dimanche 4 novembre 2018

Alahady 04 Novambra 2018 - Amo 4 : 6 - 13

6Izaho mihitsy no efa nahatonga mosary
tao amin'ny tanànanareo rehetra,
ary tsy fahampian-tsakafo
tao amin'ny fonenanareo rehetra;
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
7Izaho mihitsy no efa nampihantona ny orana
tsy ho eo aminareo,
raha mbola telo volana mialoha ny fararano.
Ka tamin'ny tanàna anankiray nandatsahako orana,
fa tamin'ny tanàna iray kosa tsy nandatsahako;
ny saha anankiray nilatsahan'ny orana,
fa ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.
8Nivembena nankao amin'ny tanàna iray
ny mponina tamin'ny tanàna roa na telo
mba hisotro rano tsy nahafa-ketaheta,
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
9Nasiako tamin'ny vary main'ny rivotra
sy maty fotsy ianareo;
nofongorako ny zaridainanareo sy ny voalobokareo,
nohanin'ny valala ny aviavinareo sy ny ôlivanareo,
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
10Nalefako teo aminareo ny pesta mpamely biby fiompy
tahaka ny pesta nalefako tany Ejipta;
novonoiko ho faty tamin'ny sabatra ny zatovolahinareo,
sady nobaboina koa ny soavalinareo;
ary nampiakariko hatrany am-bavoronareo
ny hamaimbon'ny faty ao an-tobinareo;
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitry ny TOMPO izany.
11Efa natsimbadiko ambony ambany ny tao aminareo
tahaka izay nataoko tamin'i Sôdôma sy Gômôra;
ka ianareo izao dia toy ny tapa-porohana
nosarihina avy ao amin'ny afo
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
12Koa dia hisy sazy hataoko aminao, ry Israely;
ary rehefa izany no hataoko aminao,
dia miomàna ianao hihaona amin'Andriamanitrao.»
13Satria tandremo fa Izy no mpamorona ny tendrombohitra
sy mpahary ny rivotra,
Izy no manambara amin'ny olombelona ny fikasany,
mahatonga ny maraina ho haizina
sady mandeha eny am-paratampon'ny tany:
Ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao no anarany.

Mampahafantatra ny anarany i Jehovah.

1- Amin'ny famaizana sy ny fananarana

Ny loza mihatra amin'ny Isiraely dia famaizana nataon' Andriamanitra mba hiverenany aminy. Samy nihatra tamin' ny Isiraely avokoa ny aretina sy ny mosary fandringanana: ny haintany sy ny valala. Miverina mamehy ny fanambarana ny loza ny teny hoe ; « nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo. hoy i Jehovah » (and 6 ;8 ;9 ; 10; 11). Efa tena mafy ny fon'ny Zanak'i Isiraely tamin'ny andron'I Amosa. Ity tononkira nataon'i Amosa mpaminany ity dia misolo ny hiran'ny Isiraely izay mankarenina ny Tompo (Amosa 5,23). Tsy sitrak' Andriamanitra ny manafin-keloka amin'ny fivavahana ka izany no nahatonga ny loza.

2- Amin'ny faminaniana

Mihatra amin'i Jehovah ny fahotan'ny Isiraely izay ataony amin'ny mahantra sy ny malahelo. Mitohy hatrany izany ary tsy ialany na dia efa misy famaizana aza. Ho avy ny Tompo izay Mpahary izao tontolo izao (and 13). Misy fetra ny fotoana fananarana. Andriamanitra tsy mikapoka ary tsy masiaka fa mampianatra sy mananatra ary mampiomana amin'ny asa hataony. Milaza mialoha Izy fa hamaly ny Isiraely amin'ny ratsy, izay tsy ialany, ka hotanterahany izay nambarany. Tsy misy mahasakana ny Tompo amin'ny maha Tompo Mpahary Azy. Izy no Jehovah, «Andriamanitry ny maro »; Tompon'ny fahefana sy ny hery rehetra izy. Izy no mibaiko ny zava- boary rehetra hahatanteraka ny famaizana.

Fanontaniana;
Manao ahoana ny faharetan'Andriamanitra amin'ny maditra mba hovonjena izy ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12