jeudi 15 février 2018

Alakamisy 15 Febroary 2018 - Apo 3 : 14 - 22

14–Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Laôdisia:
«Izao no lazain'ny Amen, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan3.14 Izay niandohana: ampit Ohab 8.22.'ny zavaboaarin'Andriamanitra: 15Fantatro ny asanao; fantatro fa tsy mangatsiaka tsy mafana ianao; satriko ianao mangatsiaka na mafana. 16Saingy noho ianao matimaty ka tsy mafana tsy mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako ianao! 17Hoy ianao hoe: manan-karena sy efa nihary fananam-be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mampalahelo, mahantra sy jamba ary mitanjaka. 18Koa manoro hevitra anao Aho: hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena ianao; hividy amiko akanjo fotsy hiakanjoanao, mba tsy hisehoan'ny fitanjahanao mahamenatra; ary hividy amiko fanafody maso hahosotra ny masonao, mba hahiratra ianao. 19Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko3.19 Ampit Ohab 3.12; Heb 12.6.; mazotoa àry, ka ialao ny toe-dratsinao. 20Indro mijoro eo am-baravarana Aho, sady mandondòna; ka raha misy olona mihaino ny feoko sy mamoha ny varavarana, dia hiditra ao an-tranony Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiara-misakafo amiko.

21«Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambony sezafiandrianako; dia tahaka ny nandreseko ihany koa sy niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambony sezafiandrianany.

22«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.»

Antsom-pitiavana

1- Ny toerana misy anao ankehitriny
Tanana nanankarena i Laodikia satria tao no nisy nv lamba volon'ondry mainty manompy manga izay heverina ho tsara tokoa. Tao koa ny fisian'ny sekoly fitsaboana sy ny menaka fanosotra amin'ny maso. Nirehareha fatratra ny mponina. Tafapaka hatrany amin'ny fiainam-piangonana sy ny fanoloran-tenan'ny olona izany. Mandroso ny toekarena ka tsy dia nahoana loatra ny fanarahana ny Tompo : «fa satria tsy mafana na mangatsiaka». Matetika tokoa rehefa mizotra tsara ny fiainan'ny olona ara-toekarena dia mihena ny fahavononana hanompo ny Tompo. Tsarovy tsy ankasitrahan'ny Tompo izany.

2- Miantso anao hiverina Aminy nv Tompo
Tia ny olony Andriamanitra. Indro Izy manao antso mba hanavaozan'ny olona ny fanoloran-tena. Asehon' Andriamanitra eto fa ny tena fiainana dia ao Aminy irery ihany. Izy no manana nv fítafiana mendrika maneho ny fahamasinan'ny olona, Izy no manana ny odi-maso manafaka ny olona amin'ny fahajambana ka mampitodika ny olona ho amin'nv tena fiainana. Raha manaiky hiverina amin'Andriamanitra ny olona. mampandroso Azy ao am- po dia manana fifandraisana akaiky Aminy ka ho fiainam- pifaliana no ivelomany isan'andro satria manana ny zavatra rehetra Andriamanitra. Miantso anao koa miverena. Aza variana amin'ny zavatra hita maso ankehitriny.

Fanontanìana :
Nahoana no tsy ankasitrahan'ny Tompo ny fiainan'ny fíangonana tao Laodikia ? Inona no toro-marika ho anao ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12