mercredi 28 février 2018

Alarobia 28 Febroary 2018 - Jao 8 : 39 - 47

39Dia niteny tamin'i Jesoa ry zareo nanao hoe:
–I Abrahama no rainay!

Fa hoy i Jesoa taminy:
–Raha tena zanak'i Abrahama ianareo, dia ho nanao ireo asan'i Abrahama8.39 dia ho nanao ireo asan'i Abrahama: misy stf maro ahitana hoe dia manaova ireo asan'i Abrahama.–ireo asan'i Abrahama: ampit Heb 11.8-19.. 40Nefa ankehitriny tadiavianareo hovonoina Aho, dia Izaho nilaza taminareo ny marina izay efa reko tamin'Andriamanitra: tsy mba nanao izany i Abrahama! 41Fa ianareo kosa dia ny asan'ny rainareo no ataonareo.

Dia hoy ireo taminy:
–Tsy zaza sary izahay no nateraka; tokana ihany ny rainay, dia Andriamanitra.

42I Jesoa kosa nanao taminy hoe:
–Raha Andriamanitra no tena Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ; tsy avy amin'ny tenako no nahatongavako, fa Izy no naniraka Ahy. 43Ahoana no tsy ahazoanareo ny fiteniko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo. 44Ny devoly no ray niavianareo, ka ny filàndratsin'ny rainareo no satrinareo hatao. Ny devoly dia mpamono olona hatrany am-boalohany; ary tsy nitoetra tamin'ny marina izy, satria ny marina tsy ao aminy. Raha mandainga izy, dia miteny araka ny toetrany satria mpandainga izy sady rain'ny mpandainga. 45Fa Izaho kosa tsy inoanareo, satria ny marina no lazaiko. 46Iza moa aminareo no afaka hanaporofo fa nanota Aho? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy 47Izay avy amin'Andriamanitra no mihaino ny tenin'Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy avy amin'Andriamanitra ianareo!

Ny tena zanak' Andriamanitra

1- Manao asa tsara
Milaza ho zanak i Abrahama ireto jiosy miresaka amin'i Jesoa Kristy. Ny toetra anefa dia mifanohitra tanteraka amin'izany satria i Abrahama dia olon'ny finoana, feno fahatokiana sy fankatoavana an' Andriamanitra. Tsy manana ny toetran'i Abrahama ireto jiosy ireto. I Jesoa Kristy milaza ny marina, manao ny asan'Andriamanitra indray no notadiavin'izy ireo hovonoina. Asa ratsy no kasain'izy ireo atao. Tsarovy fa ny tena zanak' Andriamanitra dia mino sy mankatoa ny Tenin'Andriamanitra ary mivonona hanao asa tsara mandrakariva.

2- Mihaino nv Tenin' Andriamanitra
Aharihary eto fa zava-dehibe eo amin'ny fíainan'ny zanak'Andriamanitra ny fahaizana mihaino Azy, ny fanarahana, ny fankatoavana na fampiharana eo amin' ny fiainana izay lazainy. Ny Teniny no mampifandray ny zanany amin'Andriamanitra Ray koa izay zanany marina tokoa dia mangetaheta ihaino izay lazainy isan'andro. Manokana fotoana isan'andro ahafahanao mihaino ny Tenin'Andriamanitra, hifaneraseranao Aminy, handraisanao ny toro-lalana hitondranao ny fiainana dia ho tena zanany marina tokoa ianao.

Fanontaniana:
Inona no vokatsoa azo amin'ny fíhainoana ny Tenin' Andriamanitra ?

mardi 27 février 2018

Talata 27 Febroary 2018 - I Mpa 11 : 38 - 39

38Raha henoinao izay rehetra andidiako anao ka izoranao ny sori-dalako ary ataonao izay mahitsy eo imasoko sady tandremanao ny lalànako sy ny didiko tahaka ny nataon'i Davida mpanompoko, dia hiaraka aminao Aho ka hampiorina taranaka maharitra ho anao tahaka izay nataoko tamin'i Davida; ary dia homeko anao i Israely11.38 Israely: ireo foko folo any avaratra no ambara amin'izany., 39mba hampietreko ny taranak'i Davida –nefa tsy ho mandrakizay akory izany.

Ny olom-boafidin'Andriamanitra

1- Manaraka nv toro-lalana avy amin'Andriamanitra
Aseho fa Andriamanitra mihitsy no mifìdy sv hametraka an'i Jeroboama ho mpanjakan'ny Israely rehefa hizara roa ny fanjakana. Manoloana izany andraikitra izany dia mananatra an'i Jeroboama Izy fa mandeha amin'izany tíany hitondrany nv fanjakana izy fa manaraka ny toro- marika avy amin'Andriamanitra hatrany. Adidiny nv mihaino ny Tenin'Andriamanitra ambara aminy. ny manaraka ny làlana voasoritr'Andriamanitra hizorana arv indrindra ny miaina sy ny mivelona amin'izany.

2- Ampanantenana fitahiana
Raha manaraka tsara ny toro-marika omen' Andriamanitra azy i Jeroboama dia voalaza eto fa hotanterahin'Andriamanitra aminy ny fiainam-pitahiana: "ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao ... ary homeko anao ny Israely". Maneho izany fa fahombiazana ho aifny fítondran'ny olomboafidin' Andriamanitra ny fanekena hihaino sy handray ny toro- marika omeny. Izay tsy mety mihaino. tsy mandray kosa dia fahapotehana sy faharavana. Meteza ianao hihaino. handray ny toro-marika avy amin'ny tenin' Andriamanitra hitondranao ny fiainanao dia ho tsapanao fa fìainam-pitahiana ho tanterahiny ho anao.

Fanontaniana :
Nanao ahoana ny fiainan'i Jeroboama rehefa tonga mpanjaka tao amin'ny fanjakana avaratra izy? Inona no fampianarana ho anao amin'izany?

lundi 26 février 2018

Alatsinainy 26 Febroary 2018 - Asa 13 : 44 - 52

44Ary tamin'ny sabata herin'io, dia saika tafangona avokoa ny mponina rehetra ao an-tanàna mba hihaino ny tenin'Andriamanitra. 45Tonga feno fialonana ny Jiosy nony nahita ny vahoaka maro, ka sady nanohitra ny teny voalazan'i Paoly no nanevateva azy. 46Feno fahasahiana kosa i Paoly sy i Barnabà ka niteny taminy hoe:

–Ianareo aloha no tsy maintsy nitoriana ny tenin'Andriamanitra. Nolavinareo anefa izany ary ohatra ny ataonareo ho tsy mendrika ny fiaina-maharitra mandrakizay ny tenanareo, koa indro hitodika hankany amin'ny hafa firenena izahay. 47Fa izao no nandidian'ny Tompo anay:

«Notendreko ho fanazavana ny hafa firenena ianao,
mba hitondranao ny famonjena hatrany am-paran'ny tany13.47 Is 49.6.!»

48Nandre izany ny hafa firenena ka faly sady nanome voninahitra ny tenin'ny Tompo; ary izay rehetra voalahatra hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay dia tonga mpino.

49Dia niely manerana izany faritany izany ny tenin'ny Tompo. 50Nomen'ny Jiosy fo anefa ireo vehivavy mpanaja an'Andriamanitra sady ambony toerana ary koa ireo lehibe tao an-tanàna; dia nahatonga fanenjehana an'i Paoly sy i Barnabà ry zareo ka nandroaka azy roa lahy hiala tamin'ny faritany. 51Nahintsan'i Paoly sy i Barnabà ny vovoka teny amin'ny tongony13.51 Jereo Mk 6.11 sy nta. ho fiampangana azy ireo, dia lasa izy roa lahy nankany Ikôniôma. 52Ary heni-kafaliana sy feno Fanahy Masina ny mpianatra tao Antiôkia.

Ny Filazantsaran'I Jesoa Kristy
1- Natao ho an'ny olona rehetra
Mitombo hatrany ireo sokajin'olona nihaino ny fitoriana ny Filazantsara nataon'i Paoly sy Barnabasy. Tsy ireo jiosy ihany fa teo ny jentilisa izay tena liana tokoa. Rehefa nahita izany nv jiosv dia velom-pialonana, nanohitra ary nitadv nv fomba rehetra hanakoron-tanana mba ahatonga fanenjehana ireto mpitory ny fílazantsara. Tsy nampihemotra ny mpitory nv filazantsara izany fa feno fahasahiana hatranv izv ireo nanambara. Isan'ny andraikitra nanirahana azy nv hitondra fanazavana any amin'ny jentilisa (and.47). Tian'Andriamanitra loatra ianao, maniraka ny mpanompony hitory ny Teniny aminao Izy. Mahaiza mihaino ny Tenin'Andriamanitra.

2- Mitondra fifaliana ho an'izav mandray
Ireo jiosy tsy nihaino ny Tenin'Andriamanitra dia feno fialonana ary nitorika fanakoron-tanana. Na dia teo aza izany sy ny fanoherana nataon'ireo mpitarika tao amin'ny synagoga dia nandroso hatrany ny asa fitoriana nataon'i Paoly sy Barnabasv. Niavaka kosa ny fiainan'ireo nihaino sy nandray ny Tenin'Andriamanitra: "faly izy ka nankalaza ny Tenin'Andriamanitra ; ary izay voalahatra ho amin'ny fiainana mandrakizay dia nino" (and.49). Meteza isika mba hihaino sy handray marina ny Tenin' Andriamanitra dia ho resy ny fialonana ka hanana fiainam- pifaliana mandrakariva isika satria azo antoka ny Fiainana mandrakizay omen'ny Tompo antsiky mpino azy.

Fanontaniana :
Manana andraikitra ve ianao amin'ny fanohanana ny mpitory ny filazantsara ? Inona avy izany ?

dimanche 25 février 2018

Alahady 25 Febroary 2018 - I Sam 15 : 16 - 29

16Fa hoy i Samoela tamin'i Saoly:
–Aoka izay, fa hambarako anao izay nolazain'ny TOMPO tamiko halina.

Ary hoy izy taminy:
–Ambarao àry!

17Dia hoy i Samoela hoe:
–Na dia nihevitra ny tenanao ho tsy nanao ahoana aza ianao taloha, dia efa tonga filohan'ny fokon'i Israely, fa ny TOMPO efa nanosotra anao ho mpanjakan'i Israely. 18Ary IZY efa nanoro lalana anao handeha hamongotra tanteraka ireo Hamalekita mpanota ireo ary hiady aminy mandra-paharingany. 19Koa nahoana no tsy nohenoinao ny tenin'ny TOMPO, fa avy hatrany ianao dia niantoraka tamin'ny remby, ary nanao izay nampalahelo ny TOMPO?

20Fa hoy i Saoly tamin'i Samoela:
–Efa nanaiky ny tenin'ny TOMPO aho, ary efa nanaraka izay natorony ahy. Efa novonoin-ko faty avokoa ny Hamalekita, afa-tsy i Agaga mpanjakany ihany izay nentiko eto; 21fa ny miaramila kosa, raha nanavaka ireo biby izay tsara indrindra tokony ho naringana, dia ny hanolorana azy ho sorona ho an'ny TOMPO Andriamanitrao eto Gilgàla.

22Dia hoy indray i Samoela hoe:
–Moa sitraky ny TOMPO mihoatra noho ny fankatoavana AZY ve ny sorona dorana manontolo sy sorona hafa? Tsia! Fa tsara noho ny sorona rehetra ny fankatoavana AZY ary tsara noho ny jaboran'ondrilahy ny fanekena Azy. 23Fa ratsy toy ny sikidy ny fikomiana aminy, ary ratsy toy ny fanompoan-tsampy ny tsy fanekena Azy. Koa satria nandà ny tenin'ny TOMPO ianao, dia mba laviny kosa tsy ho mpanjaka intsony.

24Ka hoy ny navalin'i Saoly azy:
–Efa nanota tokoa aho, satria nandika ny didin'ny TOMPO sy ny teninao. Natahotra ny miaramila manko aho, ka nanaraka ny teniny. 25Ankehitriny, miangavy anao re aho, mamelà ny heloko ka miverena miaraka amiko mba hahazoako miankohoka eo anatrehan'ny TOMPO.

26Hoy kosa i Samoela taminy:
–Tsia, tsy hiverina hiaraka aminao aho, satria efa nandà ny tenin'ny TOMPO ianao, ka dia laviny koa tsy ho mpanjakan'i Israely intsony.

27Ary raha nihodina handeha iny i Samoela, dia nohazonin'i Saoly tamin'ny rebareban'akanjony, izay rovitra niendaka terỳ. 28Dia hoy i Samoela taminy:
–Tahaka izany koa androany no hanendahan'ny TOMPO aminao ny fanjakan'i Israely mba homeny ho an'ny hafa15.28 Dia i Davida izany, ampit 13.14 sy nta. izay mendrika kokoa noho ianao. 29Fa ny TOMPO, Ilay Herin'i Israely, dia tsy mba mandainga na miova hevitra. Tsy olombelona Izy ka hiova hevitra.

Ny olona mihaino ny Tenin'Andriamanitra

1- Tsy maintsv mankatoa
Tsy nandray ny toro-marika nambaran'i Samoela i Saoly mpanjaka. Nihevitra ny tenany ho nanan-tsaina ambony, ary hahazo sitraka avy amiin'Andriamanitra rehefa nahazo sambo-belona an'i Agaga mpanjakan'ny Amalekita ka nanao fanatitra ho an'Andriamanitra tamin'ireo biby heveriny ho tsara sy matavy. Diso hevitra izy noho izany, nihaino fotsiny fa tsy nanatanteraka ny toro-marika nomen'Andriamanitra fa tokony haringana nv Amalekita sy ny fananany. Tsy nankasitrahan'Andriamanitra ny zavatra nataony, Tsarovy fa ianao mankatoa ny Tenin' Andriamanitra no zava-dehibe fa tsy ny fanatitra entinao na dia heverina ho tsara indrindra aza izany.

2- Tsaraina
Noho ny tsy fankatoavana ny Tenin'Andriamanitra dia niharan'nv sazy i Saoly mpanjaka. Nolavin'Andriamanitra ny maha-mpanjaka azy. tsv afaka ny hanao ny asan'ny mpanjaka ny tarananv. Tsy azo vazivaziana nv Tompo, eny fa na dia niaiky nv fahadisoany, nifona noho ny fahotana nataonv aza izv dia mazava nv fanapahan-kevitr'Andriamanitra. Esoriny amin'ny fanjakana i Saoly. Efa misv olona voahomana handimbv azv eo amin'ny fanjakana. Ataovv ho zava-dehibe hatrany eo amin'ny fìainanao ny Tenin'Andriamanitra, ankatoavy. hiaino izay ambarany aminao dia ho azo antoka ny ho avinao.

Fanontaniana :
Nahoana no misy olona manao ho ambony ny feon'ny fíeritrertany na ny olona akaiky azy noho ny Tenin' Andriamanitra ?

samedi 24 février 2018

Sabotsy 24 Febroary 2018 - Mat 10 : 5 - 15

5Izy 12 lahy ireo dia nirahin'i Jesoa sady nohafatrafarany hoe:

–Aza mandeha any amin'ny faritra onenan'ny hafa firenena ary aza miditra amin'ny tanànan'ny Samaritanina; 6fa aleo manatona ny ondry very, dia ny vahoaka Israely. 7Ary rehefa mandeha ianareo, dia manaova antso avo hoe: «Efa tonga ny Fanjakàn'ny lanitra!» 8Sitrano ny marary, atsangano ho velona ny maty, diovy ny marary hoditra, roahy ny demony; nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana. 9Aza mitady vola hatao am-paosy, na volamena izany na volafotsy na varahina; 10aza mitondra kitapom-batsy ho amin'ny dia, na akanjo hisoloana, na kapa, na tehina; fa ny mpiasa dia mendrika homena izay hivelomany10.10 Ireo mpampianatra jiosy dia afaka mivelona amin'ny fanomezana atolotr'ireo mpianany.

11Raha misy tanàna lehibe na tanàna kely idiranareo, dia fotory izay olona mendrika handray anareo; ka mitoera ao aminy mandra-piàlanareo ny tanàna. 12Vao miditra ny trano ianareo dia miarahabà hoe: «Ho ao aminareo anie ny fiadanana10.12 Ny fiarahabana, eo amin'ny Jiosy, dia nirary fiadanana.!» 13Koa raha mandray anareo ny ao an-trano, dia aoka ho tonga aminy tokoa ny fiadanana rarînareo; fa raha tsy mandray anareo ny ao an-trano, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana rarînareo. 14Ary izay trano na tanàna tsy handraisan'ny olona anareo na tsy hihainoany teny anareo, dia ialao; ka ahintsano eo ny vovoka avy amin'ny tongotrareo10.14 Jereo Mk 6.11 sy nta; Asa 13.51; ampit Asa 18.6.. 15Lazaiko marina aminareo fa amin'ny andro fitsarana dia ho azoazo kokoa ny sazy hihatra amin'i Sôdôma sy i Gômôra10.15 I Sôdôma sy i Gômôra: jereo Gen 18–19. noho ny hihatra amin'izany tanàna izany!

Ny mpianatry ny Tompo

1- Mitoritenv
Nambaran'I Jesoa Kristy mazava tsara tamin'ny mpianany ny lalana hizorana. Tsy handendeha fotsiny anefa fa hitoriteny, hanambara amin'ny zanak'Israely fa "Efa mby akaiky ny fanjakan'Andriamanitra". Tsarovy fa ny olona nantsoin'i Jesoa Kristv dia tsy mandehandeha amin'izay lalana tiany hizorana. Jesoa Kristy no mamaritra ny lalana sy ny andraikitra hotanterahina. Hanambara ny fanjakany.

2- Matoky ny fitondran'nv Tompo
Asa sarotra nv miandry. Hitondra fanafahana, fíainana ho an'ireo voafatotr'i satana. Tsy miantehitra amin'ny herin' ny tena, tsy mitady tombotsoa manokana. Ambarany fa manana ny hevitra hitondrany ny fiainan'ny olomboafidiny ny Tompo. Ny olona nofidian'ny Tompo hanao ny asanv dia tsinjovinv mandrakariva.

3- Mitondra fitahiana ho an'ny hafa
Asa fanompoana miavaka no tanterahin'ny mpianatry ny Tompo. Ireo mino, manaiky handray azy ireo dia mandray fiadanana. Ireo izav minia tsv mandray kosa dia fiampangana no anjarany. Tsarovy ary fa ny mpanompo irahin'Andriamanitra mitory ny fílazantsara dia hitondra fitahiana, fiadanana ho antsika. Mahaiza mandray azy ireny dia hotanteraka aminao ny fiadanan'i Jesoa Kristy.

Fanontaniana:
Inona no mahasarobidy ny asan'ny mpitory ny filazantsara ?

vendredi 23 février 2018

Zoma 23 Febroary 2018 - Jer 2 : 4 - 13

4Ry taranak'i Jakôba
sy ry fokon'i Israely rehetra,
henoy ny tenin'ny TOMPO
5fa izao no lazainy aminareo:
Inona moa no hadisoana
hitan'ny razanareo tamiko
no dia nanalavitra Ahy TOMPO izy?
Nandeha nanaraka zava-poana izy
ka dia tonga zava-poana koa!
6Tsy nanontany tena akory izy hoe:
Mba aiza àry izao ny TOMPO
izay nitondra antsika niala tany Ejipta
sy nitarika antsika namakivaky ny taniefitra,
faritany karankaina sy be hantsana,
tany mangentana sy mampahatahotra
fa tsy andalovan'olona sady tsy misy mponina?
7Izaho no nampiditra anareo
ho ao amin'ny tany lonaka
mba hihinananareo ny vokatra tsara avy aminy;
kanjo rehefa tafiditra tao ianareo
dia nolotoinareo ny taniko
ary ny fananako nametrahanareo zava-maharikoriko.
8Tsy nanontany akory ny mpisorona hoe:
«Mba aiza àry izao ny TOMPO?»
Ny mpahay lalàna kosa tsy nahalala Ahy,
ireo mpitarika nikomy tamiko,
ny mpaminany niteny tamin'ny anaran'i Bahala,
ary izy rehetra samy nifikitra
tamin'ny andriamani-tsiizy sady tsy mahasoa.
9Noho izany dia hifandahatra
hiady aminareo Aho,
ary hatrany amin'ny zafinareo no hiadiako;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
10Fa mba mandehana ange miampita
any amin'ny nosy Kitima ka zahao,
mba maniraha olona hanadihady
any amin'ny Arabo ao Kedara2.10 ny nosy Kitima na ireo nosy Grika. –Kedara: any avaratry ny taniefitr'i Arabia, izany hoe any atsinanan'i Palestinina, mifanohitra amin'ny mankany amin'ireo nosy grika.,
raha mahita toe-javatra tahaka izao any e!
11Moa ve nisy firenena
efa nanova ny andriamaniny,
nefa tsy andriamanitra akory ireny!
Fa ny vahoakako kosa efa nanakalo ny voninahiny
tamin'ireo andriamanitra tsy mahasoa akory.
12Koa aoka ho gaga ianareo any an-danitra
ka samia raiki-tahotra sy mangorohoro;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
13Faharatsiana roa sosona
no nataon'ny vahoakako:
fa sady nahafoy Ahy loharano velona izy
no nihady lava-drano ho azy,
kanjo lava-drano mitriatra ireny
ka tsy nahatan-drano.

Ny olona tsy mihaino an'Andriamanitra

1- Manadino nv famonjen'Andriamanitra
Ahariharin'i Jeremia eto ny toetra nananan'ny Zanak'Israely. Ilay fìrenena nanehoan'Andriamanitra fitiavana manokana, nokarakariana fatratra kanjo niova tanteraka. Niodina, nanda Ilay Andriamanitra efa naneho famonjena raha nanafaka azv ireo tanv amin'ny tanv Egypta ka namponina tao amin'ny tany Kanana, tany nahitany ny tena fiainana. Tsv nihaino an'Andriamanitra izy ireo fa ny fanompoan-tsainpy no nomeny toerana. Rehefa tsv manokana fotoana hihainoana ny Tenin' Andriamanitra ny olona dia latsaka amin'ny fandrikv satana.

2- Tsv mahita fitahiana
Ny sokajin'olona rehetra teo amin'ny Israely no nivadika tamin'Andriamanitra, isan'izany ireo tompon'andraikitra ara-pivavahana izay tokonv nitaiza sy nitarika nv vahoaka iaina amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra. Nandao tanteraka an'Andriamanitra ny zanak'Israelv, niaina tamin'ny faharatsiana lalina tokoa.Vokatry ny fanadinoana an'Andriamanitra rava ny fiainany. Tsy misy fiainam- pitahiana ho azy ireo intsony: «Efa nahafoy Ahy, loharanon'aina izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an'ny tenany. nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano» (and.13). Na toa inona na toa inona ezaka itondran'ny olona ny fiainany. Rehefa tsy miaraka amin'Andriamanitra dia tsy mahita fitahiana izy.

Fanontaniana:
Nahoana ny manadino an'Andriamanitra ny olona rehefa milamina ny fiainany ?


jeudi 22 février 2018

Alakamisy 22 Febroary 2018 - Apo 1 : 1 - 3

1Fanambaràna1.1 Ny teny grika midika hoe fanambaràna no nahatonga ity boky ity hantsoina hoe Apôkalipsỳ.  nataon'i Jesoa Kristy no aroso amin'ity boky ity. Izany fanambaràna izany dia nomen'Andriamanitra Azy mba hanehoan'i Jesoa Kristy amin'ireo mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana. I Jesoa Kristy, tamin'ny alalan'ny anjely izay nirahiny, no nampahalala izany tamin'i Jôhany. 2Io Jôhany io no vavolombelona nampita ny teny avy amin'Andriamanitra sy ny hafatra nijoroan'i Jesoa Kristy ho vavolombelona, dia ny zavatra rehetra efa hitany1.2 Jereo 1.11,12 sns: zavatra hitany no tena hovisavisain'i Jôhany, kanefa misy zavatra reny ihany koa ombieniombieny.. 3Sambatra izay mamaky sy ireo mihaino ny tenin'ity faminaniana ity, ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoanandro hahatanterahan'ireo zavatra ireo.

Ny irak'Andriamanitra

Aseho eto amin'itv fitarihan-tonin'ny Bokin'ny Apokalipsy ity maha izv azy ny irak'Andriamanitra

1- Mihaino arv manambara
Ny fanambarany an'i Jesoa Kristy ho ren'ny olona rehetra no anjara fanompoana niantsoany nv mpanompony. Aseho eto fa mba ahatanteraka izany dia Andriamanitra Ray no manome toro-hevitra ny Zanany ny amin'izay tokony hambara sy haseho. I Jesoa Kristy indray no manolotra sy mampahafantatra amin'ny olony izay tokonv holazainy amin'ny fanirahany ny anjely. Noho izany izay mahay mihaino no afaka mandrav tsara ilay hafatra sy mampahafantatra izany. Isan'andro ianao dia mandray ny hafatr'Andriamanilra. Meteza ho tena irak'Andriamanitra hanambara izany amin'nv manodidina anao.

2 - Maneho nv fikasan'Andriamanitra
Tanjon'Andriamanitra amin'ny fanirahana ny mpanompony ny ahatonga izao rehetra izao ahalala fa i Jesoa Kristy irery ihany no Mpamonjy. Noho izanv izay manaiky sy mihaino ary indrindra mitandrina. miaina amin'ny teny filazana ny amin'i Jesoa Kristy sy asanv notanterahiny teto amin'izao tontolo izao dia mandray fiainana vaovao. Manana ny fiainam-pahasambarana anjara fanompoana anirahan'Andriamanitra n>ympanompony araka izany ny maneho izany fikasan' Andriamanitra izany. Koa raha nihaino ianao, fantaro ny lalana mitondra ho amin'ny fìainam-pahasambarana dia lazao. amharao amin'nv namanao izanv.

Fanontaniana
Fantatrao ve ny andraikitra nifidian'i Jesoa Kristy anao

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12