vendredi 23 février 2018

Zoma 23 Febroary 2018 - Jer 2 : 4 - 13

4Ry taranak'i Jakôba
sy ry fokon'i Israely rehetra,
henoy ny tenin'ny TOMPO
5fa izao no lazainy aminareo:
Inona moa no hadisoana
hitan'ny razanareo tamiko
no dia nanalavitra Ahy TOMPO izy?
Nandeha nanaraka zava-poana izy
ka dia tonga zava-poana koa!
6Tsy nanontany tena akory izy hoe:
Mba aiza àry izao ny TOMPO
izay nitondra antsika niala tany Ejipta
sy nitarika antsika namakivaky ny taniefitra,
faritany karankaina sy be hantsana,
tany mangentana sy mampahatahotra
fa tsy andalovan'olona sady tsy misy mponina?
7Izaho no nampiditra anareo
ho ao amin'ny tany lonaka
mba hihinananareo ny vokatra tsara avy aminy;
kanjo rehefa tafiditra tao ianareo
dia nolotoinareo ny taniko
ary ny fananako nametrahanareo zava-maharikoriko.
8Tsy nanontany akory ny mpisorona hoe:
«Mba aiza àry izao ny TOMPO?»
Ny mpahay lalàna kosa tsy nahalala Ahy,
ireo mpitarika nikomy tamiko,
ny mpaminany niteny tamin'ny anaran'i Bahala,
ary izy rehetra samy nifikitra
tamin'ny andriamani-tsiizy sady tsy mahasoa.
9Noho izany dia hifandahatra
hiady aminareo Aho,
ary hatrany amin'ny zafinareo no hiadiako;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
10Fa mba mandehana ange miampita
any amin'ny nosy Kitima ka zahao,
mba maniraha olona hanadihady
any amin'ny Arabo ao Kedara2.10 ny nosy Kitima na ireo nosy Grika. –Kedara: any avaratry ny taniefitr'i Arabia, izany hoe any atsinanan'i Palestinina, mifanohitra amin'ny mankany amin'ireo nosy grika.,
raha mahita toe-javatra tahaka izao any e!
11Moa ve nisy firenena
efa nanova ny andriamaniny,
nefa tsy andriamanitra akory ireny!
Fa ny vahoakako kosa efa nanakalo ny voninahiny
tamin'ireo andriamanitra tsy mahasoa akory.
12Koa aoka ho gaga ianareo any an-danitra
ka samia raiki-tahotra sy mangorohoro;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
13Faharatsiana roa sosona
no nataon'ny vahoakako:
fa sady nahafoy Ahy loharano velona izy
no nihady lava-drano ho azy,
kanjo lava-drano mitriatra ireny
ka tsy nahatan-drano.

Ny olona tsy mihaino an'Andriamanitra

1- Manadino nv famonjen'Andriamanitra
Ahariharin'i Jeremia eto ny toetra nananan'ny Zanak'Israely. Ilay fìrenena nanehoan'Andriamanitra fitiavana manokana, nokarakariana fatratra kanjo niova tanteraka. Niodina, nanda Ilay Andriamanitra efa naneho famonjena raha nanafaka azv ireo tanv amin'ny tanv Egypta ka namponina tao amin'ny tany Kanana, tany nahitany ny tena fiainana. Tsv nihaino an'Andriamanitra izy ireo fa ny fanompoan-tsainpy no nomeny toerana. Rehefa tsv manokana fotoana hihainoana ny Tenin' Andriamanitra ny olona dia latsaka amin'ny fandrikv satana.

2- Tsv mahita fitahiana
Ny sokajin'olona rehetra teo amin'ny Israely no nivadika tamin'Andriamanitra, isan'izany ireo tompon'andraikitra ara-pivavahana izay tokonv nitaiza sy nitarika nv vahoaka iaina amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra. Nandao tanteraka an'Andriamanitra ny zanak'Israelv, niaina tamin'ny faharatsiana lalina tokoa.Vokatry ny fanadinoana an'Andriamanitra rava ny fiainany. Tsy misy fiainam- pitahiana ho azy ireo intsony: «Efa nahafoy Ahy, loharanon'aina izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an'ny tenany. nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano» (and.13). Na toa inona na toa inona ezaka itondran'ny olona ny fiainany. Rehefa tsy miaraka amin'Andriamanitra dia tsy mahita fitahiana izy.

Fanontaniana:
Nahoana ny manadino an'Andriamanitra ny olona rehefa milamina ny fiainany ?


Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12