lundi 12 février 2018

Alatsinainy 12 Febroary 2018 - Lev 26 : 3 - 8

3«Raha manaraka ny lalànako ianareo ka imasoanareo hotanterahina ny didiko, 4dia homeko ny ranonorana sahaza anareo amin'ny fotoanandrony mba hahavokaran'ny tany ary hamoazan'ny hazo eny an-tsaha. 5Ho tratry ny fiotazam-boaloboka ny fivelezam-bary eo aminareo, ary ho tratry ny famafazana ny fiotazam-boaloboka; dia hihinana ianareo ka ho voky, ary handry feizay eo amin'ny taninareo26.5 And 3-5: jereo Deot 11.13-15.. 6Hasiako fiadanana eo amin'ny tany, ka handry tsy hisy hanaitra ianareo; fa hofongorako ny biby masiaka eo amin'ny tany, ary tsy mba handalovan'ady intsony izy. 7Hataonareo mandositra ny fahavalonareo ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo; 8hampandositra zato ny dimy aminareo ary hampandositra iray alina ny zato aminareo ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo ireny.

Mitondra fitahiana ny fanarahana ny lalàna

Mandrakariva dia ny didy folo ihany no heverin'ny maro ho lalàn'Andriamanitra. Ny boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly no lazaina hoe bokin'ny lalàna. Rehefa nivoatra ny hevitry ny teny dia niantsoana ny Soratra Masina amin'ny ankapobeny ny lalàna. Noho izany, ny and.3 eto dia itaoman'Andriamanitra antsika ahay hisafidy fitahiana: Rehefa manaraka ny lalàna, ka mankato izay nolazain'ny Tompo isika. Raha manaraka ny lalàna isika, dia hilatsaka amin'ny tany ny ranonorana, ho be ny vokatra, ho zina ny taona, sns. (and.5). Teny entina milaza fitahiana izany ao amin'ny Baiboly. Mitahy antsika ny Tompo rehefa mankato isika. Tsy fitahiana ho an'ny olona iray izany, fa tena fitahiana ho an'ny firenena. Voalaza eto koa ny fiadanana : « ary homeko fìadanana eo amin 'ny tany ianareo » (and.6). Ny fiadanana dia teny tokana enti-milaza fandriampahalemana, fiainana, fahasalamana, fahafaham-po amin'ny soa sy ny tsara. Omena hisitrahan'ny mponina eo amin'ny tany izany rehef'a mihaino sy mankato ny olona : « homeko fiadanana eo amin'ny tany ianareo ». Tsy fiadanana hiainantsika any amin'ny fiainan-ko avy no ampanantenaina antsika rehefa mankato, fa eto amin'ny tanintsika dieny ankehitriny. Koa ankatoavy sy araho ary ampiharo eo amin'ny fiainantsika ny teny ! Tsy ampy velively ny fandrenesana fotsiny, fa hoy ny Soratra Masina : « Aoka ho mpankatoa ny teny ianareo fa tsy mpihaino fotsiny ihany. » Ankatoavy ny teny raha tiantsika hiadana isika eto amin'ny firenentsika !

Fanontaniana:
Moa hainao hazavaina amin'ny lafin-kevitra iray ve ny hoe tena mitondra fiainana ny Tenin'Andriamanitra ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12