lundi 5 novembre 2018

Alatsinainy 05 Novambra 2018 - Heb 10 : 19 - 25

19Koa isika, ry havana, dia manana ny tena fahafahana hiditra ao amin'ny Toeramasina Indrindra, noho ny ra nafoin'i Jesoa. 20Nanokafany lalana vaovao mitondra amin'ny fiainana isika: dia lalana mamaky eo amin'ny efitra lamba, izany hoe eo amin'ny tenan'i Jesoa. 21Manana Mpisorona lehibe izay mifehy ny tranon'Andriamanitra isika; 22koa aoka isika hanatona an'Andriamanitra amin'ny fo mahitsy sy amin'ny fahatokiana vokatry ny finoana, rehefa voadio ho afaka amin'ny fieritreretana vesaran'ota ny fontsika ary rehefa voasasa tamin'ny rano madio ny tenantsika. 23Aoka hohazonintsika mafy tsy azo hozongozonina ny fiekena ny zavatra antenaintsika, satria mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana. 24Aoka isika samy hifampihevitra ka hifampirisika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. 25Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany zatra tsy miangona; mifampirisiha kosa isika, mainka fa hitanareo mihantomotra ilay andro hiavian'ny Tompo.

Manatona an'Andriamanitra amin'ny alalan'i Kristy.

1- Mahatoky ny ran'i Jesoa Kristy (and 19)

Fampiorenana ny kristiana hiorina amin'ny finoana an'i Jesoa Kristy ny Epistily ho an'ny Hebreo. Mahatoky i Jesoa Kristy sy izay efa vitany teo amin'ny hazo fijaliana. Miantoka ny mino hiditra amin'ny fiainan-danitra dieny ety an-tany izany ka hatrany an-danitra. Làlana vaovao, tsy tahaka ny fivavahan'ny Jiosy izany , fa làlana mamaky eo amin'ny tenan'i Jesoa Kristy. Ny ran'i Jesoa Kristy, Ilay Mpisorona lehibe dia miantoka antsika mankany an-danitra. Misokatra ho an'ny mino an'i Jesoa Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana ny famonjena. Tsy ho an'ny Jiosy irery fa ho an'ny mino rehetra.

2- Manana Mpisorona lehibe miantoka azy ny mino

Mpisorona lehibe no iantsoana an'i Jesoa Kristy eto. Izy no miantoka ny tranon'Andriamanitra any an-danitra. Manana antoka ny mino hanatona an'i Jesoa any an- danitra. Tsara antoka ihany koa amin'ny fananany ny fiainana mandrakizay. Ireto no asa ampanaovin'i Jesoa Kristy ho antsika izay efa any an-danitra : manatona azy amin'ny fo marina sy mahitsy ; amin'ny finoana sy fo voadio ary fieritreretana tsara ; mihazona nv fanekena ny fanantenana izay manamafy orina ny fínoana. Na dia efa manana ny fiainana mandrakizay aza isika dia tena miatrika ny fanompoana ao amin'ny fiangonan' Andriamanitra eto an-tany. Manamarika ny mino ny fiombonana sy ny asa: mifampandinika hampiorina ny fitiavana sy ny asa tsara: miangona sy mifananatra mba samy hahatratra ny tanjona izay any amin'i Jesoa Kristy.


Fanontaniana:
Azontsika antoka ve fa efa any an-danitra isika izao ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12