lundi 28 septembre 2020

Alatsinainy 28 Septambra 2020 - Efe 5 : 8 - 21

 8Tao amin’ny haizina ianareo fahiny, fa ao amin’ny fahazavana kosa ankehitriny5.8 Ampit Is 60.1-3., noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Koa manaova fitondrantena tahaka ny olona ao amin’ny fahazavana, 9satria ny fahazavana5.9 ny fahazavana: misy stf sasany ahitana hoe ny Fanahy Masina (ampit Gal 5.22). dia mamokatra ny soa sy ny rariny ary ny hitsiny isan-karazany. 10Miezaha mamantatra izay ankasitrahin’ny Tompo. 11Aza miombona amin’ny asa tsy mahavoka-tsoa ataon’ireo olona ao anatin’ny haizina5.11 Ampit Rm 13.12., fa aleo aseho ny tena toetr’ireny asa ireny; 12(satria mahamenatra na dia ny hilaza izay ataon-dry zareo ao amin’ny miafina aza). 13Fa rehefa asehon’ny fahazavana kosa ny tena toetry ny zavatra rehetra, dia hiharihary avokoa; 14eny, izay rehetra miharihary dia tonga mazava. Izany no ilazana hoe:

«Mifohaza ianao izay matory,ary mitsangàna ho velona avy any amin’ny maty,dia hampahazava anao i Kristy5.14 Mifohaza...i Kristy: tsy fantatra izay loharanon’io rijan-teny io, kanefa mety ho andinin-kira kristianina..»

15Koa tandremo tsara ny fitondrantenanareo. Aza manao toy ny olona tsy misaina, fa aoka ho tahaka izay misaina. 16Hararaoty ny fotoana azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao andro izao. 17Aza miadaladala, fa mba fantaro izay sitraky ny Tompo hataonareo.

18Aza mimamo divay ianareo, satria fanaranam-po amin’ny ratsy no vokatr’izany; fa aoka ho feno ny Fanahy Masina. 19Manaova salamo sy hira ary antsa asesiky ny Fanahy Masina; antsa sy salamo no kaloy amin’ny fo tokoa ho an’ny Tompo5.19 Ampit Sal 33.1-3.. 20Misaora an’Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny olona rehetra5.20 noho ny olona rehetra: dkt hafa noho ny zavatra rehetra. amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.

21Aoka hifanoa ianareo noho ny fanajanareo an’i Kristy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12