18Ary tamin’ny andro fahatelo dia hoy i Jôsefa taminy:
–Izao no ataovy, dia ho velona ianareo, satria izaho koa mba manaja an’Andriamanitra. 19Raha olo-marina tokoa ianareo, dia aoka ny anankiray aminareo hijanona ao an-tranomaizina nitazonana anareo; fa ianareo sisa kosa mandehana mitondra ny vary ho any amin’ny fianakavianareo mosarena. 20Avy eo dia ento aty amiko ny zandrinareo faralahy, amin’izay dia ho voaporofo fa marina ny teninareo ka tsy ho faty ianareo.
Dia nanaiky izany izy, 21nefa nifampiresaka hoe:
–Tena meloka tokoa isika noho ny amin’ny rahalahintsika izay hitantsika ny fahoriam-panahiny tamin’ny fiangaviany antsika, nefa tsy mba nohenointsika; ary izao dia manody antsika izany.