mercredi 7 novembre 2018

Alarobia 07 Novambra 2018 - Eks 25 : 17 - 22

17«Hanaovana sarony volamena madio ilay Vatamasina, ka io sarony io dia hirefy 125 santimetatra ny lavany ary 75 santimetatra ny sakany. 18Hanefena kerobima roa volamena amin'ny sakany roa eo ambony saron'ny Vatamasina. 19Hovoasana mitambatra amin'ny saron'ny Vatamasina ireo kerobima roa ireo, eo amin'ny sakany avy. 20Hifanatrika ny kerobima roa sady manatrika ny saron'ny Vatamasina izay alofany amin'ny elany mivelatra. 21Hapetraka eo ambony Vatamasina ny sarony rehefa tafiditra ao anatiny ao ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana izay homeko anao. 22Eo ambonin'ny Vatamasina, eo anelanelan'ny kerobima roa, no hisehoako aminao; eo no hanomezako anao ny baiko rehetra momba ny Israelita.

1- Manomana ny tabernakely ny Isiraely

Manome teny amin'i Mosesy Andriamanitra hanamboatra ny tabernakely ho fihaonany amin'ny vahoakany. Fanamhoarana ny rakotra fitoeran'ny takelaka vavolomhelona no omen'ny Tompo eto. Tsy izay hevitry ny olona no anaovana azy fa araka izay refy sy endrika ilàn'Andriamanitra azy. Ny Tompo no mamaritra ny fìhaonana aminy fa tsy ny saina amam-pahalalan'ny olona. Tsy saina avy amin'ny olona ny fihaonana amin' Andriamanitra fa avy amin'izy Andriamanitra ihany. Asiana sarin'anjely kerobima volamena roa mifanatrika amin'ny andaniny roa ny rakotra. Rehefa vita ireo vao ampidirina ao « ny takelaka vavolombelona » na « ny didy folo » izany.

2- Mihaona amin'ny Israely ny Tompo

Mivavaka amin'ny Fanahy sy ny Fahamarinana ny Isiraely fa tsy amin'Andriamanitra hita maso. Eo anelanelan'ny sarony na ny rakotry ny vata sy ny kerobiama no miteny amin'i Mosesy Andriamanitra (and 22). Eo no toerana fanateran'ny mpisoronabe fanatitra ho an'i Jehovah. Eo i Mosesy no mihaona amin'Andriamanitra handray ny hafatr'i Jehovah. Andriamanitra tsy hita maso manaiky ihaona amin'ny olona ety an-tany amin'ny alalan'ny teniny. Eo amin'ny fiangonany no itenenan'ny Tompo amin'ny alalan'ny Tenin'Andriainanitra. Fivavahana tsy misy tery ny fivavahana kristiana, fa miorina amin'ny fanambaran'Andriamanitra mivantana amin'ny Teny.

Fanontaniana:
Inona no mety na tsy mety amin'ny fomba fanatonantsika an'Andriamanitra amin'nv fivavahana ? Hazavao.

mardi 6 novembre 2018

Talata 06 Novambra 2018 - Lio 12 : 35 - 40

35–Aoka ho vonona lalandava ka ny lambanareo sikino ary ny jironareo areheto. 36Manaova toy ny mpanompo miandry izay hiverenan'ny tompony avy any amin'ny fanasana; raha vao tonga sy mandondòna izy, dia vohain'ny mpanompony miaraka amin'izay. 37Sambatra ireo mpanompo hitan'ny tompony miari-tory raha tonga izy. Lazaiko marina aminareo fa hisikina lamba ny tompony ka hampipetraka azy hihinana ary handroso sakafo ho azy. 38Na misasakalina na maneno akoho no ahatongavan'ny tompony ka mahita ireo mpanompo miari-tory toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo! 39Izao no ataovy an-tsaina: raha fantatry ny tompon-trano ny ora iavian'ny mpangalatra, dia tsy havelany hotamîna ny tranony! 40Ianareo koa, aoka ho vonona hatrany, fa ho avy amin'ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak'olona.

Miandry ny Tompo isika

1 - Miambena ny fiavian'ny Tompo amin'ny fahazavana

Tahaka ny mpampakatra avy amin'ny fampakaram-bady ny Tompo. Miandry azy amim-paharetana ny mpanompony. Mazava ny tanàna sy ny trano eo am-piandrasana ny mpampakatra. Tahaka izany ny kristiana miandry ny fiavian'i Jesoa Kristy. Miaina amin'ny fiainana mazava sy masina. Vavolombelon'i Jesoa Kristy eo anivon'izao tontolo izao. Efa nanala ny aizina sy ny fahotana : tsy mirona intsony amin'ny fiainan'izao tontolo izao. Tsy tampoka amin'ny mino ny fiavian'i Jesoa Kristy, raha efa vonona amin'ny faharetana sy ny fahamasinana izy. I Jesoa Kristy mihitsy no fahazavana ao anatiny.

2 - Miambena ny fiavian'ny Zanak'olona

Tsy misy mahalala ny fotoana ahatongavan'ny Zanak'olona eny amin'ny rahon'ny lanitra ( Mar 13,32 ; Mat 24.36). Izany fiaviany fanindroany izany dia miaraka amin'ny faran'izao tontolo izao. Tsy fantatry ny Zanak'Olona dia i Jesoa Kristy ny fotoana sy ny andro hiverenany. Mbola manohv ny fanompoany ny Zanak' Olona ankehitriny any an-danitra. Omeny valim-pitia ny mpanompo miambina ny fiaviany sady mahatoky. Omeny toerana ao amin'ny fanjakany izy sady omeny fahavelomana mandrakizay. Ampitoerin'i Jesoa ao amin'ny fanjakany ny mino « ka hampipetraka azy hihinana ». Izv no mampisakafo azy ary hiara-manjaka aminy ireny ( Apok 3,20 :20.6), fotoana fialana amin'ny torimasom-pahotana izao vanim-potoanan'ny ota eto amin'izao tontolo izao. Miambena tsara ho avy i Jesoa.

Fanontaniana :
Ahoana izany atao hoe : miaina amin'ny fahazavana ?

lundi 5 novembre 2018

Alatsinainy 05 Novambra 2018 - Heb 10 : 19 - 25

19Koa isika, ry havana, dia manana ny tena fahafahana hiditra ao amin'ny Toeramasina Indrindra, noho ny ra nafoin'i Jesoa. 20Nanokafany lalana vaovao mitondra amin'ny fiainana isika: dia lalana mamaky eo amin'ny efitra lamba, izany hoe eo amin'ny tenan'i Jesoa. 21Manana Mpisorona lehibe izay mifehy ny tranon'Andriamanitra isika; 22koa aoka isika hanatona an'Andriamanitra amin'ny fo mahitsy sy amin'ny fahatokiana vokatry ny finoana, rehefa voadio ho afaka amin'ny fieritreretana vesaran'ota ny fontsika ary rehefa voasasa tamin'ny rano madio ny tenantsika. 23Aoka hohazonintsika mafy tsy azo hozongozonina ny fiekena ny zavatra antenaintsika, satria mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana. 24Aoka isika samy hifampihevitra ka hifampirisika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. 25Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany zatra tsy miangona; mifampirisiha kosa isika, mainka fa hitanareo mihantomotra ilay andro hiavian'ny Tompo.

Manatona an'Andriamanitra amin'ny alalan'i Kristy.

1- Mahatoky ny ran'i Jesoa Kristy (and 19)

Fampiorenana ny kristiana hiorina amin'ny finoana an'i Jesoa Kristy ny Epistily ho an'ny Hebreo. Mahatoky i Jesoa Kristy sy izay efa vitany teo amin'ny hazo fijaliana. Miantoka ny mino hiditra amin'ny fiainan-danitra dieny ety an-tany izany ka hatrany an-danitra. Làlana vaovao, tsy tahaka ny fivavahan'ny Jiosy izany , fa làlana mamaky eo amin'ny tenan'i Jesoa Kristy. Ny ran'i Jesoa Kristy, Ilay Mpisorona lehibe dia miantoka antsika mankany an-danitra. Misokatra ho an'ny mino an'i Jesoa Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana ny famonjena. Tsy ho an'ny Jiosy irery fa ho an'ny mino rehetra.

2- Manana Mpisorona lehibe miantoka azy ny mino

Mpisorona lehibe no iantsoana an'i Jesoa Kristy eto. Izy no miantoka ny tranon'Andriamanitra any an-danitra. Manana antoka ny mino hanatona an'i Jesoa any an- danitra. Tsara antoka ihany koa amin'ny fananany ny fiainana mandrakizay. Ireto no asa ampanaovin'i Jesoa Kristy ho antsika izay efa any an-danitra : manatona azy amin'ny fo marina sy mahitsy ; amin'ny finoana sy fo voadio ary fieritreretana tsara ; mihazona nv fanekena ny fanantenana izay manamafy orina ny fínoana. Na dia efa manana ny fiainana mandrakizay aza isika dia tena miatrika ny fanompoana ao amin'ny fiangonan' Andriamanitra eto an-tany. Manamarika ny mino ny fiombonana sy ny asa: mifampandinika hampiorina ny fitiavana sy ny asa tsara: miangona sy mifananatra mba samy hahatratra ny tanjona izay any amin'i Jesoa Kristy.


Fanontaniana:
Azontsika antoka ve fa efa any an-danitra isika izao ?

dimanche 4 novembre 2018

Alahady 04 Novambra 2018 - Amo 4 : 6 - 13

6Izaho mihitsy no efa nahatonga mosary
tao amin'ny tanànanareo rehetra,
ary tsy fahampian-tsakafo
tao amin'ny fonenanareo rehetra;
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
7Izaho mihitsy no efa nampihantona ny orana
tsy ho eo aminareo,
raha mbola telo volana mialoha ny fararano.
Ka tamin'ny tanàna anankiray nandatsahako orana,
fa tamin'ny tanàna iray kosa tsy nandatsahako;
ny saha anankiray nilatsahan'ny orana,
fa ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.
8Nivembena nankao amin'ny tanàna iray
ny mponina tamin'ny tanàna roa na telo
mba hisotro rano tsy nahafa-ketaheta,
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
9Nasiako tamin'ny vary main'ny rivotra
sy maty fotsy ianareo;
nofongorako ny zaridainanareo sy ny voalobokareo,
nohanin'ny valala ny aviavinareo sy ny ôlivanareo,
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
10Nalefako teo aminareo ny pesta mpamely biby fiompy
tahaka ny pesta nalefako tany Ejipta;
novonoiko ho faty tamin'ny sabatra ny zatovolahinareo,
sady nobaboina koa ny soavalinareo;
ary nampiakariko hatrany am-bavoronareo
ny hamaimbon'ny faty ao an-tobinareo;
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitry ny TOMPO izany.
11Efa natsimbadiko ambony ambany ny tao aminareo
tahaka izay nataoko tamin'i Sôdôma sy Gômôra;
ka ianareo izao dia toy ny tapa-porohana
nosarihina avy ao amin'ny afo
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
12Koa dia hisy sazy hataoko aminao, ry Israely;
ary rehefa izany no hataoko aminao,
dia miomàna ianao hihaona amin'Andriamanitrao.»
13Satria tandremo fa Izy no mpamorona ny tendrombohitra
sy mpahary ny rivotra,
Izy no manambara amin'ny olombelona ny fikasany,
mahatonga ny maraina ho haizina
sady mandeha eny am-paratampon'ny tany:
Ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao no anarany.

Mampahafantatra ny anarany i Jehovah.

1- Amin'ny famaizana sy ny fananarana

Ny loza mihatra amin'ny Isiraely dia famaizana nataon' Andriamanitra mba hiverenany aminy. Samy nihatra tamin' ny Isiraely avokoa ny aretina sy ny mosary fandringanana: ny haintany sy ny valala. Miverina mamehy ny fanambarana ny loza ny teny hoe ; « nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo. hoy i Jehovah » (and 6 ;8 ;9 ; 10; 11). Efa tena mafy ny fon'ny Zanak'i Isiraely tamin'ny andron'I Amosa. Ity tononkira nataon'i Amosa mpaminany ity dia misolo ny hiran'ny Isiraely izay mankarenina ny Tompo (Amosa 5,23). Tsy sitrak' Andriamanitra ny manafin-keloka amin'ny fivavahana ka izany no nahatonga ny loza.

2- Amin'ny faminaniana

Mihatra amin'i Jehovah ny fahotan'ny Isiraely izay ataony amin'ny mahantra sy ny malahelo. Mitohy hatrany izany ary tsy ialany na dia efa misy famaizana aza. Ho avy ny Tompo izay Mpahary izao tontolo izao (and 13). Misy fetra ny fotoana fananarana. Andriamanitra tsy mikapoka ary tsy masiaka fa mampianatra sy mananatra ary mampiomana amin'ny asa hataony. Milaza mialoha Izy fa hamaly ny Isiraely amin'ny ratsy, izay tsy ialany, ka hotanterahany izay nambarany. Tsy misy mahasakana ny Tompo amin'ny maha Tompo Mpahary Azy. Izy no Jehovah, «Andriamanitry ny maro »; Tompon'ny fahefana sy ny hery rehetra izy. Izy no mibaiko ny zava- boary rehetra hahatanteraka ny famaizana.

Fanontaniana;
Manao ahoana ny faharetan'Andriamanitra amin'ny maditra mba hovonjena izy ?

samedi 3 novembre 2018

Sabotsy 03 Novambra 2018 - Eks 19 :16 - 20


16Nony afakampitso, vao maraina be, dia nisy kotro-baratra sy tselatra ary rahona matevina teny an-tendrombohitra. Injany nisy feon'anjomara naneno mafy; koa tora-kovitra ny vahoaka rehetra tao an-toby. 17Nasain'i Mosesy nivoaka avy teo an-toby ny Israelita mba hihaona amin'Andriamanitra, ka nijanona teo am-pototry ny tendrombohitra ireo.

18Nidona-tsetroka ny tendrombohitra Sinay satria tanaty afo no nidinan'ny TOMPO nankeo amboniny; ary ny setroka dia niakatra toy ny avy ao amin'ny lafaoro lehibe ka nihovitrovitra ny tendrombohitra manontolo. 19Nihamafy hatrany ny feon'ny anjomara sady nihalava reny. Ary rehefa niteny tamin'Andriamanitra i Mosesy, dia novaliany tao anaty kotroka. 20Nidina nankeo an-tampon'ny tendrombohitra Sinay ny TOMPO, ary niantso an'i Mosesy hiakatra teo; dia niakatra i Mosesy.

I Jehovah miseho amin'ny Isiraely

1-Fantaro ny fiavian'ny Tompo

Kotrokorana sy helatra, rahona matevina, feon'anjomara no nanambara ny fiavian'i Jehovah amin'ny Isiraely. Ao amin'ny Deoteronomia 33,2 dia fisehoan'ny anjely sy famirapiratana no fisehoan'Andriamanitra manome ny lalàna. Manotrona an'Andriamanitra ny zava-boahary eny amin'ny habakabaka. Miaraka amin'izany ny anjomara, ny famirapiratana, ary ny fisian'nv anjely (Deo 33,2 ; Asa 7,53). Miseho amin'ny heriny sy ny voninahiny amin'ny Isiraely Andriamanitra.

2-Tariho ihaona amin'ny Tompo ny vahoaka

Tsy afaka manatona ny Tompo irery ny olona fa ilaina ny mpitarika azy, tahaka an'i Mosesy. Jehovah midina ao an-tendrombohitra ihaona amin'ny vahoakany (and 18). Voninahitra sy hery ny fisehoan'Andriamanitra ka ilaina ny fiomanana. Mitory ny fotoam-panafahana sy fotoam-pivavahana ny fitsofana ny anjomara (Lev 25,9). Tonga Andriamanitra manafaka ny Zanak'i Isiraely.

3-Andriamanitra mihaino sy mamaly

Mihaona amin'ny Tompo i Mosesy sy ny Isiraely. Miantso an'i Mosesy ny Tompo ihaona aminy ao an-tendrombohitra. I Mosesy no mpanelanelana an' Andriamanitra sy ny Isiraely. Tsy ny olona rehetra no afaka ihaona amin'ny Tompo fa ny mpanalalana (and 20). Ankehitriny dia malalaka ny fihaonantsika amin'ny Tompo amin'ny alalan'i Jesoa Kristy , amin'ny vavaka, famakiana sy ny fihainoana ny Soratra Masina.

Fanontaniana:
Manao ahoana ny fahavononantsika amin'ny fihaonana amin'Andriamanitra raha ho avy Izy?

vendredi 2 novembre 2018

Zoma 02 Novambra 2018 - Lio 19 : 1 - 10

1Tafiditra tao Jerikao i Jesoa ary namakivaky ny tanàna. 2Ary indro nisy lehilahy atao hoe Zakeo, sady lehiben'ny mpamory hetra no mpanankarena. 3Mba nitady hahita izany Jesoa izany izy, saingy fohy ka tsy afa-nanoatra satria nifanety ny vahoaka. 4Dia nilomay nialoha izy ka nianika hazo amontana mba hitazana an'i Jesoa, fa akaikin'izany no efa handalovany. 5Nony tonga teo i Jesoa, dia nitraka ary niteny tamin'i Zakeo hoe:
–Ry Zakeo, midîna faingana fa any aminao Aho anio no tsy maintsy miantrano.

6Nidina faingana i Zakeo ary nandray an'i Jesoa tamin-kafaliana. 7Nimonomonona ny olona rehetra nanatrika teo ka nanao hoe:
–Any amin'ny mpanota indray re no amantanany!

8Niato kosa i Zakeo ka niteny tamin'ny Tompo hoe:
–Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako afoiko ho an'ny mahantra; ary izay zavatr'olona azoko am-pitaka, dia honerako inefatra heny!

9Ary hoy i Jesoa taminy:
–Anio ny famonjena dia tafiditra amin'ity trano ity; noho izany ity lehilahy ity koa dia zanak'i Abrahama! 10Fa ny hitady sy hamonjy izay very no nahatongavan'ny Zanak'olona!

Ny fihaona'I Jesoa Kristy tamin'I Zakaiosy

1 - Ny fiomanan'I Zakaiosy ihaona amin'I Jesoa Kristy

Nanana hetaheta sy faniriana ahita sy  ihaona tamin'ny Jesoa I Zakaiosy, lehiben'ny mpamory hetra sady mpanankarena. Noreseny avokoa ny sakana rehetra amin' ny fihaonana amin ' I Jesoa : toe-batana; fahamaroan'ny olona tsy ahitana lalana, ny fitsaran'ny fiaraha-monina  tenany ho mpanota. Tsy mahasakana ny olona tapa-kevitra ihaona sy handray an'I Jesoa Kristy ho Tompon'ny fiainany ny zava-misy rehetra. Zava-dehibe sady maika ho an'ny mino ny fandraisana ny famonjena. Mijere an'I Jesoa Kristy dia ho tanteraka ny famonjena. (Heb 12, 2)

2 - Ny fandraisan'I Jesoa an'I Zakaiosy

Nandray an'I Zakaiosy teny amorondalana i Jesoa. Hitany ny toerana nisy ny mpanota te hibebaka sy te hanatona azy, fantany ny faniriana anaty. Maika tamin'I Jesoa Kristy ny niantrano tao amin'ny lehiben'ny mpamory hetra. I Jesoa Kristy mihintsy no nampiantrano an'I Zakaiosy tao antokantranony teto. Tsy menatra sady tsy matahotra niantrano tao amin'ny mpanota i Jesoa (and 7). Sambatra izay mihaona amin'I Jeasoa Kristy. Tonga izy nizara sy nanome fiadanana ho an'ny tokantrano. Manova fo sy mampibebaka ny fihaonanana amin'I Jesoa. Omen'I Jesoa ho azy sy ny ankohonany ny fiadanana. Vita fihavanana amin'Andriamanitra i Zakaiosy. Tafiditra tao amin'ny fanjakan'ny lanitra sady taranak'I Abrahama tamin'ny finoana i Zakaiosy. (and 9)

Fanontaniana :
Ny olona ve no mitady an'I Jesoa, sa i Jesoa no mitady ny olona? Hifampizarao amin'ny namanao izany.

jeudi 1 novembre 2018

Alakamisy 01 Novambra 2018 - Isa 35 : 3 - 4

3Ampaherezo ny tanana miraviravy
ary hatanjaho ny lohalika malemy.
4Lazao amin'izay kivy hoe:
«Mahereza, aza matahotra;
indro ny Andriamanitrareo
tonga hitondra famaizana
ka hanasazy ny fahavalonareo;
Izy mihitsy no tonga hamonjy anareo.»

"Maherezza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana" (and 4)

1 - Manome fanantenana ny Israely Andriamanitra

Mitondra ny teny fampanantenana ho an'ny Israely ny mpaminany. Hisy fahariana vaovao ho an'ny Israely voaroaka tamin'ny taniny. Ny fitsaran'Andriamanitra dia faharavan'ny fahavalo ka mahatonga azy ho tany foana. Rehefa manao ny famonjena izy dia manao ny tany ho mahavokatra sy azo honenana ary hivelomana. Tsy afaka misaraka amin'ny maha Andriamanitra mpahary azy ny maha Andriamanitra mpamonjy azy. Omena andraikitra ny mpaminany sy ny mpanompon'Andriamanitra hamelona ny finoan'ny babo, izay miatrika fitsapana sy fizahan-toetra. Ny tenin'Andriamanitra irery no antoka ka manome fanantenana ho an'ny olona mijaly. (Heb 12,12)

2 - Mitondra fanafahana Andriamanitra

Tsarain'Andriamanitra ny firenena jentilisa, izay nambabo ka nandroaka sy nampahory ny Israely. Tsy misaraka ny fitsaran'Andriamanitra ny mpampahory ny vahoakany sy ny fanafahana ny Israely ampahoriana. Mandrava ny fahavalon'ny Israely ny fitsarana marina ataon'Andriamanitra. Rehefa rava ny fahavalo dia voavony ny Israely. Tsy ny vahoakan'ny Israely no manao famaliana fa Andriamanitra mpitsara. Miasa ao anatin'ny fiainan'ny vahoakany Andriamanitra. Ny fiavin'Andriamanitra eo amin'ny Israely hamonjy azy dia amin'ny alalan'ny Mesia.

Fanontaniana :
Manao ahoana izany miandry ny fitsaran'ny Tompo?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12