vendredi 2 novembre 2018

Zoma 02 Novambra 2018 - Lio 19 : 1 - 10

1Tafiditra tao Jerikao i Jesoa ary namakivaky ny tanàna. 2Ary indro nisy lehilahy atao hoe Zakeo, sady lehiben'ny mpamory hetra no mpanankarena. 3Mba nitady hahita izany Jesoa izany izy, saingy fohy ka tsy afa-nanoatra satria nifanety ny vahoaka. 4Dia nilomay nialoha izy ka nianika hazo amontana mba hitazana an'i Jesoa, fa akaikin'izany no efa handalovany. 5Nony tonga teo i Jesoa, dia nitraka ary niteny tamin'i Zakeo hoe:
–Ry Zakeo, midîna faingana fa any aminao Aho anio no tsy maintsy miantrano.

6Nidina faingana i Zakeo ary nandray an'i Jesoa tamin-kafaliana. 7Nimonomonona ny olona rehetra nanatrika teo ka nanao hoe:
–Any amin'ny mpanota indray re no amantanany!

8Niato kosa i Zakeo ka niteny tamin'ny Tompo hoe:
–Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako afoiko ho an'ny mahantra; ary izay zavatr'olona azoko am-pitaka, dia honerako inefatra heny!

9Ary hoy i Jesoa taminy:
–Anio ny famonjena dia tafiditra amin'ity trano ity; noho izany ity lehilahy ity koa dia zanak'i Abrahama! 10Fa ny hitady sy hamonjy izay very no nahatongavan'ny Zanak'olona!

Ny fihaona'I Jesoa Kristy tamin'I Zakaiosy

1 - Ny fiomanan'I Zakaiosy ihaona amin'I Jesoa Kristy

Nanana hetaheta sy faniriana ahita sy  ihaona tamin'ny Jesoa I Zakaiosy, lehiben'ny mpamory hetra sady mpanankarena. Noreseny avokoa ny sakana rehetra amin' ny fihaonana amin ' I Jesoa : toe-batana; fahamaroan'ny olona tsy ahitana lalana, ny fitsaran'ny fiaraha-monina  tenany ho mpanota. Tsy mahasakana ny olona tapa-kevitra ihaona sy handray an'I Jesoa Kristy ho Tompon'ny fiainany ny zava-misy rehetra. Zava-dehibe sady maika ho an'ny mino ny fandraisana ny famonjena. Mijere an'I Jesoa Kristy dia ho tanteraka ny famonjena. (Heb 12, 2)

2 - Ny fandraisan'I Jesoa an'I Zakaiosy

Nandray an'I Zakaiosy teny amorondalana i Jesoa. Hitany ny toerana nisy ny mpanota te hibebaka sy te hanatona azy, fantany ny faniriana anaty. Maika tamin'I Jesoa Kristy ny niantrano tao amin'ny lehiben'ny mpamory hetra. I Jesoa Kristy mihintsy no nampiantrano an'I Zakaiosy tao antokantranony teto. Tsy menatra sady tsy matahotra niantrano tao amin'ny mpanota i Jesoa (and 7). Sambatra izay mihaona amin'I Jeasoa Kristy. Tonga izy nizara sy nanome fiadanana ho an'ny tokantrano. Manova fo sy mampibebaka ny fihaonanana amin'I Jesoa. Omen'I Jesoa ho azy sy ny ankohonany ny fiadanana. Vita fihavanana amin'Andriamanitra i Zakaiosy. Tafiditra tao amin'ny fanjakan'ny lanitra sady taranak'I Abrahama tamin'ny finoana i Zakaiosy. (and 9)

Fanontaniana :
Ny olona ve no mitady an'I Jesoa, sa i Jesoa no mitady ny olona? Hifampizarao amin'ny namanao izany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12