

–Matokia, fa Izaho ity. Aoka izay ny tahotra!

51Niakatra nankeo aminy tao an-tsambokely i Jesoa, dia indro nijanona ny rivotra; ka talanjona fatratra ny mpianatra, 52satria tsy azony an-tsaina ilay nampitomboana ny mofo, noho ny hamafin’ny fony.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12