samedi 3 novembre 2018

Sabotsy 03 Novambra 2018 - Eks 19 :16 - 20


16Nony afakampitso, vao maraina be, dia nisy kotro-baratra sy tselatra ary rahona matevina teny an-tendrombohitra. Injany nisy feon'anjomara naneno mafy; koa tora-kovitra ny vahoaka rehetra tao an-toby. 17Nasain'i Mosesy nivoaka avy teo an-toby ny Israelita mba hihaona amin'Andriamanitra, ka nijanona teo am-pototry ny tendrombohitra ireo.

18Nidona-tsetroka ny tendrombohitra Sinay satria tanaty afo no nidinan'ny TOMPO nankeo amboniny; ary ny setroka dia niakatra toy ny avy ao amin'ny lafaoro lehibe ka nihovitrovitra ny tendrombohitra manontolo. 19Nihamafy hatrany ny feon'ny anjomara sady nihalava reny. Ary rehefa niteny tamin'Andriamanitra i Mosesy, dia novaliany tao anaty kotroka. 20Nidina nankeo an-tampon'ny tendrombohitra Sinay ny TOMPO, ary niantso an'i Mosesy hiakatra teo; dia niakatra i Mosesy.

I Jehovah miseho amin'ny Isiraely

1-Fantaro ny fiavian'ny Tompo

Kotrokorana sy helatra, rahona matevina, feon'anjomara no nanambara ny fiavian'i Jehovah amin'ny Isiraely. Ao amin'ny Deoteronomia 33,2 dia fisehoan'ny anjely sy famirapiratana no fisehoan'Andriamanitra manome ny lalàna. Manotrona an'Andriamanitra ny zava-boahary eny amin'ny habakabaka. Miaraka amin'izany ny anjomara, ny famirapiratana, ary ny fisian'nv anjely (Deo 33,2 ; Asa 7,53). Miseho amin'ny heriny sy ny voninahiny amin'ny Isiraely Andriamanitra.

2-Tariho ihaona amin'ny Tompo ny vahoaka

Tsy afaka manatona ny Tompo irery ny olona fa ilaina ny mpitarika azy, tahaka an'i Mosesy. Jehovah midina ao an-tendrombohitra ihaona amin'ny vahoakany (and 18). Voninahitra sy hery ny fisehoan'Andriamanitra ka ilaina ny fiomanana. Mitory ny fotoam-panafahana sy fotoam-pivavahana ny fitsofana ny anjomara (Lev 25,9). Tonga Andriamanitra manafaka ny Zanak'i Isiraely.

3-Andriamanitra mihaino sy mamaly

Mihaona amin'ny Tompo i Mosesy sy ny Isiraely. Miantso an'i Mosesy ny Tompo ihaona aminy ao an-tendrombohitra. I Mosesy no mpanelanelana an' Andriamanitra sy ny Isiraely. Tsy ny olona rehetra no afaka ihaona amin'ny Tompo fa ny mpanalalana (and 20). Ankehitriny dia malalaka ny fihaonantsika amin'ny Tompo amin'ny alalan'i Jesoa Kristy , amin'ny vavaka, famakiana sy ny fihainoana ny Soratra Masina.

Fanontaniana:
Manao ahoana ny fahavononantsika amin'ny fihaonana amin'Andriamanitra raha ho avy Izy?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12