mercredi 14 février 2018

Alarobia 14 Febroary 2018 - Jos 3 : 9 - 17

9Ary i Josoa nanao tamin'ny Israelita hoe:
–Manatona etỳ ka mihainoa izay lazain'ny TOMPO Andriamanitrareo. 10Ho fantatrareo amin'izao fa Andriamanitra velona no eo afovoanareo, ka horoahiny tanteraka eo anoloanareo ny Kanahanita sy Hetita, ny Hivîta sy Perizîta, ny Girgasita sy Amôrita ary Jebosita. 11Indro ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ilay Tompon'ny tany rehetra handroso eo alohanareo ao Jôrdàna. 12Koa ankehitriny, mifidiana 12 lahy eo aminareo. iray avy isaky ny foko israelita. 13Raha vao mandroboka tongotra ao anaty rano ireo mpisorona mitondra ny Vatamasin'ny TOMPO, dia ho tapaka ny ranon'i Jôrdàna: hijanona ny rano avy any ambony ka hisavovona toy ny antontan-javatra.

14Dia nandao ny toby mba hiampita an'i Jôrdàna ny vahoaka; ary ny mpisorona nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana no teo alohany. 15Fotoan'ny fararano tamin'izay ka tondraka mihoatra ny morony rehetra i Jôrdàna3.15 Ny lazaina eto dia fararano fijinjana ny ôrza aorian'ny fiotazana ny rongony (jereo 2.6); amin'izay no tondraka ny ranon'i Jôrdàna noho ny fiempon'ny ranomandry eny an-tendrombohitr'i Libano (Volana Avrily).. Raha vao tonga teo ny mpisorona nitondra ny Vatamasina ka nandroboka tongotra tao anaty renirano, 16dia nijanona ny rano avy any ambony ka nisavovona toy ny antontan-javatra terỳ lavitra terỳ, dia terỳ amin'ny tanàna Adama izay takaikin'ny tanàna Tsaratàna3.16 I Adama, voalaza koa ao amin'ny Hôs 6.7, dia tanàna iray any ampita atsinanan'i Jôrdàna, eo anilan'ny fihaonany amin'ny renirano Jabôka. –I Tsaratàna dia tanàna mifanila aminy saingy tsy tena mazava ny toerana nisy azy.; ary ny rano ambany izay nikoriana ho any amin'ny Ranomasina Maty kosa dia ritra tanteraka, hany ka afaka niampita tandrifin'i Jerikao ny vahoaka. 17Ny mpisorona izay nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO dia nijoro tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jôrdàna, mandra-pahatafita ny Israelita rehetra izay nandia tany maina ho eny ampita.

Entin'ny Tompo handova ny tany isika

1- Araho nv toromarika
Nodimbiasan'i Josoa i Mosesy. ary mitovy tanteraka ny fombàn'Andriamanitra an'i Mosesy sy i Josoa (and 7). Famantarana lehibe no nomen'ny Tompo an' i Josoa, ka nahafahanv nanome torolalana ny olona. Torolalana avy amin'ny Tompo. araka ny teny eto hoe : « Mankanesa aty ka mihainoa ny tenin 'i Jehovah Andriamanitrareo » Tsy misv angatahina amin'nv olona afa tsy ny mihaino sy mankato. Tsy afaka handroso handova ny tany ny vahoaka raha tsy mankato aloha. Ho ao an-tsain'ireto taranaka ireto ny fomban'Andriamanitra ireo razany tany aloha fony, raha niampita ny ranomasina mena. Tsy miova Andriamanitra fa eo koa ny fombàn'Andriamanitra azy ireo rehefa tafìta nv rano.

2- Ataovy nv fampiharana
Voalaza eto fa nialoha ny olona rehetra ny mpisorona nitondra ny fiaran'ny faneken' Andriamanitra. Naroboky ny mpisorona ny tongony (and 14-15) dia nijanona ny rano ka afaka niampita tamin'ny tany maina ny olona. Famantarana izany fa miaraka sy miandany amin'ny vahoakany ny Tompo. Nisy izany zavatra rehetra izany noho ny tenin'Andriamanitra. ary noho ny fankatoavan'ny olona : ary entina manaporofo koa fa tsy miova velively Andriamanitra. Mariho tsara fa tsv misy nisalasala ny mpisorona sy ny olona eto noho ny fankatoavana ny tenin' Andriamanitra, rehefa miteny Andriamanitra. Foana ny fisalasalana fa tanteraka izay rehetra nolazain' Andriamanitra rehefa mankato ny olona.

Fanontaniana
Mahay mankatoa ny tenin'Andriamanitra ve ny kristiana manoloana ny zavatra manjo azy?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12