jeudi 15 février 2018

Alakamisy 15 Febroary 2018 - Apo 3 : 14 - 22

14–Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Laôdisia:
«Izao no lazain'ny Amen, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan3.14 Izay niandohana: ampit Ohab 8.22.'ny zavaboaarin'Andriamanitra: 15Fantatro ny asanao; fantatro fa tsy mangatsiaka tsy mafana ianao; satriko ianao mangatsiaka na mafana. 16Saingy noho ianao matimaty ka tsy mafana tsy mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako ianao! 17Hoy ianao hoe: manan-karena sy efa nihary fananam-be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mampalahelo, mahantra sy jamba ary mitanjaka. 18Koa manoro hevitra anao Aho: hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena ianao; hividy amiko akanjo fotsy hiakanjoanao, mba tsy hisehoan'ny fitanjahanao mahamenatra; ary hividy amiko fanafody maso hahosotra ny masonao, mba hahiratra ianao. 19Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko3.19 Ampit Ohab 3.12; Heb 12.6.; mazotoa àry, ka ialao ny toe-dratsinao. 20Indro mijoro eo am-baravarana Aho, sady mandondòna; ka raha misy olona mihaino ny feoko sy mamoha ny varavarana, dia hiditra ao an-tranony Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiara-misakafo amiko.

21«Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambony sezafiandrianako; dia tahaka ny nandreseko ihany koa sy niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambony sezafiandrianany.

22«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.»

Antsom-pitiavana

1- Ny toerana misy anao ankehitriny
Tanana nanankarena i Laodikia satria tao no nisy nv lamba volon'ondry mainty manompy manga izay heverina ho tsara tokoa. Tao koa ny fisian'ny sekoly fitsaboana sy ny menaka fanosotra amin'ny maso. Nirehareha fatratra ny mponina. Tafapaka hatrany amin'ny fiainam-piangonana sy ny fanoloran-tenan'ny olona izany. Mandroso ny toekarena ka tsy dia nahoana loatra ny fanarahana ny Tompo : «fa satria tsy mafana na mangatsiaka». Matetika tokoa rehefa mizotra tsara ny fiainan'ny olona ara-toekarena dia mihena ny fahavononana hanompo ny Tompo. Tsarovy tsy ankasitrahan'ny Tompo izany.

2- Miantso anao hiverina Aminy nv Tompo
Tia ny olony Andriamanitra. Indro Izy manao antso mba hanavaozan'ny olona ny fanoloran-tena. Asehon' Andriamanitra eto fa ny tena fiainana dia ao Aminy irery ihany. Izy no manana nv fítafiana mendrika maneho ny fahamasinan'ny olona, Izy no manana ny odi-maso manafaka ny olona amin'ny fahajambana ka mampitodika ny olona ho amin'nv tena fiainana. Raha manaiky hiverina amin'Andriamanitra ny olona. mampandroso Azy ao am- po dia manana fifandraisana akaiky Aminy ka ho fiainam- pifaliana no ivelomany isan'andro satria manana ny zavatra rehetra Andriamanitra. Miantso anao koa miverena. Aza variana amin'ny zavatra hita maso ankehitriny.

Fanontanìana :
Nahoana no tsy ankasitrahan'ny Tompo ny fiainan'ny fíangonana tao Laodikia ? Inona no toro-marika ho anao ?

mercredi 14 février 2018

Alarobia 14 Febroary 2018 - Jos 3 : 9 - 17

9Ary i Josoa nanao tamin'ny Israelita hoe:
–Manatona etỳ ka mihainoa izay lazain'ny TOMPO Andriamanitrareo. 10Ho fantatrareo amin'izao fa Andriamanitra velona no eo afovoanareo, ka horoahiny tanteraka eo anoloanareo ny Kanahanita sy Hetita, ny Hivîta sy Perizîta, ny Girgasita sy Amôrita ary Jebosita. 11Indro ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ilay Tompon'ny tany rehetra handroso eo alohanareo ao Jôrdàna. 12Koa ankehitriny, mifidiana 12 lahy eo aminareo. iray avy isaky ny foko israelita. 13Raha vao mandroboka tongotra ao anaty rano ireo mpisorona mitondra ny Vatamasin'ny TOMPO, dia ho tapaka ny ranon'i Jôrdàna: hijanona ny rano avy any ambony ka hisavovona toy ny antontan-javatra.

14Dia nandao ny toby mba hiampita an'i Jôrdàna ny vahoaka; ary ny mpisorona nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana no teo alohany. 15Fotoan'ny fararano tamin'izay ka tondraka mihoatra ny morony rehetra i Jôrdàna3.15 Ny lazaina eto dia fararano fijinjana ny ôrza aorian'ny fiotazana ny rongony (jereo 2.6); amin'izay no tondraka ny ranon'i Jôrdàna noho ny fiempon'ny ranomandry eny an-tendrombohitr'i Libano (Volana Avrily).. Raha vao tonga teo ny mpisorona nitondra ny Vatamasina ka nandroboka tongotra tao anaty renirano, 16dia nijanona ny rano avy any ambony ka nisavovona toy ny antontan-javatra terỳ lavitra terỳ, dia terỳ amin'ny tanàna Adama izay takaikin'ny tanàna Tsaratàna3.16 I Adama, voalaza koa ao amin'ny Hôs 6.7, dia tanàna iray any ampita atsinanan'i Jôrdàna, eo anilan'ny fihaonany amin'ny renirano Jabôka. –I Tsaratàna dia tanàna mifanila aminy saingy tsy tena mazava ny toerana nisy azy.; ary ny rano ambany izay nikoriana ho any amin'ny Ranomasina Maty kosa dia ritra tanteraka, hany ka afaka niampita tandrifin'i Jerikao ny vahoaka. 17Ny mpisorona izay nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO dia nijoro tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jôrdàna, mandra-pahatafita ny Israelita rehetra izay nandia tany maina ho eny ampita.

Entin'ny Tompo handova ny tany isika

1- Araho nv toromarika
Nodimbiasan'i Josoa i Mosesy. ary mitovy tanteraka ny fombàn'Andriamanitra an'i Mosesy sy i Josoa (and 7). Famantarana lehibe no nomen'ny Tompo an' i Josoa, ka nahafahanv nanome torolalana ny olona. Torolalana avy amin'ny Tompo. araka ny teny eto hoe : « Mankanesa aty ka mihainoa ny tenin 'i Jehovah Andriamanitrareo » Tsy misv angatahina amin'nv olona afa tsy ny mihaino sy mankato. Tsy afaka handroso handova ny tany ny vahoaka raha tsy mankato aloha. Ho ao an-tsain'ireto taranaka ireto ny fomban'Andriamanitra ireo razany tany aloha fony, raha niampita ny ranomasina mena. Tsy miova Andriamanitra fa eo koa ny fombàn'Andriamanitra azy ireo rehefa tafìta nv rano.

2- Ataovy nv fampiharana
Voalaza eto fa nialoha ny olona rehetra ny mpisorona nitondra ny fiaran'ny faneken' Andriamanitra. Naroboky ny mpisorona ny tongony (and 14-15) dia nijanona ny rano ka afaka niampita tamin'ny tany maina ny olona. Famantarana izany fa miaraka sy miandany amin'ny vahoakany ny Tompo. Nisy izany zavatra rehetra izany noho ny tenin'Andriamanitra. ary noho ny fankatoavan'ny olona : ary entina manaporofo koa fa tsy miova velively Andriamanitra. Mariho tsara fa tsv misy nisalasala ny mpisorona sy ny olona eto noho ny fankatoavana ny tenin' Andriamanitra, rehefa miteny Andriamanitra. Foana ny fisalasalana fa tanteraka izay rehetra nolazain' Andriamanitra rehefa mankato ny olona.

Fanontaniana
Mahay mankatoa ny tenin'Andriamanitra ve ny kristiana manoloana ny zavatra manjo azy?

mardi 13 février 2018

Talata 13 Febroary 2018 - Lio 10 : 8 - 12

 8Raha misy tanàna idiranareo ka mandray anareo ny olona, dia hano izay aroso anareo; 9sitrano izay marary ao ary ny mponina ilazao hoe: «Efa tonga eto aminareo ny Fanjakàn'Andriamanitra.» 10Fa raha misy kosa tanàna idiranareo nefa tsy mandray anareo ny olona, dia mankanesa eny an-kianja milaza hoe: 11«Na dia ny vovoky ny tanànanareo nanaraka ny tongotray aza, dia ahintsanay10.11 Jereo 9.5; Mk 6.11 sy nta. hiampanga anareo. Izao anefa no fantaro: efa tonga ny Fanjakàn'Andriamanitra.» 12Lazaiko aminareo fa amin'ny andro fitsarana, dia ho azoazo kokoa ny sazy hihatra amin'i Sôdôma10.12 Jereo Gen 19.24-28. noho ny hihatra amin'izany tanàna izany.

Raiso ny Filazantsara

1- Mandray ny Filazantsara izav mandray ny Mpitory
«Izay tanàna hiakaranareo. ka mandray anareo ny olona... » (and.8) Manatona amin'ny isan-tanàna ny Tenin'Andriamanitra sy ny Filazantsara. Tazana eto fa ny olona, na ny tanànana vonona handray ny Filazantsara sy ny Tenin'Andriamanitra dia mandray tsara izay iraka mpitondra ny Tenin'Andriamanitra aloha. Tsy zava- baovao ity fahatongavan'ny Teny, na ny Filazantsara any amin'ny toeram-ponenan'ny olona ity. Tandindon'ny nahatongavan'i Jesoa ho olona tety an-tany io, mba hiara- monina amintsika. Ny teny dia tonga nofo ka niara-nonina tamintsika. Ka izay mandray ny mpitory dia mandray an'i Jesoa, ary izay mandrav an'i Jesoa dia mandray an' Andriamanitra izay naniraka an'i Jesoa (vakio Mat 10,40)

2- Manakaiky nv fanjakan'Andrianianitra ny mandrav Azv
Rehefa tonga ny Mpitory, ka raisin'ny olona dia misy fanasitranana, izay mariky ny fanjakan'Andriamanitra. Efà eo am-baravaran'ny fanjakan'Andriamanitra izay mandrav ny Teny sy ny Filazantsara. Rehefa eo am-baravarana isika, dia miandry ny feo mampandroso sisa dia tafiditra : «Midira amin 'ny fìfalian 'ny Tomponao». Ny fiampangana sy ny fanamelohana ambara eto ho an'izay «tsy mandray» dia tsy fampitahorana, fa fitaomana antsika tsy hizotra mankamin' izany. Koa raiso ny Filazantsara, ary raiso ny mpitory Filazantsara dia handray an'i Jesoa ianao.

Fanontaniana:
Misy olona minia mifidy zavatra ratsy ve?

lundi 12 février 2018

Alatsinainy 12 Febroary 2018 - Lev 26 : 3 - 8

3«Raha manaraka ny lalànako ianareo ka imasoanareo hotanterahina ny didiko, 4dia homeko ny ranonorana sahaza anareo amin'ny fotoanandrony mba hahavokaran'ny tany ary hamoazan'ny hazo eny an-tsaha. 5Ho tratry ny fiotazam-boaloboka ny fivelezam-bary eo aminareo, ary ho tratry ny famafazana ny fiotazam-boaloboka; dia hihinana ianareo ka ho voky, ary handry feizay eo amin'ny taninareo26.5 And 3-5: jereo Deot 11.13-15.. 6Hasiako fiadanana eo amin'ny tany, ka handry tsy hisy hanaitra ianareo; fa hofongorako ny biby masiaka eo amin'ny tany, ary tsy mba handalovan'ady intsony izy. 7Hataonareo mandositra ny fahavalonareo ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo; 8hampandositra zato ny dimy aminareo ary hampandositra iray alina ny zato aminareo ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo ireny.

Mitondra fitahiana ny fanarahana ny lalàna

Mandrakariva dia ny didy folo ihany no heverin'ny maro ho lalàn'Andriamanitra. Ny boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly no lazaina hoe bokin'ny lalàna. Rehefa nivoatra ny hevitry ny teny dia niantsoana ny Soratra Masina amin'ny ankapobeny ny lalàna. Noho izany, ny and.3 eto dia itaoman'Andriamanitra antsika ahay hisafidy fitahiana: Rehefa manaraka ny lalàna, ka mankato izay nolazain'ny Tompo isika. Raha manaraka ny lalàna isika, dia hilatsaka amin'ny tany ny ranonorana, ho be ny vokatra, ho zina ny taona, sns. (and.5). Teny entina milaza fitahiana izany ao amin'ny Baiboly. Mitahy antsika ny Tompo rehefa mankato isika. Tsy fitahiana ho an'ny olona iray izany, fa tena fitahiana ho an'ny firenena. Voalaza eto koa ny fiadanana : « ary homeko fìadanana eo amin 'ny tany ianareo » (and.6). Ny fiadanana dia teny tokana enti-milaza fandriampahalemana, fiainana, fahasalamana, fahafaham-po amin'ny soa sy ny tsara. Omena hisitrahan'ny mponina eo amin'ny tany izany rehef'a mihaino sy mankato ny olona : « homeko fiadanana eo amin'ny tany ianareo ». Tsy fiadanana hiainantsika any amin'ny fiainan-ko avy no ampanantenaina antsika rehefa mankato, fa eto amin'ny tanintsika dieny ankehitriny. Koa ankatoavy sy araho ary ampiharo eo amin'ny fiainantsika ny teny ! Tsy ampy velively ny fandrenesana fotsiny, fa hoy ny Soratra Masina : « Aoka ho mpankatoa ny teny ianareo fa tsy mpihaino fotsiny ihany. » Ankatoavy ny teny raha tiantsika hiadana isika eto amin'ny firenentsika !

Fanontaniana:
Moa hainao hazavaina amin'ny lafin-kevitra iray ve ny hoe tena mitondra fiainana ny Tenin'Andriamanitra ?

dimanche 11 février 2018

Alahady 11 Febroary 2018 - Lio 8 : 4 - 15

4Nirohotra avy any amin'ny tanàna samihafa ny olona hanatona an'i Jesoa, hany ka vahoaka betsaka no tafangona teo aminy. Dia niteny Izy nanao izao fanoharana izao:
5–Niainga ity mpamafy hamafy voa. Nony namafy izy, ny voa sasany dia latsaka teny amoron-dalana ka voahosin'ny mpandalo ary lanin'ny voro-manidina; 6ny voa sasany kosa latsaka teny ambony vatolampy, ka vao naniry dia nalazo satria tsy ampy hamandoana; 7ny voa sasany indray latsaka tany anaty tsilo, ka niara-naniry tamin'ny tsilo dia voageja; 8ary ny voa sasany latsaka tamin'ny tany tsara, ka naniry ary namoa zato heny.

Avy nilaza izany i Jesoa, dia niantso hoe:
–Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!

9Nanontanian'ny mpianany ny dikan'ilay fanoharana i Jesoa, 10ka namaly hoe:
–Ianareo no natao hahalala ny tsiambaratelo momba ny Fanjakàn'Andriamanitra; fa ho an'ny hafa kosa dia ankamantatra saro-pantarina no itenenana izany, hany ka
«hijery izy fa tsy hahita
ary hihaino fa tsy hahafantatra8.10 Is 6.9, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta..»

11–Koa izao àry no dikan'ilay fanoharana teo. Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra. 12Ireny teo amoron-dalana dia izay mahaheno ihany; kanjo avy ny devoly, ka manaisotra ny teny tao am-pony sao mino izy ka ho voavonjy. 13Ireny teo ambony vatolampy kosa dia izay mahaheno sady mandray ny teny an-kafaliana nefa tsy mandatsaka lalina izany ao aminy; mba mino vetivety ihany izy, kanjo mihemotra amin'ny fotoana fitsapana. 14Ny latsaka teo amin'ny tsilo indray dia izay mahaheno ihany koa; kanjo eny an-dalam-pivahiniana, voagejan'ny ahiahy sy ny harena ary ny fahafinaretan'ny fiainana mandalo ka tsy mahavanom-boa. 15Ny latsaka tamin'ny tany tsara kosa dia izay mahaheno ny teny amin'ny fo tsara sy lavorary, ka mitana azy, ary mamokatra amin'ny faharetana.

Mahaiza mihaino mba hamonjena anao !

Mampieritreritra ny filazana ny voa nafafy any amin'ny toerana samihafa tsy tokony hamafazana akory, araka ny voalazan'ny fanoharana. Ny famafazana voa ho an'ny mpamboly dia tokonv ho any amin'ny tanv efa voaomana. Ny mpamafy koa tokony ho olona efa mahafantatra ny hataony. Mazava kosa anefa ny hafatra tiana hampitaina amin'izao fanoharana izao satria ny mpamafy, dia olona tsy mifìdy tany amafazana. Tena mahalasa saina ny fiheverana, fa afafy nv voa, na amin'nv toerana fambolena na tsia, ary tsy amin'ny tanv efa voavoatra sv vonona ihany akory no amafazana azy. Nafafy tamin'nv toerana efatra samihafa àrv ny voa. ka ireo voalaza ireo ny vokanv. Raha ambara fa ny tenin' Andriamanitra ny voa afafv. ary ny mpitory no mpamafy. ny olona mandray ny tenv no tanv amafazana. dia hita miharihaiy fa tsy mitovy velively nv fandraisan'ny olona izav hafafy aminy. Tsy ny voa no tsy mitovy. tsy miankina amin'nv mpamafy fa miankina amin'ny tany amafazana ! Tsy mampitovy nv vokatra ny toe-tsain'nv mpihaino, ny faharesen-dahatra ao aminy, nv tenv samy manana ny tianv (jereo Asa 17, 32- 34). Ny fampianaran'nv Tompo anefa dia mampitovy ny olona eo anatrehan'Andriamanitra izany hoe tianv raha mandrav nv tenin'Andriamanitra avokoa ny olona rehetra. Marobe ny sakana tsy ahazoan'nv olona mandray ny tenin'Andriamanitra mba haniry sy hitera-boka-tsoa eo amin'ny fìainany: ny asan'i satana; ny fiahiana loatra ny fìainana sy ny maro hafa koa. Sakana tsy ananantsika finoana izany, sady misakana ny famonjena tsy hisitrahantsika.

Fanontaniana:
Inona ny fomba ahaizanao mihaino ny tenin' Andriamanitra ka hitera-bokatra eo amin'ny fiainanao izany?


samedi 10 février 2018

Sabotsy 10 Febroary 2018 - Kol 3 : 16 - 17

16Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo, ka hifampianatra sy hifananatra amim-pahendrena tanteraka ianareo; noho ny fahasoavana manenika anareo, dia mihirà amin'ny fonareo tokoa ho an'Andriamanitra ka mikaloa salamo sy hira ary antsa asesiky ny Fanahy Masina3.16 Ampit Ef 5.19-20.. 17Ary ny zavatra rehetra, lazainareo na ataonareo, dia tontosao avokoa amin'ny anaran'i Jesoa Tompo ka isaory an'Andriamanitra Ray amin'ny alalany.

Ny tenin'Andriamanitra ao anaty

Raha miteny i Paoly hoe "aoka ny tenin'Andriamanitra hitoetra betsaka ao aminareo ". Izany hoe: tokony ho fanananareo ary honina ao anatinareo ny tenin' Andriamanitra, ary ampiasaina amin' izay mahasoa anareo. Tsy manome didy na iza na iza izy amin'izany satria tsy misy mihitsy eto ny hoe: tsy maintsy mameno ny ao anatinareo amin'ny tenin'Andriamanitra ianareo. Na izany aza, tsy mamela amin'izao koa anefa izy ka manao hoe: tsy mampaninona na dia tsy misy tenin'Andriamanitra aza ao aminareo. Misy fandresen-dahatra mafonja mihitsy ny teniny: aoka nv tenin'Andriamanitra hitoetra betsaka aminareo. Fomba fiaina mahamendrika ny kristiana ny mihetsika sy miasa ary miteny araka ny Tenin'Andriamanitra. Ny tenin'Andriamanitra mitoetra ao anatin'ny mpino dia tsy mamela ny azy hifampijerv maso na hifampitazana fotsinv, na amin'ny soa na amin'ny ratsy. Raha misy hadisoana na fihoaram-pefy dia mitarika ny olona hifananatra sy hifampianatra ny Tenin'Andriamanitra; raha misy zava- mahafaly dia mitarika ny olona hidera nv Tompo izv. Ny fitoeran'ny tenin'Andriamanitra ao anaty, no ananan'ny mpino fahononan-tena, ka ahalalany ny tokony hatao sy ny tokony hofadiana, sady mahatonga ny olona tsy hihevi-tena ho zavatra fa ahay hanetrv tena kosa arv hiantehitra sy hatokv an'Andriamanitra. Izay itoeran'nv tenin' Andriamanitra no itoeran'ny Fanahy, ary izay itoeran'ny Fanahy no misy ny Tenin'Andriamanitra. Raha mitoetra ao amintsika ny Tenin'Andriamanitra, dia monina ao i Jesoa. satria Izy no tenin' Andriamanitra tonga nofo.

Fanontaniana.
Inona no zavatra betsaka tian'ny olona ananana?

vendredi 9 février 2018

Zoma 09 Febroary 2018 - Jao 10 : 22 - 30

22Ririnina ny andro tamin'izay ary notontosaina tao Jerosalema ny fankalazana ny Fitokanana. 23I Jesoa dia nitsangantsangana tao an-kianjan'ny tempoly, teo amin'ny lala-mitafon'i Salômôna. 24Koa nitangoronan'ny Jiosy Izy nanontaniany hoe:
–Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao tokoa no ilay Mesia, mba lazao mazava aminay!

25Dia hoy i Jesoa taminy:
–Efa nilaza taminareo Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko dia mijoro ho vavolombelona manambara Ahy, 26nefa ianareo tsy mino satria tsy mba isan'ny ondriko. 27Ireo ondriko mihaino ny feoko: Izaho mahafantatra ny ondriko, ary izy manaraka Ahy. 28Izaho no manome azy ny aina maharitra mandrakizay ka tsy ho very izy na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako. 29Ny Raiko Izay nanolotra azy tamiko dia lehibe noho ny rehetra, ka tsy misy olona maharombaka azy eo an-tanan'ny Ray10.29 Ny Raiko Izay nanolotra... eo an-tanan'ny Ray: misy stf sasany ahitana hoe Izay nomen'ny Raiko Ahy dia lehibe noho izao rehetra izao; ary tsy misy olona maharombaka zavatra eo an-tanan'ny Ray. . 30Izaho sy ny Ray dia iray ihany.

Izay te hahafantatra an'i Jesoa Kristy

1- Taomina hino nv teninv
Misv fanirina mafy te hahafantatra marina an'i Jesoa ho Ilay Kristy eto. Tokony ho fantatry nv Jiosy ny momba izany Mesia, na Kristy izany. Voalaza fa tsv vao izao ihanv akory no nanontany izany ireto Jiosy ireto, ary tsy vao izao koa i Jesoa no namalv izany nefa mbola misisika manontany hatrany izv ireo. Raha ny zava-bitan'i Jesoa mantsy no jerena dia te hanaiky Azv ho Kristv izv ireo ; saingy ny fahalalany an'i Jesoa ho zanak'i Josefa sy i Maria Azy no mibahana ao am-pony. Raha vao manana fìheverana manokana an'i Jesoa isika. fa tsy mifototra amin'ny fanambaran'ny Soratra Masina dia tsv ahalala marina an'i Jesoa ho Kristy. Fahalalana ivelany no mety hananatsika. Koa esory ny fíheverana sy fahalalana an'i Jesoa araka nv fíjerin'olombelona. raha te ahalala marina an'i Jesoa ho Kristy isika.

2- Ilazany ny fiombonany amin'ny Rav
Ambaran'i Jesoa Kristv koa fa irav ihanv Izy sy ny Ray (and 30). Tsy zakan'nv Jiosy velively anefa izanv, ka nahatonga azy ireo nankahala an'i Jesoa. Io maha iray an'i Jesoa sy ny Rav io no maha Andriamanitra Azy, ary izany no mampiavaka ny finoana kristiana amin'ny fivavahana hafa. Fototra iorenan'ny finoana kristiana nv fínoana an'i Jesoa ho Tompo sv Andriamanitra. Ny finoana an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy, araka ny fanekena nataontsika fony noraisina ho Mpandray, dia milaza fa Andriamanitra Izy amintsika. Koa esory ny fisalasalana, aoka tsv ho tahaka ireto Jiosy ireto ny kristiana mitondra ny anaran'i Kristy.

Fanontaniana:


Afaka miteny ve ny olona hoe iray amin'Andriamanitra ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12