17Dia hoy indray ny rafozany:
–Tsy tsara ny fomba anaovanao ny raharaha! 18Samy ho reraka mihitsy na ianao na ireto olona tonga atỳ aminao. Mavesatra loatra aminao izao andraikitra izao ka tsy ho vitanao samirery! 19Henoy àry ny torohevitro aminao, ka homba anao anie Andriamanitra: Ny anjaranao dia ny misolotena ny vahoaka amin’Andriamanitra, ka mitondra eo anatrehan’Andriamanitra ny raharaha mampifanolana. 20Ianao koa no hampianatra azy ny fitsipik’Andriamanitra sy ny lalànany, ka hampahalala azy ny lalana tokony hizorany sy ny asa tokony hataony. 21Fa ny amin’ny sisa, dia mifidiana lehilahy be herimpo ao amin’ny vahoaka, dia lehilahy fatra-panaja an’Andriamanitra, tia fahamarinana sady tsy mandray tsolotra; ka tendreo ireo ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo. 22Ireo no hitsara ny vahoaka isan’andro, ka ny raharaha lehibe no hoentiny any aminao, fa ny raharaha madinika dia halaminy ihany. Amin’izay dia hihamaivana ny andraikitrao fa miara-mitondra aminao ireo. 23Raha ataonao izany zavatra izany, ka izay no andidian’Andriamanitra anao, dia tsy ho reraka ianao; ary ny olona koa dia ho afaka mody any aminy vita fihavanana18.23 ho afaka mody... fihavanana na ho tonga amim-piadanana any amin’izay haleha..